Tendrombohitra Novana ho Tsangambaton’i Soavaly Dia
TOVOLAHY poloney mizaka ny zom-pirenena amerikanina i Korczak Ziolkowski. Nianatra sokitra samirery izy ary tena nahay. Tapa-kevitra izy fa hanova tendrombohitra ho sarin’ilay mpiady indianina nohajaina atao hoe Soavaly Dia. Ny tenany ihany no naminavina ny mety ho endrik’izy io. Fa inona no nanosika azy hanao izany? Tsy fanapahan-kevitra maimaika akory ny azy, satria nieritreritra nandritra ny fito taona izy vao tena vonona.
Nahazo taratasy avy tany amin’i Henry antsoina hoe Orsa Mitsangana, i Korczak tamin’ny 1939. Lahiantitra filohan’ny foko indianina lakota i Henry, ary nipetraka tany amin’ny toerana natokana ho an’ny Indianina any Pine Ridge, Dakota Atsimo izy. Nasain’i Henry hanao tsangambaton’ny iray amin’ireo filoha indianina nalaza i Korczak, ka any amin’ny Black Hills, Dakota Atsimo no hanaovana izany. Faritra masina ho an’ny foko indianina lakota io toerana io. Nahavita tsangambato teo amin’ny Tendrombohitra Rushmore, eo afovoan’ny Black Hills, anefa ilay mpanao sokitra antsoina hoe Gutzon Borglum. Tsangambaton’ny filoha amerikanina efatra no nataony, ka tsy faly ny Indianina. Izao no nosoratan’ny Filoha Henry tamin’i Korczak: “Tianay filoha indianina ho fantatry ny fotsy hoditra fa manana mahery fo koa ny mena hoditra.”
Nahoana i Soavaly Dia no nofidina?
Nahoana ry zareo no nifidy an’i Soavaly Dia?a Manazava toy izao i Robb DeWall: ‘Ny Indianina no nifidy hoe ny tsangambaton’i Soavaly Dia no hatao. Indianina filamatra mantsy izy satria mpiady tena nahery fo sady nanana tetik’ady. Izy no Indianina voalohany voalaza fa nampiasa fandrika. Tsy nety nanao fifanekena mihitsy izy sady tsy nety nipetraka tany amin’ny toerana natokana ho an’ny Indianina.’
Ahoana no nahitan’i Korczak hevitra ny amin’ny hanaovana ilay sary? Reny fa nisy mpivarotra fotsy hoditra naneso an’i Soavaly Dia satria tsy nety nipetraka tany amin’ny toerana natokana ho an’ny Indianina izy, na dia efa lasa tany aza ny ankamaroan’ireo Lakotas. “Aiza izao izay taninao?”, hoy ilay mpivarotra taminy. Nitaingina ny soavaliny ilay mpiady indianina tamin’izay. ‘Nojereny ny faravodilanitra teo alohany sady notondroiny, ka nirehareha izy namaly hoe: “Any amin’izay ilevenan’ny razako ny taniko.” ’
Aiza no hatao ilay tsangambato?
Ny fifidianana izay tendrombohitra azo ovana ho tsangambato aloha no natao voalohany. Kasaina hatao tsangambato goavana indrindra eran-tany izy io, ary hatao lehibe noho ireo tsangambato eo amin’ny Tendrombohitra Rushmore mihitsy aza. Nahita tendrombohitra nety tsara ihany i Korczak sy ny Filoha Henry tamin’ny 1947. Mahatratra 2 050 metatra ambonin’ny ranomasina ilay tendrombohitra, ka ny tampony, mirefy 200 metatra, no hanaovana ilay tsangambato. Nantsoin’i Korczak hoe Tendrombohitra Rahona ilay izy satria misy rahona hafakely indraindray miforona eo amboniny. Hahazo lalana hanova azy io ho tsangambato lehibe mampiseho Indianina ve ry zareo?
Manazava i DeWall ao amin’ilay boky Korczak—Mpitantara Amin’ny Alalan’ny Tsangambato (anglisy) hoe: “Azon’ny rehetra atao ny mangataka amin’ny fanjakana mba hahazo toeram-pitrandrahana any amin’ny Black Hills. ‘Mahazo’ ilay tany angatahiny ilay olona raha mahaloa hetra 100 dolara isan-taona. Gaga i Korczak satria tsy raharahain’ny fanjakana na lasa sarina Indianina mitaingin-tsoavaly aza ilay tendrombohitra, fa tokony hahaloa io hetra io fotsiny ny tenany isan-taona.”
Toy inona ny vato hesorina?
Kely ny volan’i Korczak, nefa asa goavana no niandry azy sady niasa irery izy tamin’ny voalohany. Vato folo taonina monja no niala tamin’ilay tendrombohitra rehefa napoaka voalohany tamin’ny dinamita izy io ny 3 Jona 1948. Nanomboka tamin’izay ka hatramin’ny 1994, dia vato 8 400 000 taonina eo ho eo no niala. Indianina an-jato no nanatrika ilay fanapoahana voalohany, ka tonga teo koa ny dimy tamin’ireo sivy mbola velona, izay nandray anjara tamin’ilay ady nalaza antsoina hoe Adin’i Little Bighorn (25 Jona 1876).b
Lehilahy be fikirizana sy be fandavan-tena i Korczak. Nanangona hazo teo an-toerana izy mba hanamboarany tohatra misy zanatohatra 741 hiakarany eny an-tampon’ilay tendrombohitra. Hanapoaka io tendrombohitra io mantsy izy mba hanaovany ny lohan’ilay soavaly. Nila angovo anefa izy mba hampandeha ny fitaovana fandavahana vato nampiasainy. Avy amin’ny fitaovana efa tranainy mandeha amin’ny lasantsy io angovo io. Tsy maintsy nampiakatra fantsona mirefy 620 metatra, nanana habe 8 santimetatra ho eny an-tampon’ilay tendrombohitra i Korczak mba hahatongavan’ilay angovo hatreny. Isaky ny maty tampoka ny maoteran’ilay fitaovana namokatra angovo, dia voatery nidina tamin’ireo zanatohatra 741 izy, mba hamelona azy. Efa nahavita niakatra sy nidina tamin’ilay tohatra intsivy izy tao anatin’ny iray andro! Tsy nanam-bola hanakaramana olona hijerijery ilay fitaovana mantsy i Korczak. Hita mihitsy fa tena nanam-paharetana sy tena tapa-kevitra izy.
Nataony hoso-doko teo amin’ny sisin’ilay tendrombohitra ny modelin’ilay tsangambato tamin’ny 1951, ka loko fotsy 660 litatra no nampiasainy tamin’izany. Nanjary mora kokoa tamin’ny mpitsidika ilay toerana ny naka sary an-tsaina ny ho endrik’ilay tsangambato rehefa vita.
Loza sy fotoan-tsarotra
Niezaka nanala vato betsaka araka izay azony natao i Korczak nanomboka tamin’ny 1970 ka hatramin’ny fiandohan’ireo taona 1980, mba hanamboarana ny lohan’ilay soavaly. Efa indroa nihetsika ny aretim-pon’i Korczak (1968 sy 1970). Nodidiana ny fony tany antenatenan’ny 1982, ary vita soa aman-tsara izany. Loza anefa fa ny volana Oktobra tamin’io taona io ihany, dia maty tampoka i Korczak rehefa 74 taona. Hanao ahoana ilay tetik’asa lehibe? Hitsahatra ve ilay izy satria maty ilay mpanao sokitra?
Tsy nieritreritra ny hahavita io asa io samirery mihitsy i Korczak. Fantany fa hihoatra noho ny androm-piainan’ny olona iray ny fotoana ilaina mba hamitana ilay tetik’asa, ka nanao planina mazava tsara izy. Tena naniry ny hahavitan’io tsangambato io toa azy koa i Ruth vadiny sy ny zanany folo. Niara-niasa tamin’i Korczak foana i Ruth, ka nanampy azy tamin’ny fanaovana planina sy tamin’ny fanamboarana ilay tsangambato.
Ny lohan’ilay soavaly no saika hataon’i Korczak voalohany. Maty anefa izy ka tsy afaka namita izany. Tamin’ny 1987, dia nanapa-kevitra ny vadiny sy ny mpitantana fikambanana tsy mikendry ny hitady tombony, fa ny tarehin’i Soavaly Dia no hatao. Fa nahoana? Kely lavitra noho ny lohan’ilay soavaly ilay tarehy, ka ho vita haingana kokoa sady tsy ho lafo loatra ny manao azy. Ao anatin’ny fotoana fohy koa amin’izay, dia efa hisy sary ho azon’ny olona jerena, ka mety harisika hanohana ilay tetik’asa izy ireo.
Mahazendana ny habeny
Mirefy 26,7 metatra ny haavon’ny lohan’i Soavaly Dia ary 18 metatra ny sakany. Voalaza fa “ny lohan’i Soavaly Dia fotsiny dia ho antonona an’ireo loha efatra izay mirefy 20 metatra avy ny haavony, hita eo amin’ny Tendrombohitra Rushmore, ary mbola hisy toerana malalaka aza!” Misy miteny hoe ny sarin’i Soavaly Dia miaraka amin’ilay tanany ankavia mitsotra sy ilay soavaliny no ho tsangambato lehibe indrindra eran-tany, satria mirefy 172 metatra ny haavony ary 195 metatra ny halavany. Hirefy 69 metatra ny halavan’ny tanany; 11,4 metatra kosa no ho halavan’ilay fanondro, ary 3 metatra ny hateviny.
Tsy nety nandray vola fanampiana avy tamin’ny fanjakana amerikanina mihitsy i Korczak. Indroa ny fanjakana no efa nanolotra 10 tapitrisa dolara ho azy, nefa tsy nanaiky izy. Milaza i DeWall fa ‘notazonin’i Korczak foana ilay toe-tsainy hoe hiasa irery fa tsy mila miankina amin’ny fanjakana. Tsy nisy nanampy izy nefa nahangona sy nandany maherin’ny dimy tapitrisa dolara mandra-pahafatiny mba hanamboarana an’i Soavaly Dia.’ Tsy nandray karama izy sady tsy nahazo vola hanonerany ny fandaniany.
Mandoa vola izao izay te hijery an’i Soavaly Dia, saingy kelikely no aloa raha olon-tokana na olona mandeha môtô, ary betsaka kokoa raha olona maromaro miray fiara. Maherin’ny iray tapitrisa isan-taona ny olona mitsidika ilay toerana. Nisy olona nanome fitaovana sy vola be dia be mba hanohizana ilay tetik’asa.
Tranombakoka indianina
Misy tranombakoka lehibe antsoina hoe Tranombakoka Indianin’i Amerika Avaratra, izay vita tamin’ny hazo teo an-toerana any amin’io toerana misy an’i Soavaly Dia io. Ahitana rakitry ny ela indianina an’arivo ao amin’izy io, izay avy amin’ny maro amin’ireo foko maherin’ny 500 any Amerika Avaratra. Misy tranomboky lehibe koa ao, izay ahitana boky momba ny Indianina any Amerika, ka azon’ny mpianatra sy ny manam-pahaizana jerena.
Afaka mamaly fanontaniana sy manome fanazavana momba ireo zavakanto sy asa tanana sasany aseho ao ny Indianina, toa an-dry Priscilla Engen sy Freda Goodsell (foko lakota oglala). Azo ametrahana fanontaniana mandritra ny fitsidihana koa i Donovin Sprague, mpampianatra any amin’ny oniversite ary anisan’ny foko lakota miniconjou. Zafin-dohaliky ny Filoha Hump izy, izay anisan’ny nandray anjara tamin’ny Adin’i Little Bighorn, tamin’ny 1876.
Hanao ahoana ny tsangambaton’i Soavaly Dia?
Kasaina hosoloana trano vaovao ilay tranombakoka. Akaiky kokoa an’ilay tendrombohitra novana ho tsangambato mantsy no nieritreretan’i Korczak hasiana ilay tranombakoka, tamin’ny voalohany. Hatao trano Navajo ilay izy, izany hoe vita amin’ny hazo sy feta. Hisy rihana maromaro izy io ary 110 metatra ny savaivony. Kasaina hasiana oniversite sy foibe fampiofanana momba ny fitsaboana ho an’ny Indianina any Amerika Avaratra koa ao amin’ilay toerana. Tsy maintsy vita anefa aloha ny tsangambaton’i Soavaly Dia vao azo tanterahina izany tetik’asa goavana rehetra izany. Rahoviana anefa izy io no ho vita? Hoy i Ruth, vadin’i Korczak: “Tsy afaka mametra daty izahay, satria be loatra ny toe-javatra tafiditra amin’ilay izy, izay mety hiovaova, anisan’izany ny toetrandro sy ny hamafin’ny ririnina ary ny toe-bola. Ny tena zava-dehibe dia hoe mandroso foana ny asanay mandra-pahatratra ilay tanjona farany.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nantsoina hoe Tazana Tsara ny Soavaliny io mpiady indianina io (1840-1877 tany ho any) tamin’izy mbola tovolahy. “Angamba mbola tsy feno roapolo taona izy rehefa nomena ilay anarana hoe Soavaly Dia [Tasunke Witko, amin’ny teny lakota], ka izy no fahatelo sady farany nitondra io anarana io, tao amin’ny fianakaviany.” Efa nitondra io anarana io koa ny rainy sy ny raibeny.—Rakipahalalana Momba ny Indianina any Amerika Avaratra (anglisy).
b Tamin’io ady manan-tantara io, dia resin’ny miaramila 2 000 avy amin’ny foko Sioux Tetons (Lakotas) sy Cheyennes ny Lietnà Kolonely George Custer sy ny miaramilany nitaingin-tsoavaly 215. Resin’izy ireo tanteraka koa ny miaramila mpitaingin-tsoavaly fanampiny notarihin’ny Komandà Marcus Reno sy ny Kapiteny Frederick Benteen. Anisan’ireo Indianina mpitari-tafika tamin’io ady io i Soavaly Dia.
[Sary, pejy 12, 13]
Modely nohakelezina mampiseho an’i Soavaly Dia sy ny lohan’ny soavaliny, natao hoso-doko teo amin’ny ilan’ilay tendrombohitra
[Sary nahazoan-dalana]
Pejy faha-2 sy 15: Korczak, Mpanao sokitra © Crazy Horse Memorial Fnd.
[Sary, pejy 13]
Korczak sy ny Filoha Henry Orsa Mitsangana tamin’ny 3 Jona 1948. Io ao aorian-dry zareo io ilay modely nohakelezina vita amin’ny marbra sy ilay tendrombohitra talohan’ny nanapoahana azy
[Sary nahazoan-dalana]
Sary: Crazy Horse Memorial archives
[Sary, pejy 14]
Fianakaviana Ziolkowski. Fahefatra avy any ankavanana i Ruth, vady navelan’i Korczak
[Sary nahazoan-dalana]
Crazy Horse photo
[Sary, pejy 15]
Ny ao anatin’ilay tranombakoka indianina
[Sary, pejy 14, 15]
Olona mirohotra isan-taona hijery an’i Soavaly Dia
[Sary nahazoan-dalana]
Photos by Robb DeWall, courtesy Crazy Horse Memorial Foundation (nonprofit)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]
Photo by Robb DeWall, courtesy Crazy Horse Memorial Foundation (nonprofit)