Nahoana ny Olona no Mandao Ireo Fivavahana Mahazatra?
MISY MPIVAVAKA 1 700 tapitrisa eo ho eo ao amin’ireo fivavahana milaza ho manaraka ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Ny Kristianisma no be mpikambana indrindra eran-tany, ary maro izy ireo noho ny fivavahana hafa, toy ny Bodisma, Hindoisma, ary ny Silamo. Asehon’ny tatitra anefa fa tsy manan-kery amin’ny olona intsony ny Kristianisma any amin’ireo tany heverina ho kristianina.
Karazan’olona maro no miala amin’ny fiangonany. Nilaza i Ronald Inglehart, mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Michigan sy mpitantana ny Fikambanana Mpanao Fanadihadiana Maneran-tany, fa tsy manan-kery toy ny taloha intsony ny fivavahana any amin’ny tany mandroso. Hoy izy, araka ny gazety Fandinihana ny Baiboly (anglisy): “Tsy vitan’ny hoe nihena be ny mpiangona isan-kerinandro, fa i Amerika Latinina indray izao no mandefa misionera any amin’ireo tany nanjanaka azy taloha, mba hamonjy azy ireo.” Mihevitra i Ronald Inglehart fa “rava ny fivavahana”, indrindra any amin’ny faritra avaratr’i Eoropa. Ny 5 isan-jaton’ny mponina monja no mandeha miangona tsy tapaka any Norvezy sy Danemark. Mbola vitsy aza ny any Soeda satria 4 isan-jato, ary 2 isan-jato ny any Rosia.
Asehon’ny tatitra avy any Alemaina fa raha 25,3 isan-jaton’ny Katolika no niangona tsy tapaka tamin’ny 1984, dia 19 isan-jato sisa izany tamin’ny 1993. Ny 4 isan-jaton’ny Protestanta monja no namonjy fotoam-pivavahana tsy tapaka ny alahady, tamin’ny 1992. Hoy ny gazety Kristianisma Ankehitriny (anglisy), tamin’ny 1999: “Alemà iray ao anatin’ny folo ihany no miangona isan-kerinandro.”
Hoy koa ny gazety Ilay Mpiambina (anglisy), momba ny fihenan’ny mpino any Grande-Bretagne: “Izao vao tena mikororosy ny Kristianisma.” Lazainy fa “ny taona 1950 ka hatramin’ny 2000 no ratsy indrindra ho an’ny mpitondra fivavahana.” Namoaka tatitra manokana momba ny fivavahana any Royaume-Uni ilay gazety, hoe tsy ny tanora ihany no tsy mino intsony ny fivavahana lehibe, fa ny zokiolona koa. Hoy izy io: “Tsy mino an’Andriamanitra intsony ny olon-dehibe, rehefa mihantitra. Hanaitra ireo fiangonana tratran’ny krizy any Grande-Bretagne ny fikarohana farany manamarina izany, satria heverin’izy ireo ho andry iankinan’ny egliziny efa mangozohozo ny zokiolona.”
Toy izany koa no hita any ivelan’i Eoropa. Lazain’ny Alberta Report, gazety kanadianina iray, ohatra, fa “rava ny finoana ao amin’ny fivavahana lehibe”, ary “aleon’ny ampahatelon’ny Kanadianina maka sary an-tsaina an’Andriamanitra araka izay tiany, toy izay hanaiky fitsipika efa voasoritra.”
Maro no tsy mandray fianarana na fanazavana ara-panahy rehefa manatrika fotoam-pivavahana. Lazain’ny gazety Maclean’s any Kanada, fa rehefa nanontaniana ny Jiosy sy Katolika nanatrika fotoam-pivavahana hindoa tany amin’ny tendrombohitra Himalaya, dia hoy izy ireo: “Tsy mahataitra anay intsony ireo fombafomba tsy misy dikany.” Na dia tena nafana fo nandritra ny taona maro aza ny mpivavaka sasany, dia mieritreritra indray izy ireo hoe: ‘Inona tokoa moa no mba nianarako tany am-piangonana? Lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra ve aho?’ Tsy mahagaga raha “tsy fahantrana ara-bakiteny intsony no tena manahirana any amin’ny tany tandrefana amin’izao fotoana izao, fa fahantrana ara-panahy”, araka ny tenin’i Gregg Easterbrook mpanoratra.
Mazava ho azy fa betsaka kokoa ny mpiangona any amin’ny tany sasany. Tsy voatery hidika anefa izany hoe manaraka ny fampianaran’ny fiangonana izy ireo. Milaza Ny Vanim-potoana, gazety aostralianina fa “mihavitsy hatrany ireo Kristianina mampihatra ny fampianaran’ny fivavahany any amin’ireo tany tandrefana. Ny fanarahana ny Kristianisma no anakonan’ny olona ireo fomban-drazana sy finoana hafahafa tsy misy ifandraisany amin’ny fampianarana kristianina, any Afrika sy Azia ary Amerika Latinina. Mifanohitra amin’ny Kristianisma ny finoana toy ireny matetika, sady efa tsy neken’ny fiangonana rahateo taloha.”
Nahoana no tanora sy antitra maro be no miala amin’ny fiangonany? Toa antony iray lehibe ny fahadisoam-panantenana.
Ny zava-dratsy nataon’ny fivavahana
Hoy ny gazety Ilay Mpiambina: “Niray tsikombakomba tamin’ny fasista ny Eglizy Katolika Romanina nandritra ny taonjato faha-20, nanomboka tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an’ny Jeneraly Franco, taorian’ilay ady an-trano tany Espaina, ka hatramin’ny fanampiany ny Jeneraly Pinochet, ilay mpanao didy jadona tany Chili.” Lazain’ny gazety Ilay Mpiambina koa fa “nanaiky hanao fifampiraharahana tamin[’i Hitler] ny Papa Pio faha-XII, papa tamin’ny fotoanan’ny ady, mba hialana tamin’izay mety ho fanelingelenana rehetra, toy ny fanamelohana ilay Famonoana Tambabe.”
Hoy koa ny gazety Vanim-potoana: “Matetika loatra ny fivavahana no nilaza zavatra lainga. Tsy vitan’ny Kristianina akory ny mihavana sy miray saina. . . . Manaporofo izany ny ady nandrobana fananana sy tany, izay mody natao hoe fanangonana mpianatr’i Kristy. Toetra lehibe indrindra amin’ny Kristianina angamba ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Tsy manam-pinoana anefa ireo miseho ho maniry izany, fa olona misalasala, sy tsy manana fanantenana fa kivikivy toy ny tsy Kristianina ihany, ary tsy manam-pitiavana fa malaina hanampy ny olon-kafa. . . . Firenena kristianina no tompon’andraikitra tamin’ny Famonoana Tambabe, ary firenena kristianina koa no nanapoaka ilay ady ataomika nahatsiravina tany Japon.”
Mety hisy hilaza hoe nampianarin’ny fivavahana kristianina foana hatramin’izay ny fahaiza-mitsitsy, fananana herin-tsaina, fandeferana, ary fanaovana ny rariny. Hoy anefa ny gazety Vanim-potoana: “Efa fomban’ny Kristianina any Eoropa sy Amerika Avaratra ary Aostralia ny mandanilany foana ny haren’ny tany, sy milefitra foana amin’ny fitsentsefana sy famoretana ary fanimbana ny tontolo iainan’ireo tany mahantra kokoa, mba hahazoany tombontsoa.”
Hoy ihany io gazety io momba ny hoavin’ny fivavahana kristianina: “Tsy hanan-kery amin’ny fiainan’ny olona toy ny tamin’ireo taonjato lasa intsony ny Kristianisma, raha tsy tena voalamina tsara ireo fiangonana. Miankina amin’ny tsirairay ny maha tsara na maha ratsy izany. Izay anefa no tena zava-misy miandry ny Kristianisma amin’ireo taona ho avy.”
Maro no miala amin’ireo fiangonana mahazatra noho izany olana eo amin’ny fivavahana izany. Tena nahafa-po ny olona ve anefa ilay solony? Izay ve no tena vahaolana?
[Sary, pejy 7]
Maro no niala tamin’ny fivavahana lehibe, noho izy io nanampy tamin’ny ady sy ny fitondrana politika jadona
[Sary, pejy 7]
Betsaka no tsy afa-po tamin’ireo fombafombam-pivavahana mirentirenty
[Sary nahazoan-dalana]
foto: age fotostock