Mbola Mitohy ny Fanandevozana
FOANA ve ny fanandevozana? Te hino izany ny ankamaroan’ny olona, satria mahatonga azy ireo hieritreritra herisetra sy fampahoriana mampihoron-koditra, na dia io teny io fotsiny aza. Maro anefa no mihevitra azy ireny ho zavatra efa lasa. Ny zavatra tonga ao an-tsain’izy ireo dia sambo fitondrana andevo fahiny, na sambo hazo midridroka, feno olona matahotra sy mifanizina ao anaty lakaly maloto be tsy misy toy izany.
Marina fa tsy mivezivezy eny an-dranomasina eny intsony ny sambo toy ireny, ary mandrara an’io endri-panandevozana io ny fifanekena iraisam-pirenena ankehitriny. Tsy foana velively anefa ny fanandevozana. Tombanan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Fanandevozana ho 200 tapitrisa ny olona mbola andevozina amin’ny endriny samihafa. Azo inoana fa miasa ao anatin’ny toe-piainana ratsy kokoa noho izay niaretan’ny andevo fahiny aza ireo olona ireo. “Maro kokoa noho ny hatramin’izay nisian’ny olombelona, ny olona andevozina ankehitriny”, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny mpandinika sasany.
Mahavaky fo ny tantaran’ireo andevo amin’ny andro ankehitriny ireo. Vao folo taona i Kanji,a ary miandry isan’andro ny ombin’ny tompony, izay masiaka sy mamono azy foana. “Raha tsara vintana aho dia mba mahita sombi-mofo maina, fa raha tsy izany dia tsy misakafo mandritra ny andro”, hoy izy. “Mbola tsy nandraisako vola mihitsy ny asa vitako, satria andevo sy fananan’izy ireo aho. . . . Miara-milalao amin’ny namany ny ankizy mitovy taona amiko. Aleoko maty toy izay hanana fiainana mahatsiravina toy izao.”
Ankizy toa an’i Kanji, na vehivavy, matetika ireo andevo amin’ny andro ankehitriny. Terena hiasa mafy izy ireo manao karipetra, manao lalana, mijinja fary, na asaina mivaro-tena mihitsy aza. Amidy 70 000 FMG eo ho eo monja izy ireo. Misy koa aza ankizy amidin’ny ray aman-dreniny ho andevo mba handoavany trosa be.
Manafintohina anao ve ny fitantarana toy izany? Tsy ianao irery no toy izany. Hoy i Kevin Bales, ao amin’ilay bokiny hoe Olona Fanary (anglisy): “Zavatra maharikoriko ny fanandevozana. Tsy vitan’ny hoe mangalatra asan’olona izy io, fa mangalatra fiainan’olona manontolo mihitsy.” Misy antony ve ahafahantsika mino fa hisy fiafarany ny fanandevozana, rehefa jerena ny habibiana ataon’ny olona amin’ny olona toa azy? Mahakasika anao io fanontaniana io, fa tsy araka ny mety hiheveranao azy.
Ho hitantsika fa miseho amin’ny endriny maro be ny fanandevozana, ary mahakasika ny olona rehetra ny sasany aminy. Ilaintsika rehetra àry ny mahafantatra raha hisy tena fahafahana ho an’ny olombelona. Andeha hodinihintsika fohy anefa aloha ny tantaran’ny fanandevozana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tena anarany.
[Sary, pejy 3]
Efa hatramin’ny ela no namidy ho andevo ireo vehivavy sy ankizy mahantra
[Sary nahazoan-dalana]
Sary etsy ambony: UN PHOTO 148000/Jean Pierre Laffont
U.S. National Archives photo