Hifarana ny Fanandevozana!
FAHAFAHANA! Vitsy ny teny manohina ny fo toa an’io. Niady sy nijaly, velona sy maty ho an’ny fahafahana ny olona, nefa mampalahelo fa mbola tsy tena tonga ihany ilay fahafahana niriny. Misy fanantenana fanafahana amin’ny fanandevozana ve, dia fanantenana tsy hiafara amin’ny fahakiviana sy fahadisoam-panantenana? Eny, misy.
Nahazo tsindrimandry hanoratra izao fampanantenan’Andriamanitra izao ny apostoly Paoly: “Izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romana 8:21) Ahoana no ahazoantsika antoka fa hanome izany ‘fahafahana be voninahitra’ izany tokoa Andriamanitra? Ilaintsika aloha ny mandinika ny fifampiraharahany tamin’ny olombelona hatramin’izay.
“Izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana”, hoy ny Baiboly. (2 Korintiana 3:17) Tena faran’izay matanjaka ny fanahin’Andriamanitra, na hery ampiasainy. Efa nampiasa azy io hatramin’ny ela izy mba hitondrana fahafahana tamin’ny fomba maro. Ahoana izany? Tokony hotadidintsika fa maro ny karazam-panandevozana. Efa noresahintsika ilay karazany ratsy indrindra, dia ny fanandevozan’ny matanjaka an’ireo osa, amin’ny fampiasana herisetra. Misy karazam-panandevozana hafa koa anefa.
Manandevo ny tenany amin-javatra isan-karazany ny olona, ary tena sarotra aminy ny miala amin’izy ireny. Misy ny andevozin’ny lainga sy fitaka, ka voafitaka sy voagejan’ny fampianaran-diso. Ilay karazam-panandevozana mahazo antsika rehetra no misoko mangina indrindra, na fantatsika izany na tsia. Mahafaty ny vokatr’izy io. Tsy maintsy antitranterina anefa fa tsy mampitovy mihitsy an’ireny endri-panandevozana ireny isika, na dia resahintsika miaraka aza ny maromaro aminy. Tena tsy mitovy izy ireny, nefa misy zava-dehibe iombonany. Hanaisotra ny fanandevozana rehetra mifehy ny olombelona ilay Andriamanitry ny fahafahana, amin’ny farany.
Manandevo ny fahazaran-dratsy
Mariho ny fomba ilazalazana ny fahazarana miloka, ao amin’ilay boky hoe Rehefa ho Tonga ny Vintan-dratsy (anglisy): “Aretina manan-kery lehibe tsy voafehy eo amin’ilay olona voany izy io, ka manosika azy hiloka. Tsy mety ho afaka ary mitombo ny heriny sy ny fanosehany . . . ka, farany, mihanaka sy mikiky ary matetika manapotika izay zava-tsarobidy rehetra eo amin’ny fiainan’ilay olona.” Tsy misy mahalala hoe firy ny olona andevozin’ny filokana. Enina tapitrisa eo ho eo izany any i Etazonia fotsiny, araka ny tombantombana.
Manimba toy izany koa, eny, mety hanimba kokoa aza, ny fiankinan-doha amin’ny toaka, ary maro kokoa ny olona andevoziny. Ny antsasaky ny lehilahy mihitsy no azo lazaina ho alkaolika, any amin’ny tany lehibe iray. Manazava toy izao an’io endri-panandevozana io i Ricardo, izay nanomboka ho alkaolika tamin’ny 20 taona lasa: “Vao mifoha ianao dia efa mitaky alkaola ny vatanao mba hampitony ny hozatrao, hanadinoanao ny zava-manahirana anao, na mba hanananao fatokisan-tena eo am-piatrehana ny fiainana. Tsy manaiky mihitsy ianao raha tsy misotro toaka, nefa ezahinao ny hampiaiky ny tenanao sy ny manodidina anao fa ara-dalàna ny fihetsikao.”
Tsy ny toaka ihany anefa no manandevo ny olona. An-tapitrisa maneran-tany ny olona midoroka zava-mahadomelina. Maherin’ny arivo tapitrisa koa ireo mifoka sigara sy mihinam-paraky, izay misy ny zava-mahadomelina manandevo indrindra. Maro no te hiala amin’ilay fahazaran-dratsy, nefa mahatsapa fa andevoziny. Vitan’i Jehovah ve ny manafaka ny olona amin’ireo fanandevozana mahery ireo?a
Jereo ny ohatr’i Ricardo. “Takatro, folo taona lasa izay, fa nifehy ny fiainako ny toaka”, hoy izy. “Nanimba tsikelikely ny fanambadiako sy ny asako ary ny fianakaviako izy io, ary fantatro fa tsy ho voalamiko mihitsy ny zava-manahirana ahy, raha tsy afaka tamin’izy io aho. Fantatro, rehefa nianatra ny Baiboly aho, fa mahantra ara-bakiteny sy ara-panahy ireo mpiboboka toaka. (Ohabolana 23:20, 21) Naniry ho tsara fihavanana tamin’Andriamanitra aho, ary nanampy ahy hiaiky tamim-pahatsorana ny fahalemeko ny vavaka fitalahoana nataoko. Nisy lehilahy nampianatra Baiboly ahy, ary lasa tena namako izy. Tsy kivy izy rehefa mamo indray aho, fa naharitra sy tapa-kevitra kosa izy nampiseho tamiko ny fitondran-tena nosoritan’Andriamanitra ho an’ny Kristianina marina.”
Tsapan’i Ricardo ankehitriny fa tsy andevozin’ny toaka toy ny taloha intsony izy. Miaiky izy fa mbola mamo tsindraindray ihany tamin’ny voalohany. Hoy anefa izy: “Nanampy ahy hifehy tena anefa ny faniriako hanompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana sy ny fanohanan’ny vadiko sy ny Kristianina hafa. Tsy andriko ny hahatongavan’ilay fotoana nampanantenain’Andriamanitra ny ‘tsy hisian’ny olona hilaza hoe: Marary aho’, ary ho anisan’ny zavatra efa lasa ny alkaolisma. Mandra-pahatongan’izany, dia hanohy ny ady ataoko isan’andro aho, ka hanolotra ny tenako “ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra.”—Isaia 33:24; Romana 12:1.
Olona an’arivo maneran-tany no nahatsapa mivantana ny fanampian’Andriamanitra azy rehefa niezaka niala tamin’ny fanandevozana isan-karazany izy. Ekena aloha fa izy ireo ihany no nahatonga ny tenany handevozin-javatra, satria angamba izy nanaiky ho resin’ny fanerena, na ny fakam-panahy samihafa. Hitan’izy ireo anefa fa Mpanafaka tena manam-paharetana i Jehovah. Vonona izy hanampy sy hanatanjaka an’izay rehetra tena maniry hanompo azy.
“Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”
Ahoana ny amin’ny fanandevozan’ny lainga sy fitaka? Manome toky antsika i Jesosy Kristy fa mety ho afaka amin’izany isika. Hoy izy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32) Maro tamin’ireo mpihaino azy no nandevozin’ny fitambarana didy sy fitsipika henjana napetraky ny Fariseo. Izao tokoa no tenin’i Jesosy momba ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny: “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.” (Matio 23:4) Nanafaka ny olona tamin’ny fanandevozana toy izany ny fampianaran’i Jesosy. Nalany sarona ireo lainga ara-pivavahana, ary nolazainy mihitsy ny loharanon’izy ireny. (Jaona 8:44) Nosoloany fahamarinana koa ireny lainga ireny, ary nambarany mazava ireo zavatra ara-drariny takin’Andriamanitra amin’ny olombelona.—Matio 11:28-30.
Olona an’arivo koa ankehitriny no mahita toa an’ireo mpianatr’i Jesosy fa manampy azy Andriamanitra mba hiala amin’ny fanandevozan’ny lainga ara-pivavahana sy lovantsofina. Afaka tamin-javatra maro izy ireo, rehefa nianatra ireo fahamarinana mamelombelona ao amin’ny Baiboly: tsy matahotra ny maty intsony, tsy mihorohoro noho ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe intsony, ary tsy voatery handoa ny vidin’ny fisasarana ho an’ny mpitondra fivavahana intsony. Milaza fa solontenan’i Kristy ireo mpitondra fivavahana, nefa i Kristy aza nilaza hoe: “Nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” (Matio 10:8) Misy fanafahana mbola lehibe kokoa efa antomotra izao.
Ilay fanandevozana ratsy indrindra
Mariho ny fomba nilazan’i Jesosy an’ilay endri-panandevozana ratsy, mahazo ny rehetra, na lehilahy, na vehivavy na ankizy. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota.” (Jaona 8:34) Iza no afaka milaza fa tsy manota? Niaiky toy izao, na dia ny apostoly Paoly aza: “Tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” (Romana 7:19) Tsy mampamoy fo ny toe-javatra misy antsika, na tsy misy afaka manafa-tena amin’ny ota aza.
Nanome toky ny mpianany toy izao i Jesosy: “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.” (Jaona 8:36) Ho afaka io endri-panandevozana manimba indrindra io, rehefa tanteraka io fampanantenana io. Tsy maintsy jerentsika aloha hoe ahoana no nanombohan’ny fanandevozana antsika, mba hahatakarana ny fomba hialana amin’izany.
Ambaran’ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra ho afaka manao izay tiany hatao ny olona, ary tsy nanana fironana hanota. Nisy zanaka ara-panahin’Andriamanitra tia tena anefa, naniry hanjaka tamin’ny olombelona, na dia hiteraka fahoriana be ho an’ny olombelona aza izany. Nataon’io anjely mpikomy io àry izay hampialana an’i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, tamin’Andriamanitra. Nantsoina hoe Satana Devoly io anjely io tatỳ aoriana. Nanjary mpanota i Adama rehefa ninia tsy nankatò ny toromarika mazava nomen’Andriamanitra, nefa tsy izay ihany fa namindra tsy fahalavorariana sy fahafatesana tamin’ny taranany rehetra koa izy. (Romana 5:12) Nanjary “andrianan’izao tontolo izao” i Satana, ary ‘nanjaka tao amin’ny fahafatesana ny ota.’—Jaona 12:31; Romana 5:21; Apokalypsy 12:9.
Ahoana no ahazoantsika fanafahana? Tokony ho tonga mpianatr’i Jesosy isika, ka ho afaka handray soa avy amin’ny sorona nataony. Io sorona io mantsy no manan-kery ‘handringana amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly’ ary ‘hanafaka izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.’ (Hebreo 2:14, 15) Alao sary an-tsaina ange izany hoe afaka amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana izany e! Tsy manintona ve ny mieritreritra ny fanafahana toy izany?
Ahoana kosa ny amin’ilay karazam-panandevozana noresahina terỳ am-piandohana? Hisy fiafarany koa ve ny fanandevozana olona?
Fanantenana marim-pototra
Afaka matoky tokoa isika fa hofoanana io endri-panandevozana maharikoriko io. Nahoana? Eritrereto izao: Tompon’andraikitra nivantana tamin’ilay fanafahana lehibe indrindra teo amin’ny tantara i Jehovah Andriamanitra. Mety ho fantatrao tsara io tantara io.
Andevo tany Ejipta ny firenen’ny Isiraely, ka nampanaovina asa mafy nitaky herim-batana, ary nentina tamin-kalozana. Nitaraina mafy tamin’Andriamanitra izy ireo. Nihaino azy ireo izy ary nanao zavatra noho ny famindram-pony lehibe. Nampiasa an’i Mosesy sy Arona ho mpitondra teniny i Jehovah, ka nitaky ny hanafahan’i Farao ny Isiraelita. Nanda imbetsaka io mpanjaka niavonavona io, na dia efa nasiany loza nandrava nifanesy aza ny taniny. Resy i Farao tamin’ny farany, ka afaka ihany ny Isiraelita!—Eksodosy 12:29-32.
Tsy tantara mampientam-po ve izany? Mety hanontany tena anefa ianao hoe nahoana Andriamanitra no tsy nanao zavatra mitovy amin’izany, amin’izao androntsika izao. Nahoana izy no mbola tsy misalovana amin’ny raharahan’ny olombelona, ka mamarana ny fanandevozana? Tadidio fa tsy i Jehovah no “andrianan’izao tontolo izao” fa i Satana. Navelan’i Jehovah hanjaka mandritra ny fotoana voafetra io Fahavalo ratsy fanahy io, noho ireo zava-tsarotra nipoitra tany Edena. Mampiavaka ny fitondran’i Satana ny fanandevozana sy fampahoriana ary habibiana. Porofoin’ny tantara fa tsy mahomby mihitsy ny fitondran’olombelona, ho vokatr’izany. Toy izao no amintinan’ny Baiboly izany: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.”—Mpitoriteny 8:9.
Haharitra hafiriana anefa izany? Hazavain’ny Baiboly fa miaina amin’ny andro farany isika, ary betsaka ny olona tia tena sy tia vola. (2 Timoty 3:1, 2) Tsy ho ela àry dia hanorina fitambaran’olona marina izay handrara ny fanandevozana, ilay Fanjakan’Andriamanitra nasain’i Jesosy angatahina amin’ny vavaka. (Matio 6:9, 10) Hanao zavatra i Jesosy Kristy, Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, ka hanaisotra ny soritra rehetra navelan’ny fanandevozana, mandra-pahafoanan’ilay fahavalo farany, dia ny fahafatesana.—1 Korintiana 15:25, 26.
Rehefa tonga izany andro izany, dia ho hitan’ny olombelona mahatoky fa taratra kelin’io fanafahana lehibe lavitra io, ilay fanafahana ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozan’i Ejipta. “Izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana”, aoriana kely ao. Ho afaka hifaly tanteraka amin’ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” ny rehetra, rehefa ela ny ela.—Romana 8:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Zatra nihinana sy nisotro tafahoatra ny Romanina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nisy fanasana. Nahazo fampitandremana àry ny Kristianina mba tsy hamela ny sakafo, na zavatra hafa karazan’izany hanandevo azy.—Romana 6:16; 1 Korintiana 6:12, 13; Titosy 2:3.
[Sary, pejy 7]
Olona sahabo ho enina tapitrisa no andevozin’ny filokana, any Etazonia fotsiny
[Sary, pejy 7]
An-jato tapitrisa no andevozin’ny zava-mahadomelina, toaka sy sigara ary paraky
[Sary, pejy 8, 9]
An’arivo ny olona, toa an’i Ricardo, nampian’Andriamanitra ka afaka tamin’ny zavatra manandevo
[Sary, pejy 10]
Nafahan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozana ny Isiraelita fahiny, ary tsy ho ela koa dia hahazo fanafahana lehibe lavitra ny mpivavaka aminy