FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/5 p. 8-9
  • Ny “Fivavahana Samirery” ve no Vahaolana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny “Fivavahana Samirery” ve no Vahaolana?
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mila namana isika
  • Manome toro lalana ve izy io?
  • Zavatra Ilaintsika Rehetra
    Mifohaza!—2002
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Fijerena akaiky ny fivavahana
    Mifohaza!—1990
  • ‘Manana ny fivavahako aho, ampy ahy io!’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/5 p. 8-9

Ny “Fivavahana Samirery” ve no Vahaolana?

TSY MISY HERINY eo amin’ny fiainan’ny olona intsony ny fivavahana lehibe, ka tsy mahagaga raha maro be ireo mamorona ny fomba fivavahany samirery. Tena afa-po amin’ny lafiny ara-panahy ve anefa ny olona manao izany? Ny “fivavahana samirery” ve no vahaolana?

Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia hojerentsika hoe mitombina tokoa ve ny fivavahana samirery, rehefa tena dinihina? Aoka àry isika hampiasa ilay fanomezana lehibe indrindra ananan’ny olombelona, izany hoe “ny saina.”—Hebreo 5:14.

Tsy hanaiky hevitra mifanipaka ny olona misaina tsara. Hita tamin’ny fanadihadiana iray momba ny fivavahana samirery tany Soeda anefa fa matetika ny olona no “tsy mandinika loatra fa tonga dia mandray fomba fiaina samihafa (izay mety hifanipaka).”

Ny 2 isan-jaton’ireo milaza ho “Kristianina araka ny fiheverany azy” monja no nanaiky fa olona nisy taloha i Jesosy. Betsaka anefa no mino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Tsy ho hafahafa ve ny milaza tena ho mpanara-dia an’i Kristy, nefa tsy miraharaha ny fiainany sy ny fampianarany, ary manaraka foto-kevitra mifanohitra amin’ny an’i Kristy mihitsy aza?a

Ny saintsika koa dia manilika avy hatrany ireo hevitra tsy azo ianteherana sy manjavozavo na tsy voafaritra tsara. Rehefa nanontaniana anefa ny olona hoe mino an’Andriamanitra na ny hery toy ny an’Andriamanitra ve izy ireo, dia maro no namaly hoe mety hisy “Zavatra” mitovitovy amin’izany. Nisy anankiray niteny hoe: “Mino zavatra iray mahery noho ny olombelona aho, kanefa tsy voatery ho Andriamanitra ilay izy.” Ireo nilaza ho mino an’Andriamanitra aza dia nilaza fa “tsy misy heriny eo amin’ny fiainany izany.” Nasehon’ilay fanadihadiana àry fa fitambarana hevitra sy fitsipika tsy hentitra sady mifangaro ny fivavahana samirery. Izao no niverimberina indrindra tamin’ilay fanadihadiana: “Mino aho, fa tsy fantatro hoe inona ilay izy.”

Mitovy amin’izany koa ny vokatry ny fanadihadiana momba ny fivavahana samirery, tany Kanada. Hoy ny gazety Alberta Report: “Maro be ankehitriny ny olona mino zavatra tsy hita maso, kanefa tsy misy antony marim-pototra loatra inoany izany. Raha jerentsika hoe inona no mba tari-dalana ho an’ny fiainana avy amin’ny fivavahana samirery, dia tsy misy na inona na inona. Tsy misy hoe fahefana tampony mifehy ny fitondran-tena. Tsy dia misy zavatra mivaingana loatra amin’ilay izy.” Lazain’ilay gazety fa misy koa izany hoe “andriamanitra natambatambatra” izany, satria ny olona mino izany dia “naka sombintsombiny tetsy sy teroa mba hanaovana ny finoany.” Ara-dalàna ve aminao ny mampiorina ny finoana, na ny hoavy, amin-javatra manjavozavo sy tsy azo antoka ary hevitra natambatambatra toy izany?

Mila namana isika

Zavatra nankamamin’ny mpivavaka hatramin’izay ny fifankatiavana sy firahalahiana ary firaisan-kina. (Asan’ny Apostoly 2:42, 46) Ahoana anefa no hampety izany, satria atao “samirery” ny fivavahana samirery?

Tsy vao mainka ve mampizarazara ny fivavahana ny fivavahana samirery, satria “samy manana ny fiangonany ny tsirairay”? Hoy ny gazety Alberta Report: “Manjary samy mifidy izay tiany momba ny fivavahana ny rehetra . . ., ka tsy aman-jato intsony ny karazana finoana ao amin’ny firenentsika fa aman-tapitrisa.” Tsy mahagaga àry raha mikorontana ny fiainana ara-panahin’ireo mpanaraka ny fivavahana samirery.

Manome toro lalana ve izy io?

Hoy ilay eveka soedoà atao hoe Martin Lönnebo, tamin’ny fanadihadiana tao amin’ny gazety soedoà iray: “Tsy mitondra soa ho an’ny vanim-potoana iainantsika ny fivavahana samirery, ary tsy afaka mampita ireo toro lalany ho amin’ny vanim-potoana iray vaovao.” Manamarina izany ny fiheveran’ny ray aman-dreny soedoà amin’ny ankapobeny ny fitaizana zanaka. Toy izao no amintinan’ilay gazety an’io fomba fihevitra io: “Fidio izay finoana tianao, nefa aza terena amin’izany ny zanakao, fa avelao izy ireo hifidy izay tiany koa rehefa lehibe.”

Lazain’ilay gazety fa toy ny manery ny zanakao hanaiky ny hevitrao ianao, raha mampianatra azy toro lalana momba ny fivavahana. Izao ihany anefa no fanatsoahan-keviny: “Mety hahasoa ny fanomezanao toro lalana ny zanakao, ary angamba izany ihany no fomba . . . hanaovan’izy ireo safidy tsara.” Ny toe-javatra ratsy misy ny tanora ankehitriny tokoa dia toa manondro fa tsy mahavita mampiray ny fianakaviana ny fivavahana samirery, satria tsy manana toro lalana mafy orina, izay tokony hampitaina amin’ny taranaka mifandimby.

Toa tsy afaka manome valiny azo ianteherana amin’ireo fanontaniana momba ny fiainana àry ny fivavahana samirery, ary sady tsy afaka mampiray ny olona, no tsy afaka manome ny toro lalana ilain’ny olombelona. Hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazety soedoà voalaza teo aloha, momba ny fivavahana samirery: “Tsy misy dikany ny ‘finoana’ raha inoana daholo ny zava-drehetra, ary tsy manan-kery ny fahafahana raha tsy misy fetrany mihitsy.”

Mazava àry fa tsy mahafa-po amin’ny lafiny maro ny fivavahana samirery, satria tsy afaka manome ny zavatra ara-panahy ilain’ny olona. Ara-dalàna tokoa ve raha manantena hahazo ny zavatra ara-panahy ilainy ny olona, rehefa manambatambatra zavatra inoana isan-karazany avy amin’ny fivavahana maro, toy ny hoe mitsaingotsaingoka amin’ny sakafo isan-karazany eo ambony latabatra? Toa tsy afaka manome izany koa anefa ireo fivavahana lehibe. Aiza àry no azontsika itodihana?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy nampianatra i Jesosy hoe ho teraka ao amin’ny vatana hafa indray ny olona rehefa maty. Nampianatra kosa izy hoe tsy misy fotsiny ny maty, fa toy ny matory, ka miandry ny fananganana amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29; 11:11-14.

[Sary, pejy 8, 9]

Tokony hoheverintsika ho toy ny sakafo maro azo isafidianana ve ny fivavahana, ka mahazo maka izay mampilendalenda antsika fotsiny isika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara