FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/6 p. 16-18
  • Valan-javaboary Miavaka atỳ Mediterane

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valan-javaboary Miavaka atỳ Mediterane
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fiompiana miaro ny tontolo iainana
  • Vorona resahin’ny Baiboly
  • Narovana sy naverina tamin’ny laoniny ilay valan-javaboary
  • Voa Kely Lasa Hazo Goavam-be
    Mifohaza!—2010
  • Voromahery
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vorondolo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hazobe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/6 p. 16-18

Valan-javaboary Miavaka atỳ Mediterane

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

NANDRITRA ny an’arivo taona ireo firenena tatỳ amin’ny morontsirak’i Mediterane dia nikapa ny alany, nampiraoka ahitra ny bibiny mandra-pahatapitry ny ahi-maitso, ary nihaza bibidia sasany mandra-pahalany tamingana azy ireo. Mbola misy faritra vitsy tsy niharan’izany ihany anefa. Zavatra maromaro nitambatra, no niaro ny faritra kely iray atỳ Espaina. Monfragüe no anaran’ilay faritra, midika hoe “Tendrombohitra Mikitoantoana.”

Marina fa mitokana be io faritra eto Espaina io, kanefa tsy izay ihany akory no nahatonga azy io ho voaro. Soa ihany fa nisy fomba fiompiana nampiasain’ny mpiompy nipetraka teny amin’ny manodidina an’i Monfragüe. Tena nandaitra izany fomba fiompiana izany, niarovana ny ala sarobidy sisa tavela tamin’ireo ala voajanahary midadasika. Ireny ala voajanahary ireny koa mantsy taloha no nandrakotra ireo havoana manamorona ny Ranomasina Mediterane. Antsoina hoe dehesa na “kijana feno hazo” io faritra rakotry ny ala io.

Fomba fiompiana miaro ny tontolo iainana

Taonjato maromaro lasa izay, dia hitan’ny tantsaha tany Estrémadure (faritra any Espaina misy an’i Monfragüe), fa afaka manome alokaloka sy sakafo tena ilain’ny andiam-bibiny ny alan’ny hazo oaka, izay nandrakotra ilay tany.a Afaka nahazo kijana hiraofan’ny biby ahitra izy ireo raha notapahiny daholo ny hazo oaka. Tsy izany anefa no nataony, fa namela hazo oaka ampy tsara izy ireo. Nokapainy fotsiny ny hazo sasany mba hanifinify kokoa ny ala. Nisy fomba nandrantsanan’izy ireo ny hazo mba hahatonga azy hisandrahaka tsara. Niaro ny kijana rakotra ahitra teo ambaniny ny alokalok’ireny hazo oaka mahavariana ireny, ary sakafo mahavelona ho an’ny omby sy ny kisoa ny voany masaka be dia be. Tsy lany tamingana ny ankamaroan’ny vorona sy biby teraka tao amin’io ala io, satria voatahiry tao ny ankabeazan’ireo hazo voajanahary nandrakotra azy.

Mamakivaky an’ilay dehesa ny reniranon’i Tage sy Tiétar, ka mikaoka hadilanana ary mihaona eo amin’ny tehezan’ny tendrombohitra Monfragüe, eo akaikin’ny tendrony mihitsy. Lasa valan-javaboary ny faritra manamorona ireo renirano roa, tamin’ny 1979. Mikitoantoana io faritra io, ka voaro tsara tsy toy ny ala hafa ny ala voajanaharin’i Mediterane. Natao ho valam-pirenena i Monfragüe, satria hatramin’izao dia io no heverina fa anisan’ny valan-javaboary voaro indrindra ho an’ny zavamiaina atỳ amin’ny faritr’i Mediterane.

Vorona resahin’ny Baiboly

Azo lazaina hoe kely ihany ilay faritra, kanefa miaro ny jaboady, ny lambo, ny serfa, ary koa ny kary espaniola izay biby mampinono tena atahorana ho lany tamingana atỳ Eoropa. Amin’ny alina vao mivoaka ny ankamaroan’ireo biby any. Na izany aza, dia mety hahita ireo vorona mpihaza maro be mahavariana ao amin’ilay valan-javaboary ireo mpitsidika, amin’ny antoandro. Iray karazana amin’ireo biby nisy tao amin’ireo tany resahin’ny Baiboly ny ankamaroan’ireo biby mpihaza atỳ amin’ny faritr’i Mediterane.

Tsikaritr’i Tristram, mpandinika ny zavaboary tany antenatenan’ny taonjato faha-19, fa saika tany amin’izay nalehany rehetra tany Palestina, dia nahitany karazam-boromahery atao hoe vaotoro, nanidintsidina teny amin’ny lanitra. Toy izany koa ao Monfragüe. Misy vorona mpivady 400 manao ny akaniny eny amin’ny hantsam-bato mahatazana ny renirano Tage sy Tiétar. Misy vaotoro be dia be misidintsidina eo ambonin’ireo akaniny amin’ny takariva, ary tazana mipentimpentina eny amin’ny lanitra eny amin’ny alina, ny alok’izy ireo ngezabe.b

Be dia be ny vano any amin’ny faritr’i Monfragüe ary mbola eny amin’ny hazo oaka izy ireny no manao ny akaniny. (Salamo 104:17) Any amin’ny faritra maro atỳ Eoropa anefa, dia eny amin’ny trano ntaolo izy ireny no manao ny akaniny. Mahazo hafanana miaraka amin’ny vano eny koa ny voromahery isan-karazany, misidintsidina ‘mitsinjo lavitra’ mitady remby.—Joba 39:27-29.

Mbola mailaka be sady betsaka noho ny voromahery ny papango mena, ary vao mainka betsaka izy mandritra ny vanin-taona mafana. Eo koa ny papango hafa matsilo maso, mivoivoy foana eny amoron’ny renirano ao amin’ilay valam-pirenena, mitady trondro hopaohina avy ao anaty rano.—Joba 28:7, Fandikan-teny Katolika.

Rehefa mirotsaka kosa ny alina, vao manidina ny vorona mpihaza hafa, anisan’izany ny vorondolo kely sy ny vorondolo be. Manao ny akaniny eny amin’ny hantsam-bato mitokana be ao Monfragüe ny vorondolo be. Misy toerana mitovy amin’io any amin’ny tany lao misy ny sisan-javatra rava tamin’i Babylona fahiny, izay nolazain’i Isaia mialoha hoe ho lasa fonenan’ny vorondolo koa.—Isaia 13:21.

Narovana sy naverina tamin’ny laoniny ilay valan-javaboary

Mandravaka an’ilay valam-pirenena amin’ny loko marevaka ny voninkazo dia, indrindra rehefa lohataona. Mivelatra ny raozy dia fotsy sy ny lavandy volomparasy, mandrakotra ny tehezan-tendrombohitra rehetra tsy misy hazo. Hita eny amin’ilay kijana maitso rehetra eny koa ny vonin-drongony mena midorehitra, rehefa akaiky ny vanin-taona mafana.

Ny fiarovana an’io toerana sarobidy io izao no tena imasoan’ireo manam-pahefana miandraikitra ilay valam-pirenena. Izany no mahatonga azy ireo hisahirana mafy hamboly izay karazan-kazo voajanahary nisy tao. Ireny no hasolo an’ireo hazo kesika sy hazo kininina nambolena tao, izay tsy mety amin’ireo zavamiaina ao amin’ilay valan-javaboary. Miara-miasa amin’ireo tantsaha eto an-toerana koa izy ireo mba hiarovana an’ireo dehesa manodidina, ka ampirisihiny hamboly hazo oaka indray ireo tantsaha, raha ilaina izany. Ireny fepetra rehetra ireny dia antenaina fa hiaro an’ilay valan-javaboary miavaka atỳ amin’ny alan’i Mediterane.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Iray amin’ireo karazana hazo oaka betsaka indrindra maniry eto Espaina ny oaka bosoa. Nisy hazo oaka iray karazana amin’ireny, naniry be tany Palestina tamin’ny andron’ny Baiboly.

b Mahatratra 2,8 metatra ny fivelatry ny elatr’io vaotoro io, ary anisan’ny vorona lehibe indrindra any Eorazia izy io.

[Sary, pejy 16, 17]

Ankavia miankavanana: Omby miraoka ahitra ao amin’ny ala manifinify, jaboady, serfa

[Sary, pejy 18]

Vaotoro mainty

[Sary, pejy 18]

Vorondolo be

[Sary, pejy 18]

Voromahery mivolom-bolamena

[Sary nahazoan-dalana]

Fotos: Cortesía de GREFA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara