Nahoana ny Olona no Tia Lalao Mahafaty?
EFA tsindrian-daona erỳ ireo vahoaka 50 000 teo amin’ny kianja filalaovana tany Roma fahiny. Dodona izy ireo satria efa naely hatraiza hatraiza fa ho “fampisehoana tsy hanam-paharoa io hitranga io.”
Nahasarika olona maro ny mazia sy ny fampisehoana tantara narahin-kira sy dihy ary ny hatsikana. Hafa tanteraka anefa ny zava-nitranga tao amin’ilay kianja. Tsy tsapan’ny mpijery intsony ny hamafin’ny sezany ary hadinony mbamin’ny fanahiana nandritra ny andro, raha vao nahita ireo fampisehoana nampangitakitaka izy ireo.
Niditra an-tsehatra àry ny mpihira, narahin’ireo pretra nanao akanjo nirebareba. Avy eo dia niditra ny mpitondra emboka manitra, nitondra sary vongan’ireo andriamanitra sy andriamani-bavy. Ningain’izy ireo ambony izany mba ho hitan’ny rehetra. Toy ny hoe eken’ireo andriamanitra ilay fampisehoana amin’izay.
Famonoana biby
Efa hanomboka izao ireo fialam-boly miavaka. Ny aotirisy sy zirafy no nalefa voalohany teo amin’ny kianja, ary tsy nasiana hirika handosirany. Vitsy tamin’ny mpijery no efa nahita azy ireo. Mpandefa zana-tsipìka kinga maro no namono ireo biby tsy naharo tena ireo, mandra-pahafatin’izy rehetra. Faly erỳ ireo mpijery tia zavatra mampangitakitaka.
Ady aman’aina ifanaovan’ny elefanta goavana roa indray avy eo no naseho ireo vahoaka nihorakoraka. Notovanana vy lava sady maranitra ny nifin’ireo elefanta ireo. Nirefodrefotra ny tehaka rehefa lavo teo amin’ny fasika feno ra ny iray tamin’ireo biby matanjaka be, satria naratra mafy ka maty. Santatra am-bava rano fotsiny anefa iny fa mbola ho avy, afaka minitra vitsy, ny tena fampisehoana.
Ilay tena fampisehoana
Nitsangana avokoa ireo vahoaka tia zavatra mampangitakitaka rehefa niditra teo amin’ny kianja ireo gladiatera, narahina fihetsiketsehana be. Nitondra sabatra sy ampinga ary fiarovan-doha na antsy ny gladiatera sasany, fa ny hafa kosa tsy nitondra afa-tsy fiadiana kely sady zara raha nitafy. Matetika no niady teo izy ireo mandra-pahafatin’ny iray, na izy roa, ary dia nihoraka ny mpijery. Asehon’ny fitantarana fa nisy fampisehoana iray naharitra zato andro, ary biby 5 000 no novonoina nandritra izany fotoana rehetra izany. Gladiatera 10 000 no maty tamin’ny fampisehoana iray hafa. Mbola tsy afa-po foana anefa ireo mpijery.
Nisy foana ny olona nandray anjara tamin’ilay lalao, satria nalefa hovonoina tao amin’ilay kianja ny jiolahy sy ireo babo an’ady. Hoy anefa ny boky iray: “Izy ireo dia tsy tokony hafangaro amin’ireo gladiatera za-draharaha izay nampiasa fiadiana sy nandray vola be, ary tsy voaheloka ho faty.” Nianatra niady tany amin’ny sekoly manokana ny gladiatera sasany. Taitaitra sy nientanentana erỳ izy ireo, ka nifantoka tanteraka tamin’ilay lalao mampangitakitaka sy mahafaty. Ny hiady foana no masaka tao an-tsain’izy ireo. Lazain’ny boky iray fa “tena nahomby ny gladiatera raha nahavita ady dimampolo vao nisotro ronono.”
Tolon’omby
Niditra tamin’ny taonarivo vaovao isika olombelona. Hita anefa fa tsy nihalefy mihitsy ny fitiavan’ny maro ireny fanatanjahan-tena mampidi-doza ireny, ary indrindra indrindra ireo mety hahafaty. Be mpitia hatramin’ny ela, ohatra, ny tolon’omby, any Amerika Atsimo sy Meksika. Misarika olona maro koa izy io ankehitriny any Amerika Latinina sy Portogaly ary Espaina.
Voalaza fa misy kianja 200 fanaovana tolon’omby any Meksika, ary misy 400 mahery any Espaina. Misy toerana 50 000 ny kianja iray any Meksika. Feno hipoka ny ankamaroan’ireny kianja ireny, rehefa tonga ny olona hijery ireo lehilahy mitsapa ny heriny ka mitolona omby masiaka. Sosotra sady maneso ilay mpitolona omby ny vahoaka, raha vao hitany fa kanosa izy.
Misy vehivavy mpitolona omby koa ankehitriny, ary mandray vola an-tapitrisa dolara izy rehefa mahafaty. Rehefa nadinadinina tao amin’ny televiziona ny iray tamin’izy ireo dia nilaza fa adalan-javatra mampangitakitaka izy, ka tsy misy mahafa-po azy afa-tsy ny mandeha mitolona omby eny amin’ny kianja, na dia mety hototoiny ho faty aza.
Hazakazak’ombalahy
“Manao laharana efatra ny olona eo amin’ny lalana Calle Estafeta, manoloana ny hotely Sixto any Pamplona, ary mitabataba be”, araka ny fitantarana iray. “Miteny amin’ny fiteny maro samy hafa izy ireo, toy ny basque, castillan, catalan ary anglisy.” Tonga aloha be ny vahoaka mba hijery ilay fampisehoana. Atao ao anaty vala tsy lavitra ny kianja fanaovana tolon’omby ireo omby hiady.
Vohana midanadana ny vala ny marainan’ny andro hiadiana, ary omby enina no avoaka. Tsy avoaka kosa ny iray fa hiady ny alin’iny. Misy trano eny amoron-dalana, ary efa nofefena ireo lalan-kely, mba hizoran’ny omby tsara mankany amin’ny kianja. Roa minitra izy ireo dia tonga, raha mandeha tsara ny zava-drehetra.
Taona maro lasa izay dia nisangy loza ny olona, ka nanandrana nampiseho fa nahery nihazakazaka noho ny omby. Mbola misy manandrana an’izany foana isan-taona. Nanjary nankafy azy io ny olona avy amin’ny firenena maro rehefa nandeha ny fotoana. Maro no nataon’ny omby naratra mafy, ary ny sasany nototoiny ka maty. Hoy ny mpihazakazaka iray: “Diso hevitra ianao raha mieritreritra fa haharesy azy ireo.” Milaza ny Vokovoko Mena Espaniola fa tao anatin’ny 20 taona, dia “iray isan’andro no nototoin’ny omby.” Misy olon-kafa 20 ka hatramin’ny 25 isan’andro no notsaboina satria naratra.
Nahoana no tia lalao mahafaty izy ireo? Hoy ny mpihazakazaka iray: “Mientanentana erỳ ianao mandritra ny segondra vitsivitsy eo akaikin’ilay omby, miara-mihazakazaka aminy, mandre ny fofony sy ny fikatrokatroky ny kitrony, ary mijery ny tandrony miaka-midina eo anilanao eo. Izany no tena mahatonga ny olona hanao ilay hazakazaka.” Mihorakoraka ny mpijery mampirisika ireo mpihazakazaka. Ho diso fanantenana ve ny sasany raha tsy mahita olona voatoto ka maty, na mpihazakazaka asavoanan’ilay omby masiaka efa ho 700 kilao? Te hahita fandatsahan-dra toy ny vahoaka tao amin’ny kianja filalaovana tany Roma koa ve ny sasany amin’izy ireo?
Misangy fahafatesana
Misy koa olona tena tia misangy fahafatesana amin’ny fomba hafa. Ao ireo mpitaingina môtô tsy matahotra ny ho faty na haratra mafy, ka mitsambikina ary mandingana fiara 50 mifanakaiky, na bisy goavana maromaro, na hantsana midadasika. Nilaza ny iray tamin’izy ireny fa efa nisy 37 ny taolany tapaka, ary efa tsy nahatsiaro tena nandritra ny iray volana izy. Hoy izy: ‘Efa mahazatra ahy izany hoe tapa-taolana na tanana izany. Efa indroa ambin’ny folo nodidiana aho, ka nasiana vy na visy, mba hanitsiana ny taolako. Dimy amby telopolo na efapolo eo ho eo angamba ny visy natao tamiko mba hanakambanana ny taolako. Miditra sy mivoaka ny hopitaly foana aho.’ Tsy sahy nitsambikina teo ambonin’ireo fiara izy indray mandeha, satria naratra tamin’ny fanazaran-tena. Nihorakoraka àry ny mpijery fa diso fanantenana.
Maro amin’ny olona tia zavatra mampangitakitaka no manao fanatanjahan-tena mety hampidi-doza na hahafaty. Miakatra amin’ny sisin’ny tranobe manaka-danitra, ohatra, izy ireo nefa tsy mitondra aro loza akory. Ao koa ny mikorisa avy eny amin’ny tendrombohitra 6 000 metatra feno ranomandry. Ny sasany manao ilay lalao antsoina hoe bungee jumping: Mifatotra amin’ny lasitika izy ireo ary mitsambikina avy eny amin’ny trano na tetezana avo be, ka ilay lasitika mihenjana no mampijanona azy. Misy koa olona roa mitsambikina avy eny amin’ny fiaramanidina amin’ny elon’aina iray monja, nefa mifampibaby sady mifamatotra. Ny hafa mianika hantsam-bato mitsatoka be sady feno ranomandry, nefa lapika kely roa monja no mba fitaovany. Nitaraina ny olona iray mpianika hantsam-bato hoe: “Roa na efatra eo angamba ny namako maty isan-taona.” Maro ny fanatanjahan-tena mahafaty no nanjary be mpitia, fa ny sasantsasany fotsiny ireo. “Ilay izy mety hampidi-doza no tena mahasarika ny olona”, hoy ny mpanoratra iray.
“Mihabe mpankafy na dia ireo fanatanjahan-tena faran’izay mampidi-doza aza”, araka ny gazetiboky Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy). “Misy olona sasany, ohatra, mandeha fiaramanidina, ary rehefa tonga eny ambony eny, dia mitsambikina. Mivadibadika sy mihodinkodina eny ambony eny anefa izy aloha, vao midina avy eny amin’ny 4 000 metatra, ary farany mamelatra elon’aina. Mbola tsy nisy nanao izany tamin’ny taona 1990, nefa an’arivo no mankafy izany ankehitriny. Misarika olona an-jato koa ilay fanatanjahan-tena antsoina hoe BASE jumping. Ny mpanao azy io dia mitsambikina amin’ny elon’aina avy amin’ny toerana avo, toy ny tranobe na tetezana. Maro amin’izy ireo anefa no tsy niofana akory sady izay indray amin’ny alina no anaovany azy.” Efa maro no matin’izy io. “Tsy dia misy maratra firy amin’io fanatanjahan-tena io, fa na maty ianao, na velona”, hoy ny mpitsambikina za-draharaha iray.
Mahasarika olona an’arivo koa ny fianihana tendrombohitra mitsatoka be, nefa tsy mampiasa afa-tsy ny tongotra sy ny tanana rehefa mamikitra. Na ny televiziona sy gazety aza dia mampiasa ny sarin’izy ireo, rehefa manao dokam-barotra momba ny kamiao ka hatramin’ny fanafody aretina andoha. Misy, ohatra, mampiseho olona misangy loza, mianika tendrombohitra mideza be, ary mikirozaroza eny ambony be eny, nefa tady manify kely no mba mihazona azy. Voalaza fa olona 50 000 eo ho eo no sahy nanao io fanatanjahan-tena io tany Etazonia, tamin’ny 1989. Nahasarika olona dimy hetsy teo ho eo izy io tato ho ato noho izy io mety hahafaty. Mitombo ihany io isa io maneran-tany.
“Mitombo ny isan’ny ankizilahy sy ankizivavy maty na lasa kilemaina, noho ny lalao vaovao hafahafa sady mampidi-doza”, hoy ny gazetiboky Fianakaviana (anglisy). Mivoaka avy amin’ny varavarankelin’ny fiara mandeha mafy izy ireo, ohatra, ary mijoro eo amin’ny tafo, nefa ilay fiara mandeha mafy ihany. Misy koa mijoro eo amin’ny tafon’ny lamasinina mirimorimo. Tanora maro no matin’izany.
Manjary be mpianika koa ankehitriny ny Tendrombohitra Everest mijoalajoala. Vonona handoa vola hatramin’ny 65 000 dolara (420 tapitrisa FMG mahery) ireo mpianika na dia mbola tsy niofana tsara aza, mba hotarihina miakatra hatrany an-tampon’ilay tendrombohitra sy midina avy eny. Mpianika 700 mahery no tonga teny amin’ny fara tampony nanomboka tamin’ny taona 1953. Maro no tsy afa-nidina intsony, ary mbola any ny faty sasany. Hoy ny mpanao gazety iray: “Mifaninana izao ireo mpianika mba ho ny tanora indrindra, na ny be taona indrindra, na ny haingana indrindra tonga teny amin’ny tampon’ny Everest.” Hoy ny iray hafa: “Tsy mitovy amin’ny fanatanjahan-tena hafa ny mianika tendrombohitra, satria tsy maintsy olona vonona ny ho faty no manao azy.” Tsy maintsy misangy loza ve ny olona iray mba hanaporofoana fa mahery fo izy? Nampitandrina toy izao ny mpianika iray za-draharaha: “Tsy midika hoe manao zavatra adaladala ny hoe mahery fo.” Anisan’izany “zavatra adaladala” izany, hoy izy ny “misetra loza ka mandeha mianika ny Tendrombohitra Everest, nefa tsy za-draharaha akory.”
Dia toy izany ihany ny zava-mitranga. Tsy voafetra ny fanirian’ireo te hamorona lalao vaovao. Tsy voafetra toy izany koa ny isa sy karazana lalao mahafaty lasa be mpitia maneran-tany. Milaza ny psikology iray fa ireo fanatanjahan-tena mampidi-doza sy mahafaty ny mpanao azy no “mety ho lasa ny fanatanjahan-tena be mpijery sy be mpanao indrindra amin’ny taonjato faha-21.”
Nahoana izy ireo no manao azy io?
Maro ny mpanao fanatanjahan-tena mampidi-doza no milaza fa nataony hanalana sorisory izy io. Misy koa ny miala amin’ny asany, satria sorena fa mitovy foana izy io, ka fanatanjahan-tena mampidi-doza indray no ataony asa. “Nanomboka nanao bungee jumping aho satria nitady zavatra mampangitakitaka mba hanadinoako ny olana mahazo ahy”, hoy ny iray tamin’izy ireo. “Rehefa nitsambikina aho, dia mba ohatran’ireny olona tsy manana olana ireny.” Efa nitsambikina in-456 izy, araka ny nolazain’ny boky iray ary efa nitsambikina avy teny amin’ny toerana avo be mahatratra 1 100 metatra mihitsy aza.
Hoy ny mpanao fanatanjahan-tena mampidi-doza iray: “Ohatran’ny hoe tsy mandeha ny fotoana. Tsy miraharaha ny zava-mitranga manodidina anao ianao.” Hoy indray ny hafa: ‘Tsy hety hanao ny zavatra ataonay ho fahafinaretana sy hahazoan’ny maro vola ny olona maro, na dia ambanana basy aza.’ Hoy ny gazetiboky Herinandrom-baovao (anglisy): “Tena tapa-kevitra ny hanao zavatra mampangitakitaka izy rehetra.”
Nanao fikarohana be momba ny fitiavana zavatra mampangitakitaka ny psikology sasany. Nilaza ny iray tamin’izy ireo fa efa toetran’ilay olona hatramin’izay izany. ‘Mahafinaritra azy ny zavatra mety hampidi-doza sy mampientanentana ary manaitaitra.’ Hoy izy: “Mitady fiarovana ny olona sasany eo amin’ny fiainana, ka anisan’ireny ny fitsipika sy ny fomba mahazatra. Tsy miraharaha an’izany fiarovana izany kosa ny olona tia zavatra mampangitakitaka. Izay tiany hatao ihany no ataony eo amin’ny fiainana.” Nasehon’ny fanadihadiana, hoy izy, fa avo roa heny noho ny an’ny hafa ny lozam-pifamoivoizana mahazo ireny karazan’olona ireny. “Ny loza no antony voalohany indrindra mahafaty ny zatovo. Matetika mantsy izy ireo no manao zavatra mampidi-doza noho ny fitiavany zavatra mampangitakitaka.”
Milaza ny manam-pahaizana fa efa misy tsy mety ao amin’ny olona iray matoa izy mitady hanao fanatanjahan-tena mety hahafaty azy. Maro no maratra mafy saika maty, ary tsy sitrana raha tsy notsaboina ela tany amin’ny hopitaly. Mbola manohy manao ilay fanatanjahan-tena mety hahafaty ihany anefa izy. Midika izany fa efa tsy mahay misaina tsara intsony izy ireo. Olona tena manam-pahaizana anefa izy ireny matetika.
Tsy azon’ny manam-pahaizana antoka ny antony mahatonga ireny olona tia zavatra mampangitakitaka ireny hanao sorona ny ainy sy ny rantsambatany. Heveriny hoe any an-tsain’izy ireo any angamba ny valiny. “Tsy ho afaka hanajanona io fitiavana zavatra mampangitakitaka io ianao”, hoy izy ireo, “fa manandrana manakana azy ireo tsy hanao izay hamoizany ny ainy fotsiny. Raha tsy izany dia azonao atao, fara faharatsiny, ny miaro ny hafa tsy hotandindomin-doza.”
Ny fiheveran’ny Kristianina
Mihevitra ny aina ho fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny Kristianina. Tsy manaja an’io fanomezana sarobidy avy tamin’Andriamanitra io izay minia manao zavatra mety hamoizany ny ainy, mba hanaporofoana fotsiny hoe be herim-po izy, na hampifaliana ny olona, na ho fahafinaretan’ny tenany manokana. Tena nanaja ny ainy i Jesosy ary tsy nanao izay hamoizany azy io tsy amin’antony. Tsy nety naka fanahy an’Andriamanitra izy.—Matio 4:5-7.
Tsy maintsy manaja ny ainy koa ny Kristianina. “Efa nianika hantsam-bato mitsatoka be aho indray mandeha, ary tsy afa-nandroso sady tsy afa-niverina”, hoy ny Kristianina iray. “Mbola mampihorohoro ahy foana ny mieritreritra fa saika maty aho tamin’izay. Saika matimaty foana aho!”
Hoy ny tanora kristianina iray: ‘Ataon’ny ankizy any aminay ny ankamaroan’ireny fanatanjahan-tena mampangitakitaka ireny. Miezaka mitaona ahy foana izy ireo. Hitako amin’ny vaovao anefa fa betsaka ny olona maty na maratra mafy, noho ireny fanatanjahan-tena lazain’ny ankizy hoe mahafinaritra ireny. Tsapako fa tsy fahendrena ny manao zavatra mampangitakitaka vetivety fotsiny, nefa mety hamoizako ny aiko, izay nomen’i Jehovah Andriamanitra ahy.’ Enga anie ianao ka hahay hitsara zavatra toa azy.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
© Reuters NewMedia Inc./CORBIS
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Steve Vidler/SuperStock