Zavatra Ilaintsika Rehetra
MILA SAKAFO sy rano ary rivotra ianao, ary mila fialofana sy fiarovana amin’ny andro ratsy. Tsy ny olombelona ihany no mila izany fa ny biby maro be eto an-tany koa. Misy zavatra iray anefa ilain’ny olombelona manokana. Inona izany?
Hoy i Reginald Bibby, manam-pahaizana kanadianina momba ny fiaraha-monina: “Misy zavatra iray ilain’ny olona, ka ny fivavahana ihany no afaka manome izany.” Hoy koa ny gazety amerikanina Fandinihana ny Fiaraha-monina, tamin’ny Febroary 2000: “Anisan’ny zavatra eritreretin’ny olona foana ny zavatra ara-panahy.”
Nilain’ny olona foana tokoa ny fivavahana. Betsaka hatramin’izay no nanaraka ireo fivavahana lehibe, mba hahazoana izany zavatra nilainy izany. Niova anefa ny tarehin-javatra. Mihamitombo ny olona miala amin’ny fiangonany any amin’ny tany mandroso toa an’i Amerika Avaratra sy ny faritra avaratr’i Eoropa. Midika ve izany fa tapitra hatreo ny andron’ny fivavahana? Tsy izany velively.
Hoy ny gazety soedoà iray: “Manitatra fotsiny izay milaza fa maty ny fivavahana.” Inona no nisolo ireo fiangonana nahazatra? Hoy ihany ilay gazety: “Ny malaza indray izao dia hoe tsy manaraka fiangonana iray intsony isika. Aleontsika kosa mifidifidy sombiny avy amin’ny fivavahana maro be maneran-tany, ary manambatambatra izany. . . . Mety ho tafiditra amin’izany, ohatra, ny fampiasana vatomazava manasitrana, mbamin’ny fanaovana ny akanjon’ny Bodista. Afaka miova fotsiny ianao, rehefa leo an’ilay nofidinao.”
“Fivavahana samirery” no iantsoan’ny mpanadihady momba ny fivavahana izany. I Reginald Bibby voalaza tetsy ambony kosa nampiasa ilay teny hoe: “fivavahana azo isafidianana.” Misy indray miantso azy hoe finoana “araka ny ilana azy” na “amin’izay itiavana azy.” Amin’ny ankapobeny, dia mamorona ny fomba fivavahany manokana ny tsirairay amin’ireo mpivavaka any amin’ireo firenena efa kristianina hatramin’izay.
Diniho ny vokatry ny fanadihadiana natao tany Soeda, anisan’ireo firenena tsy miraharaha fivavahana indrindra eran-tany. Hita tamin’izany fa ny androatokon’ny olona no mihevitra ny tenany ho Kristianina “araka ny fiheverany azy.” Misy miteny hoe: “Manana ny hevitro manokana aho momba ny Kristianisma”, “Tsy mahazo aina aho any am-piangonana”, “Tsy tiako ny mankany am-piangonana sy mihaino an-dry pasitera”, na koa hoe: “Aleoko mitokana ao an-tranoko, dia mivavaka irery ao.” Maro no mino ny lahatra sy ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Betsaka no mino fa mety hisy ihany ny andriamanitra manana hery sy fahefana, saingy tsy tena fantany ilay izy.
Nisy fanadihadiana hafa nahitana fa olona maro no tsy te hivavaka raha tsy rehefa any ivelan’ny tranony, sy mijery zavaboary mahafinaritra. Hoy ny vehivavy tantsaha iray: “Amiko dia rehefa any an’ala na any an-tsaha ianao no tena akaiky an’Andriamanitra.” Hoy koa ny olona iray tsy nihevitra ny tenany ho mpivavaka: “Ohatran’ny ao anaty fiangonana ngezabe aho rehefa any anaty ala. . . . Tsy fantatro izay miandraikitra ilay izy, fa izay fotsiny no tsapako.” Misy milaza fa madio sy masina ary mahatahotra ny voary, ka manome hery vaovao sy fiadanana ary filaminan-tsaina. Namintina ny tatitra nataony toy izao ny mpanao fanadihadiana iray: “Lasa any anaty ala Andriamanitra.”
Fahita amin’ny faritra maro maneran-tany izany fomba fihevitra izany ankehitriny. Nilaza i Thomas Luckmann, manam-pahaizana amerikanina momba ny fivavahana, fa niala tamin’ny fivavahana any am-piangonana ny olona any amin’ny tany mandroso, ka lasa “mpivavaka manao asa soa.” Ilay olona àry no mamorona izay fomba fiaina tiany, izany hoe maka hevitra avy amin’ny fivavahana isan-karazany izy ary manambatambatra izany, mba hanaovana ny fomba fivavahany manokana.
Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Tena tsy miraharaha intsony ny fivavahana lehibe tokoa ve ny olona? Raha eny, inona no mahatonga izany?’ Hovelabelarin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Sary, pejy 3]
Hoy ny mpikaroka iray, rehefa nahita fa nanjary tia mivavaka eny amin’ny zavaboary ny olona: “Lasa any anaty ala Andriamanitra”