Fikarohana Ireo Harenan’i Oaxaca
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA
MILAZA ny Fikambanana Meksikanina Mikaroka Momba ny Olombelona sy ny Tantara, fa 4 000 be izao ny toerana azo anaovana fikarohana hita nanerana ny fanjakan’i Oaxaca, any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Meksika. Tany amin’ireny toerana ireny no nahitan’ny arkeology sisan-javatra sarobidy tany ambanin’ny tany, ary maro amin’ireny no aseho ao amin’ny Tranombakoka Momba ny Kolontsain’i Oaxaca. Andao hiaraka aminay hitsidika an’io tranombakoka tsara tarehy io.
Tranon-drelijiozy taloha any Santo Domingo de Guzmán, no misy an’ilay tranombakoka.a Ao an-tanànan’i Oaxaca, tokony ho 430 kilaometatra any atsimoatsinanan’i Mexico, izany. Misy efitra fampirantiana 14 ao amin’io tranombakoka io ary ampisehoana firavaka, sary sokitra, seramika sy zavakanto sarobidy hafa koa.
Misy lohana tsipìka maromaro aseho ao amin’ny efitra fampirantiana voalohany. Ireo angamba no zavatra sisa tavela manamarina fa nisy ireo mpihaza mpifindrafindra monina, nitety an’i Oaxaca an’arivo taona lasa izay. Nankao amin’ny efitra faharoa izahay, hamantatra momba an’i Monte Albán. Tanàna teny an-tampon-kavoana tao amin’ny lohasaha afovoan’i Oaxaca izy io. Izy io no nantsoina hoe “ny tanàna voalohany lehibe indrindra tamin’ireo tanin’i Amerika.” Toa hoe nampiadana be ny fiainana tao Monte Albán, teo anelanelan’ny taona 300 sy ny taona 900. Mety ho efa tamin’ny taonjato fahavalo talohan’i Kristy anefa izy io no naorina.
Avy tamin’ireo sisan-javatra avy tao Monte Albán, no nahitana fa nahafantatra zavatra betsaka momba ny astronomia sy ny fanefena volamena ary ny endri-tsoratra ejipsianina fahiny ny mponina tany. Mbola any hatramin’izao ireo harenany hitan’ny arkeology. Hita miavaka tsara amin’ireo lohasaha manodidina, ohatra, ireo piramida maro be. Mbola hita any koa ireo kianja malalaka be, ireo lalana ambanin’ny tany, ny kianja fanaovana ollama (karazana lalao baolina), ary fasana 170 eo ho eo, any ambanin’ny tany.
Nahita ilay antsoina hoe Fasana faha-7 ny Dr. Alfonso Caso, arkeology, tamin’ny 9 Janoary 1932. Fasana zapotèque izy io, ary taolambalon’ny andriana iray sy ny harem-beny no tao anatiny. Nisy firavaka hita koa tao amin’io fasana io, ka nisy vita tamin’ny volamena sy volafotsy ary varahina voatefy tsara. Tao koa ny vita tamin’ny vatosoa toy ny jady, ny vatosoa manga, koartsa mangirana, perla, ary ny vato harana. Aseho ao amin’ilay Tranombakoka ny ankamaroan’ireny firavaka ireny, miaraka amin’ireo zavatra hafa vita amin’ny volamena mahatratra efa ho efatra kilao.
Nisy asa tanana tsara tarehy vita tamin’ny tanimanga sy sary sokitra vita tamin’ny taolana, tao amin’io Fasana faha-7 io. Tena niavaka tamin’izany ny tavoara tsara tarehy, miloko isan-karazany voaravaka sary. Nifarana ny fanaovana sora-mivohitra tamin’ny tsangambato rehefa rava i Monte Albán, ary nasolo azy ny soratra mixtèque, indrindra fa ireo sora-tanana amin’ny taratasy natambatra ho boky.
Tsy nisy mponina intsony tao amin’ireo tanàna lehibe tao Méso-Amérique, nanomboka tamin’ny taona 900. Ny mpiady sy ny miaramila no nanjaka tamin’izy ireny nandritra ireo 600 taona nanaraka. Tamin’ireo olona nipetraka tany Oaxaca nandritra izany fotoana izany, dia ny Mixtèques angamba no namela lova betsaka indrindra. Milaza Ny Rakipahalalana Amerikanina hoe: “Mpanao asa tanana sy mpanan-talenta havanana ny Mixtèques, ary tena niavaka izy ireo tamin’ny fanaovana firavaka sy boky tsara tarehy feno sary.”
Tsy maintsy mbola hiverina any amin’ny Tranombakoka Momba ny Kolontsain’i Oaxaca izahay, hijery indray momba ny nataon’i Meksika mba hahazoana fahaleovan-tena tamin’i Espaina. Mandra-piandry an’izany, dia tongava mihitsy aloha ianao hijery ny harenan’ilay Meksika fahiny. Ho faly ianao hahita an’izany atỳ!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nantsoina hoe Tranombakoky ny Faritra izy io taloha.
[Sary, pejy 24, 25]
Nampiadana be ny fiainana tao Monte Albán, teo anelanelan’ny taona 300 sy ny taona 900
Etsy ambany: Tao amin’ny Fasana faha-7: saron-tratra sy zavatra hafa koa ary tavoara, tamin’ny fotoana nitovy ihany
[Sary nahazoan-dalana]
Ny sary rehetra: Reproducción Autorizada por el Instituto Nacional de Antropología e Historia CONACULTA-INAH-MEX