Ny Fiheveran’ny Baiboly
Mankasitraka ny Ady ve Andriamanitra?
I MPIRY impiry moa ny mpitondra sy jeneraly, ary na dia ny mpitondra fivavahana mihitsy aza, no mihantsy ady na manohana ny ady, amin’ny anaran’Andriamanitra! Nahazo ny tso-dranon’ny Papa Urbain II ny Kroazada Voalohany, izay nanomboka tamin’ny taona 1095. Ady nataon’ny Kristianisma Anarana mba hahazoana indray an’i Jerosalema, ilay “Tanàna Masina” izy io. Antoko iray tamin’ireo mpiady tamin’ny Kroazada anefa no efa matin’ny Tiorka, izay vao nahatratra ny tanjony ny Kristianisma Anarana. Tena nitoky tamin’ny Andriamanitra tokana olona telo ireo mpiady tamin’ny Kroazada. Tsy latsaka izany koa fa tena nafana fo ho an’i Allah ny Tiorka.
Nanoratra toy izao ny tanora alemà iray, tamin’ny Aogositra 1914, tamin’izy mbola tany amin’ny toby nandritra ny Ady Lehibe I: “Raha misy ny rariny ka Andriamanitra no mitondra ny fiainana, ary tena matoky aho fa izany no izy, dia tokony ho azonay ny fandresena.” Nandefa ny tafika rosianina hiady tamin’i Alemaina ny Tsar Nicolas II, tamin’io volana io ihany, ka nilaza hoe: “Mirary soa feno aho, ho an’ireo miaramilako mahery fo sy ireo mpiray dina malaza. Momba antsika Andriamanitra!”
Narisika àry ireo miaramila an-tapitrisa nandeha tany an’ady, natoky tanteraka fa nomba azy ireo Andriamanitra. Maro no mieritreritra fa avelan’Andriamanitra hitranga ireny ady ireny ho toy ny sorona mba hahazoana fahafahana. Raisin’izy ireo hanamarinana ny eritreriny ireo ady resahin’ny Soratra Hebreo (antsoin’ny olona hoe Testamenta Taloha). Izany tokoa ve no dikan’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra?
Ny adin’ny Isiraely fahiny
Nandidy ny Isiraely hiady i Jehovah Andriamanitra, mba hanesorana ireo Kananita ratsy fitondran-tena tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Levitikosy 18:1, 24-28; Deoteronomia 20:16-18) Nofaizin’Andriamanitra tamin’ny Safo-drano ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa, ary afo kosa no nampiasainy tamin’i Sodoma sy Gomora. Nitovy tamin’izany ihany no nataony tamin’ny Kananita, fa ny firenen’ny Isiraely indray no nampiasainy ho sabatra nanafaizana hatramin’ny fahafatesana.—Genesisy 6:12, 17; 19:13, 24, 25.
Milaza ny Baiboly fa notarihin’Andriamanitra hanao ady hafa koa ny Isiraely. Matetika ireny ady ireny no natao mba hamaliana ny fandrahonana tsy ahoan-tsy ahoana nataon’ny fahavalo. Nandresy tamin’ny ady nataony ilay firenena rehefa nankatò an’i Jehovah. (Eksodosy 34:24; 2 Samoela 5:17-25) Nahita loza kosa mazàna izy ireo rehefa sahisahy ratsy niady, ka nanda ny torohevitr’Andriamanitra. Diniho izay nanjo an’i Jeroboama Mpanjaka. Tsy niraharaha ny fampitandremana mivantana voalazan’ny faminaniana izy, ka nandefa ny tafiny lehibe hiady tamin’ny mpiray tanindrazana taminy ihany, dia ny Joda. Miaramilan’i Jeroboama niisa 500 000 no maty rehefa nifarana ilay fifamonoana. (2 Tantara 13:12-18) Na dia i Josia mpanjaka nahatoky aza dia namoy ny ainy rehefa niditra tamin’ny ady tsy azy. Ny fanapahan-kevitra maimaika nataony no nahatonga izany.—2 Tantara 35:20-24.
Midika ho inona moa izany rehetra izany? Midika izany fa avy tamin’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra hiady tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny. (Deoteronomia 32:35, 43) Nisy fikasana tiany hotanterahina matoa izy nandefa ny olony hiady. Efa tanteraka hatry ny ela anefa ireny fikasany ireny. Nilaza koa i Jehovah fa “hanefy ny sabany ho fangady” ary tsy “hianatra ady intsony” ireo mpanompony izay velona “any am-parany.” (Isaia 2:2-4) Mazava àry fa tsy manamarina ny fifandonana misy ankehitriny ireo ady tantarain’ny Baiboly. Tsy mitarika ireo ady ankehitriny Andriamanitra, sady tsy nandidy ny hanaovana azy ireny.
Ny vokatry ny fampianaran’i Kristy
Nasehon’i Jesosy, tamin’izy teto an-tany, ny fomba hanoloana ny fankahalana amin’ny fitiavana tsy mitady valiny, ka nandidy izy hoe: “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo.” (Jaona 15:12; Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) Nilaza koa izy hoe: “Sambatra ny mpampihavana [na tia fihavanana].” (Matio 5:9) Ny teny grika nadika hoe tia fihavanana eto dia tsy midika fotsiny hoe tony. Midika kosa izy io hoe mitandro fihavanana, miezaka hanatsara ny fifandraisana.
Rehefa nosamborina i Jesosy, dia nanandrana niaro azy tamin’ny sabatra maranitra i Petera. Niteny mafy azy anefa i Jesosy, hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52) Ahoana no nampiharan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ireo teny ireo? Jereo ny tenin’ireto olona ireto.
“Nojerena tsara indray ny zava-drehetra fantatra teo am-pelatanana, hatreo amin’ny andron’i Marc Aurèle [taona 121-180], ka [hita] fa tsy nisy nanao raharaha miaramila mihitsy ny Kristianina tamin’izany ary niala tsy ho miaramila intsony ireo miaramila lasa Kristianina.”—Ny Fandrosoan’ny Kristianisma (anglisy).
“Tsy nitovy tamin’ny an’ny Romanina mihitsy ny fitondran-tenan’ireo Kristianina [tany am-boalohany]. ... Nitory fihavanana mantsy i Kristy, ka tsy nanaiky hanao miaramila izy ireo.”—Ny Tontolontsika Arakaraka ny Fandehan’ny Fotoana (anglisy).
Tsy nety niasa tao amin’ny tafika notarihin’ny Emperora ny mpianatr’i Kristy, ka maro tamin’izy ireo no novonoin’ny Romanina ho faty. Nahoana ny Kristianina no sahy nijoro tamin’izany hevitra tsy tiam-bahoaka izany? Satria nampianatra azy ireo ho mpampihavana i Jesosy.
Ady amin’izao andro izao
Eritrereto ange e! Hahatsiravina tokoa raha avy amin’ny tafika roa mifanandrina ny mpanara-dia an’i Kristy ka mifamono. Hifanohitra amin’ny toro lalana natao ho an’ny Kristianina izany. Tsy hanisy ratsy na iza na iza tokoa ireo olona mankatò ilay Andriamanitry ny Baiboly; tsy hasiany ratsy na dia ny fahavalony aza.a—Matio 5:43-45.
Mazava àry fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny ady feno habibiana ifanaovan’ny olombelona ankehitriny. Tia fihavanana ireo tena Kristianina, ary mandala ny fihavanana izay haorina maneran-tany, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miresaka momba ny “Hara-magedona” ny Baiboly, ary antsoina koa hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” izy io. Mampiseho ny hamonoan’Andriamanitra an’ireo mpanao ratsy io ady io, fa tsy mampiseho adin’olombelona akory. Koa tsy azo anamarinana ny adin’olombelona amin’izao andro izao ny Ady Hara-magedona, sady tsy antony ilazana fa mankasitraka ireny ady ireny Andriamanitra.—Apokalypsy 16:14, 16; 21:8.
[Sary, pejy 26]
Ny Jeneraly Francisco Franco avy any Espaina, miaraka amin’ny mpitondra fivavahana katolika maromaro
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. National Archives photo
[Sary, pejy 27]
Nitso-drano ireo miaramila handeha any Kosovo ireo pretra ortodoksa grika, ny 11 Jona 1999
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo/Giorgos Nissiotis