FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/9 p. 16-21
  • ‘Milahatra tsara mba hiady’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Milahatra tsara mba hiady’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Miaramilan’i Kristy Jesosy’
  • Ny fisafidianana taloha sy amin’izao andro izao
  • Iza no afaka mandray anjara amin’ny ady?
  • Azo antoka ny fandresena
  • Ady, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fandaminana tanteraka ilay raharaha eo amin’izao rehetra izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Aza mihemotra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Fahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/9 p. 16-21

‘Milahatra tsara mba hiady’

“Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara [mba hiady, MN], dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’i Davida amin’ny Isiraely rehetra.”​—I Tantara 12:38.

1. Noho ny tarehin-javatra mandodona inona moa no tokony hisehoana ho malina amin’izao andro izao?

ATAOVY manakoako ny antso ho amin’ny ady! Aoka ny Vavolombelon’i Jehovah mahery fo rehetra hivory mba hanao ny fanompoany! Antomotra ny ady farany amin’ny fahavalo. Mahadodona ny fotoana. Tsy afaka ny hamela ny tenantsika hilentika ao anatin’ny tsy fanahiana isika na hanaiky ho resin-tory ka hieritreritra fa nitsahatra ny ady. Izany no ho tian’ny fahavalo hinoantsika, satria fantany fa kely sis any androny. Tokony hampoizintsika àry ny hanafihany tampoka an’ireo izay miady ho an’ny fahamarinana, noho ny Fanantenana ny hanampoka azy ireo.​—1 Tesaloniana 5:1-6.

2. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manana antony mihitsy tokony hatahorana an’ireo fahavalony (Salamo 24:8)?

2 Amin’izao andro izao Jehovah dia mihevitra an’ireo Vavolombelony mahatoky ho toy ny mpiady amin’ny ady ara-panahy iray izay manatona haingana ny fara heriny. Rehefa ilaina koa aza izany, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no tonga “mpiady mahery” izay ny tanany ankavanana dia afaka manorotoro sy mandrodana ny fahavalo (Eksodosy 15:3, 6, 7). Taloha izy dia nanome ho an’ny Isiraely fahizay tokony hotarihin’ny anjeliny, izao fampanantenana manaraka izao izay mbola manan-kery ihany amin’izao andro izao: “Fa raha hihaino ny feony tokoa hianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ny fahavalonao sy ho rafin’ny rafinao Aho.”​—Eksodosy 23:20-22.

3. a) Lazalazao ny toerana tanan’i Jesosy nanomboka tamin’ny 1914. b) Ady inona no nataony? d) Noho ny antony inona moa no mahatonga an’ireo mpianany voahosotra hotafihina amin’izao andro izao?

3 Ankehitriny, dia naharihary tamin’ny mason’ny finoantsika io fahamarinana ara-paminaniana io: Tamin’ny fararanon’ny 1914, Jesosy Kristy nomem-boninahitra dia notendren’i Jehovah Marosaly Lehiben’ireo andian’anjely mpiady any an-danitra (Salamo 110:1, 2; Matio 25:31). Notarihiny haingana ireo miaramilany hanafika ny Devoly sy ireo anjeliny, ka hanaisotra amin’izany amin’ny lanitra, ny fahalotoana nateraky ny fanatrehan’izy ireny ka nanilika azy ho ety amin’ny manodidina ny planetantsika. Hatramin’izay, eo am-piandrasana ny hanomezan’i Jehovah azy amin’ny farany ny baiko handringana ny fahavalo, Jesosy Kristy dia mitarika asa maneran-tany hita maso izay ilàna ady koa (Apokalypsy 12:7-9). Satana sy ireo andian-demoniany izay mahafantatra tsara fa kely sisa ny androny, dia mitarika ady mirehitra amin’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra mbola eo an-tany. Nahoana? Satria ireny kristiana mankato ireny dia manambara ny Fanjakan’ny Andriamaniny sy ny Kristiny.​—Apokalypsy 12:17.

‘Miaramilan’i Kristy Jesosy’

4. Hazavao izay takina amin’ny “miaramila tsaran’i Kristy Jesosy”.

4 Koa izay rehetra milahatra ao amin’ny tobin’ireny kristiana voahosotra ireny ka manohana azy dia mba manjary ianjadian’izany ady tsy mifaditrovana izany koa. Noho izany, dia mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay avy ny fananarana mahery nomen’i Paoly. Izao no vakintsika: “Miaraha miaritra ny mafy amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila”. Ny fanompoana tontosaintsika eo ambany fitarihan’ilay Marosaly Lehibe atao hoe Jehovah àry dia tokony hialoha ny asa hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika.

5. a) Ahoana no ilazalazan’i Paoly ny ady ara-panahy ataon’ny kristiana? b) Tapa-kevitra ny hanao inona moa ireo miaramila kristiana, ary aiza izy ireo no afaka manovo fampaherezana?

5 Mibaribary amintsika ny tena fisiana sy ny toetoetr’io ady ara-panahy io rehefa eritreretintsika tsara izao fampiomanan’ny apostoly Paoly izao: “Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy); fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay (...) ary vonona hamaly ny tsifanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.” (II Korintiana 10:3-6; jereo koa Efesiana 6:12). Amin’ny maha-miaramilan’i Kristy Jesosy antsika, dia irintsika ny hampiseho eo anatrehan’ny rehefa fa manaiky ny baiko omeny antsika amin’ny ady isika, fa vonona foana handray anjara amin’ny fahaizana mitondra tafika nofidiny ary hampihatra izany. Hanovo fampaherezana ho amin’ny ady ara-panahy isika amin’ny fijerena tapany iray amin’ny tantaran’ny Isiraely taloha izay ohatra mampiseho ny hevitr’ireo fisehoan-javatra mitranga ankehitriny.​—Romana 15:4; I Korintiana 10:11.

Ny fisafidianana taloha sy amin’izao andro izao

6. Tantarao ny zava-niseho izay nitarika ny Isiraelita hanaiky an’i Davida ho mpanjakan’izy ireo, ary asehoy ny fomba tsy maintsy nandraisan’ny tsirairay toerana ny amin’io raharaha io.

6 Aoka hoeritreretintsika ny tarehin-javatra nanjaka tamin’ny andron’i Davida, ilay nofidin’Andriamanitra ho mpanjaka ho an’ny Isiraely rehetra. Taorian’ny nahafatesan’i Saoly mpanjaka, dia ireo lehilahy tamin’ny Joda no voalohany nanaiky an’i Davida ho mpanjakan’izy ireo voahosotr’Andriamanitra. Ireo foko hafa kosa anefa dia nifidy an’i Isiboseta, zanak’i Saoly, ho mpanjaka, ka izany dia niteraka ady naharitra (II Samoela 2:1-11; 3:1). Ny namonoana an’i Isiboseta, tokony ho roa taona taty aoriana, dia nanomana an’ireo foko hafa hiaraka amin’ny Joda. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nohosorana ara-dalàna ho mpanjaka ho an’ny Isiraely rehetra i Davida (II Samoela 4:5-12; 5:1-3). Teo anelanelan’izany anefa dia olona maro no tsy maintsy nanapa-kevitra ho iza no hotompoiny. Tsy maintsy nodinihiny ny fahefana nananan’i Davida tanora. Tena voahosotr’Andriamanitra tokoa ve izay? Nifanohitra tamin’i Saoly izay nolavin’Andriamanitra, moa ve izy nanana ny fitahiany? Ho hainy ve ny hitarika ireo tafiky ny Isiraely ho amin’ny fandresena ireo fahavalo nanodidina azy ireo?

7. Inona no tsy maintsy nataon’ireo izay nanaiky ny fiandrianan’i Davida?

7 Araka ny tena azo inoana, ny Isiraelita sasany dia nifidy ny ankohonan’i Saoly izay voaheloka. Ny sasany tia kokoa ny lalan’ny fanararaotana izay nitranga, fa ny hafa nisalasala foana. Na haingana na ela anefa, ny rehetra dia tsy maintsy nanao ny fisafidianany. Ireo izay nanapa-kevitra ny hanohana tsy nisy fepetra ny fiandrianan’i Davida dia afaka nidera tena noho izany. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia tsy nanao zavatra tamim-pitiavan-tena izy ireo na nifidy ny lalan’ny tsy fanaovana fiezahana firy. Tsy nitan-droa izy. Ny fanohanany an’i Davida, mpanjaka voatendrin’i Jehovah kosa dia nitarika azy ireo handray anjara asa teo anilany tamin’ny fahatongavana ho vahoakany sy miaramilany. Araka ny fitantarana voasoratra ao amin’ny I Tantara 12:22, dia “nisy nankany amin’i Davida isan-andro isan-andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’Andriamanitra”.

8. Ahoana moa no teny ilazalazana ireo izay nanaiky ny fiandrianan’i Davida ao amin’ny I Tantara 12:32, 38?

8 Ny antsipirian’ny tantara hafa dia mampahafantatra antsika fa ny nahaforona izany vahoaka izany dia ireo izay “nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay tokony hataon’ny Isiraely”. (I Tantara 12:32.) Tsy matimaty ny tsy fivadihany tamin’ny mpanjaka. Tokony ho tsara fitaovam-piadiana izy ireo mba ho vonona hanaraka azy amin’ny ady. Tsy nanantena ny hanana fiainana mora izy ireo. ‘Nahafantatra ny fotoana’ izy ireo ary nahalala fa ilay fanjakana dia voahodidin’ny fahavalo izay tsy hisalasala hitelina ny Isiraely sy hanafoana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah raha vantany vao misy fahafahany hanao izany. Ireo izay tonga avy any amin’ny faritra tany atsinanan’i Jordana dia ‘miaramila nilahatra tsara mba hiady’, vonona ny ‘hiray fo’ hanompo eo ambany fitarihan’i Davida.​—I Tantara 12:38.

9. a) Manana ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny ve ny tarehin-javatra nisy tamin’ny andron’i Davida? b) Fanontaniana inona no tokony hovalian’ny tsirairay avy?

9 Tsy miemponempona ve ny fontsika rehefa mahita miseho eo anoloan’ny masontsika ny mifanitsy amin’izany tarehin-javatra izany amin’izao andro izao? Ilay Davida Lehibe, Jesosy Kristy, dia nofidin’i Jehovah ka manjaka ankehitriny amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra. Manohitra ny fiandrianany ireo firenena eo amin’izao tontolo izao ary mandrahona ny hampanjavona amin’ny tany ireo vahoakan’ilay Mpanjaka (Salamo 2:1-3). Maneran-tany àry, ny olona dia asaina hiandany amin’ny andaniny na ny ankilany. Tsy maintsy mamaly an’ity fanontaniana ity izy ireo: Manohana ny Fanjakan’ny Zanak’i Jehovah ianao sa manohitra azy? Olona be dia be no misalasala. Ny hafa manorina fotsiny ny fisafidianany amin’izay hitany fa azo hararaotina, amin’ny fiheverana amim-pitiavan-tena ny filaminany sy ny tombontsoany manokana.​—Zefania 2:2, 3; Joela 4:14.

10. a) Nahoana moa no be dia be no misalasala? b) Inona àry no andraikitra mipetraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

10 Raha mbola manohy mitatra any amin’ny toerana rehetra ny fahafantaran’ny vahoaka an’ireo solontenam-piandrianan’Andriamanitra, dia mitombo ny isan’ny olona afaka manao fisafidianana amim-pahiratan-tsaina (Mika 4:1-3; Zakaria 8:23). Be dia be no misalasala noho ny tsy fahafantarany tsara ny toe-javatra fotsiny. Tsy hainy ny manavaka na, ny hevitry ny fotoana diavintsika na ny ilàna haingana dia haingana hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Olona an-tapitrisany maro no mbola iharan’ny fampielezan-kevitr’i Satana ka noho izany dia mety ho voatarika ho amin’ny fandringanana miaraka aminy sy ireo mpiray tetika aminy. Amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia antsoina maika dia maika hiaraka amin’ilay Davida Lehibe, Jesosy Kristy, ampy fiadiana sy fitaovana mba hamelezana ny fahavalo.​—Jereo Matio 12:30.

Iza no afaka mandray anjara amin’ny ady?

11. Araka ny tenin’i Jesosy, hazavao ny hoe amin’ny fomba ahoana no hahatonga ho feno ny fankatoavantsika an’i Kristy?

11 Ho amin’ny ady ara-panahy ataony, ny miaramilan’i Jesosy Kristy rehetra dia tokony hahafeno fepetra lehibe tokoa. Araka izany, Paoly dia manipika fa tokony ho “tonga feno” ny fankatoavan’izy ireo an’i Kristy. (II Korintiana 10:5, 6 MN.) Ahoana no mety hahafantarantsika raha mahafeno izany fepetra izany isika, araka ny fitondrantenantsika sy ny fihetsika asehontsika? Hanampy antsika hamakafaka ny amin’ny tenantsika ireto fanontaniana manaraka ireto:

Moa ve tena omentsika toerana alohan’ny zavatra mety hifikirantsika araka ny olombelona rehetra tokoa ny fanompoana an’Andriamanitra ? (Matio 10:37)

Moa ve isika afaka amin’izay rehetra mety ho faniriana ny hanan-karena na horaisina tsara eo amin’ny olona sasany eo amin’izao tontolo izao ? (Lioka 6:20-26)

Moa ve isika miahy ny hahazoana sitraka amin’ny Mpitarika sady Mpifehy antsika fa tsy hanahy ny amin’ny zavatra nampanantenain’i Jehovah fa homena antsika, dia ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana? (Matio 6:25-32)

Moa ve isika nitsahatra tsy nanakiana ireo miaramilan’i Kristy hafa mba tsy hamafazana fisaratsarahana eo amin’ny laharan’ny tafiny masina? (Lioka 6:37; Salamo 133:1-3)

Moa ve isika tia tokoa ireo rahalahintsika ka miasa mba hahasoa an’izay rehetra naira-nilatsaka tamintsika hanao izany ady ara-panahy atao amin’ireo fahavalon’Andriamanitra izany? (Jaona 13:35; 1 Petera 4:8)?

Izany dia samy fanontaniana mety tokony hovalian’ny mpianatr’i Kristy rehetra ao am-pony.

12. Ahoana no azo amantarana ireo sakaiza sy ireo fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 25:31-46)?

12 Mba handresena amin’ny ady kristiana, dia ilaina koa ny hahatsapa tanteraka ny hantsana mampisaraka ny fandaminana madion’Andriamanitra amin’ireo fandaminana milefitra loatra sy maloto fitondrantena eo amin’izao tontolo izao (Genesisy 3:15; Salamo 97:10). Eo an-tany fiadiana, ny tsirairay avy amin’ireo tafika mifanohitra dia tokony hahay hanavaka mora foana ny sakaiza sy ny fahavalo. Amin’izany izy ireny dia mampiasa famantarana sy fanamiana tsy mitovy. Toy izany koa, isika dia nianatra namantatra ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra ary mahatsapa koa ny fisian’ny asan’ny nofo izay azo fantarina toy ny voankazo (Galatiana 5:19-24). Raha ny marina dia tsy misy toeram-pialanalanana eo anelanelan’ny fandaminan’Andriamanitra sy ny an’i Satana.

13. Amin’ny ahoana no mahasoa ny famonjena tsy tapaka ireo fivoriana amin’ny ady ara-panahy ataontsika.

13 Moa ve asehontsika tsy tapaka amin’ny fomba fiasantsika fa isika dia ‘mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy’? (Matio 5:3, MN; Hebreo 10:25.) Amin’ny adin’olombelona iray, dia tena ilaina ny hanatrehan’ireo manamboninahitra sy ireo miaramila hafa fotoana fandraisana toromarika mba hahafantarana ireo fihetsiketsehana hatao any an-tany fiadiana sy ireo tetikady faran’ny fahavalo. Toy izany koa fa zava-dehibe ny hanatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any an-toeran-kafa mba hahazoana tanjaka avy amin’ny Teny sy ny fanahy masin’Andriamanitra sy hahafantarana ireo tetikadin’ny fahavalo.​—I Petera 5:8.

14. Nahoana moa ny tenin’i Zakaria voasoratra ao amin’ny Lioka 1:74, 75 no tena mety haneho ny fihetseham-pontsika?

14 Rariny tokoa raha ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ny zanany isika noho ny nanomezany antsika fitaovana tsara ho amin’ny ady ara-panahy toy izany. Sahala amin’i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao batisa, isika dia mahatsiaro ho voatosika hidera an’i Jehovah noho ny nanomezany antsika ‘fahazoana hanompo Azy tsy amin-tahotra, satria afaka amin’ny fahavalontsika isika, amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika’. (Lioka 1:74, 75.) Nafahana avy amin’i Babylona Lehibe isika. Ary noho isika mahafeno ireo fepetra takin’ilay Mpitarika sy Mpifehy antsika, dia afaka milahatra tsara mba hiady hisetra ireo fahavalon’Andriamanitra sy Kristy isika.

15, 16. Inona avy moa no “fisainana” sy “fiarovana mafy” nampidirin’i Satana tao an-tsain’ny olona? b) Ahoana no azo ‘andravana’ ireny hevitra ireny ary manao ahoana ny fahavitantsika izany?

15 Ny fitaovam-piadiana rehetra sy ny herin’ny tafika rehetra eo amin’izao tontolo izao, rehefa dinihina dia kilalaon-jaza fotsiny raha oharina amin’ireo filozofia sy lovantsofina mamitak’olombelona, ara-tolo-tsain’ny Devoly sy ireo demonia miaramilany. Satana izay naniry hahazo ny fahamboniana sy ny herin’Andriamanitra dia nampiely hatraiza hatraiza ireo fampianarany feno lainga. Manohitra izay lazain’ilay Andriamanitra marina izy ary miseho ho loharanom-pahalalana mba hamitahana ny olombelona. Ampianariny fa tsy mila mihitsy an’i Jehovah ny olombelona ary amin’ny alalan’ny tenany ihany dia ho tonga sahala amin’Andriamanitra izy. Laviny ny zon’Andriamanitra ho Mpamorona amin’ny fanaovana izay hinoan’ny olona fa avy amin’ny evaolisiona na fivoarana miandalana izy. Nahomby izy rehefa rehefa nampino olona an-tapitrisany maro fa tena tsy misy fahafatesana fa izay toa fahafatesana dia tsy inona fa varavarana mivoha ho amin’ny karazam-piainana vaovao. Natsangany ny fitondram-panjakana samihafa izay samy latsa-paka ao anatin’ny fitiavan-tena tanteraka izay fotony. Izany dia sasantsasany monja amin’ireo “fisainana” sy ‘zavatra avo atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra’.​—II Korintiana 10:5.

16 Izany hevitra latsa-paka lalina izany, izany “fiarovana mafy” ny hevitra izany dia tokony harodana, halana sarona, mba hanafahana ara-tsaina sy ara-panahy ireo iharam-pahavoazana noho ireny hadisoan-kevitra ireny (II Korintiana 10:4). Ho amin’izany dia ananantsika ny fiadiana sy ny fiarovan-tena ilaina rehetra, dia: Ny finoana ho ampingantsika, ny fahamarinana izay manatanjaka antsika toy ny sikina, miaro ny fontsika ny rariny, fiarovan-doha ho antsika ny fanantenana famonjena, sabatra ho antsika ny Tenin’Andriamanitra, ary ny vaovao tsaran’ny fihavanana dia manampy an’ireo izay maniry tokoa hanaiky an’ilay Mpanjaka nofidin’i Jehovah (Efesiana 6:14-17). Noho ireo fiadiana ara-panahy ireo, ny Vavolombelona kristian’i Jehovah dia manafaka babo tsy tambo isaina.

Azo antoka ny fandresena

17. Araka ny Salamo 45:3, 4, hanao ahoana ny ho fiafaran’ny ady farany hataon’ny kristiana amin’ny fahavalo?

17 Antomotra ny fotoana hanasan’i Jehovah an’i Jesosy Kristy Mpanjaka nofidiny hanao ny fanafihana farany ny fahavalo. Amin’izay Jehovah dia handefa ho an’ilay Mpitari-tafika any an-danitra izao antso manaraka izao, voasoratra ao amin’ny Salamo 45:3, 4: “Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao. Ary mitaingena handroso soa aman-tsara amin’ny voninahitrao, noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tànanao ankavanana.” Tsy isalasalana ny ho fiafaran’ny ady. Ny fandaminan’i Satana, hita maso sy tsy hita maso, dia hanjavona tanteraka, ary amin’izany koa ny tany dia hafahana amin’izay rehetra mety ho fanapahana ratsy sy mampijaly. Toy inona moa ny fifalian’ireo ho tafita velona hahafantatra fa nanjavona sy ho hita mandrakizay ny mpampahory, ny mpandainga, ny mpijangajanga rehetra sy ireo izay manimba ny tany!​—Apokalypsy 11:16-18; 19:11-21.

18. Nanomboka tamin’ny 1914, iza no ‘nilahatra tsara mba hiady’, ary tamin’ny fomba ahoana?

18 Entanin-kafaliana isika rehefa mahatsapa fa ny tarehin-javatra mahavariana rehetra voatantara ao amin’ny Soratra Masina dia tanteraka amin’izao andro izao. Taorian’ny nandraisan’i Jesosy Kristy ny fiandrianana tamin’ny 1914, dia ireo rahalahiny voahosotry ny fanahy no voalohany nitsaoka azy ho Mpanjakan’izy ireo. ‘Nilahatra tsara mba hiady’ izy rehetra. Avy eo, nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, rehefa nohazavaina ny Apokalypsy 7:9-17, dia mba tafangona koa ny “olona betsaka” tamin’ny famantarana ny tena loharanon’ny fandresena sy ny soa rehetra. Ireo anisany dia niaraka tamin’ny Isiraelita ara-panahy amin’izao androntsika izao, voalahatra mba hiady, vonona koa ny hiharan’ny fahoriana sy ny fahasahiranana avy amin’ny ady ara-panahy voambara izay mampifanohitra azy ireny amin’ny fandaminan’i Satana manontolo, ho fankalazana sy ho voninahitr’i Jehovah.​—Zakaria 2:11.

19. Inona moa no fanapahan-kevitra tokony hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mahery fo rehetra?

19 Miharihary tokoa àry fa mahadodona ny fotoana. Tsy izao no fotoana tokony hieritreretana fa vita ny ady ara-panahy. Enga anie ny fahavalo tsy hanampoka antsika mihitsy amin’ny ady farany tokony hataontsika tsy ho ela ao anatin’ny faritry ny fanompoantsika masina! Isika rehetra, anisan’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy na ny “olona betsaka” miaraka amin’izy ireo, aoka isika ‘hilahatra tsara mba hiady amin’ny fo manontolo’. Aoka isika hanohy hampanakoako amim-pahasahiana ny antso hiady, satria mampanantena fandresena antsika Jehovah.​—II Tantara 20:15.

Aoka hofintinintsika

◻ Nahoana no ilaina maika dia maika izao ny ‘hilaharana tsara mba hiady’?

◻ Karazana ady inona no andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah anjara?

◻ Fanotaniana tena lehibe inona no tokony hovalian’ny tsirairay amin’izao andro izao?

◻ Iza no mahafeno ny fepetra takina mba hanompoana amin’ny maha​—‘miaramilan’i Kristy Jesosy’?

◻ Iza no handresy?

[Sary, pejy 19]

Ny famonjena tsy tapaka ireo fivoriana atao any amin’ny Efitrano Fanjakana dia 1) manatanjaka antsika ho amin’ny ady ara-panahy ataontsika, 2) manampy antsika “hamantatra ny fotoana” ary 3) mampianatra antsika hanompo “amin’ny fo manontolo”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara