Manontany ny Tanora Hoe . . .
Tena Mahery Tokoa ve ny Fitaoman’ny Namana?
“Tsy mahatsapa izany fitaoman’ny namana izany aho.”—Pamela, mpianatra any amin’ny lise.
“Tsy dia misy heriny amiko intsony ny fitaoman’ny namana. Izaho ihany matetika no mitaona ny tenako hanao zavatra.”—Robbie, zatovo iray.
EFA nihevitra toy izany ve ianao? Angamba fantatrao ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:33) Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Sao dia tsy mahery be araka ny fiheveran’ny ray aman-dreniko sy ny olon-dehibe azy ny fitaoman’ny namana?’
Raha miady amin’ny fisalasalana toy izany ianao indraindray dia tsy ianao irery no tanora misalasala toy izany, raha izany no izy. Manasa anao anefa izahay handinika izao: Mety ho mahery kokoa noho ny fiheveranao azy ve ny fitaoman’ny namana? Tanora maro no gaga noho ny herin’ny fitaoman’ny namana. Miaiky, ohatra, i Angie fa mitaona azy hanaraka ny fanaony ny olona manodidina ary tena mahery tsy araka ny niheverany azy izany. Hoy izy: “Mafy aoka izany ny fitaoman’ny manodidina indraindray, hany ka tsy fantatrao akory hoe izay ilay fitaoman’ny namana. Manomboka mihevitra ianao hoe avy amin’ny tenanao ihany ilay izy.”
Milaza koa i Robbie, voaresaka tetsy ambony, fa izy ihany no tena mitaona ny tenany hanao zavatra. Nekeny anefa fa sarotra ny miaina eny akaikin’ny tanàn-dehibe. Nahoana? Noho ny fitaoman’ny olona matimatin-karena eo amin’ny manodidina. Hoy izy: “Tena zava-dehibe ny harena atỳ.” Mazava àry fa tokony hasiana fiheverana ny herin’ny fitaoman’ny namana. Nahoana anefa no mieritreritra ny tanora maro fa tsy misy vokany eo aminy ny fitaoman’ny namana?
Hery mamitaka
Mety hamitaka ny fitaoman’ny namana. Mety tsy ho voamaritsika akory aza izy io. Indro misy ohatra: Manan-kery ny rivotra, ka rehefa mitsoka izy io dia mety hampihintsana ravinkazo, na hampitopatopa ny onja. Mety handrava trano mihitsy aza izy io rehefa tena mitsoka mafy. Tsapanao isan’andro ny rivotra, saingy tsy mahataitra anao. Nahoana? Satria efa zatra ianao.
Marina fa tsy voatery hampidi-doza ny herin’ny rivotra. Mety hampiova tsikelikely antsika kosa anefa ny fitaomana an-kolaka avy amin’ny olona. Fantatry ny apostoly Paoly ny herin’ny fitaoman’ny namana. Nampitandrina ny Kristianina tany Roma izy hoe: “Aza mamela ny tontolo manodidina anao hanery anao hitsofoka ao amin’ny lasiny.” (Romana 12:2, Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Anglisy Maoderina) Ahoana anefa no mety hitrangan’izany?
Ny fiasan’ny fitaoman’ny namana
Mahafinaritra anao ve ny hoe ankasitrahana sy eken’ny hafa? Eny, hoy ny ankamaroantsika. Mety hisy lafy tsarany sy lafy ratsiny anefa ny faniriantsika voajanahary ny hankasitrahana. Mahavita manao inona isika mba heken’ny hafa? Na dia matoky aza isika fa tsy resin’ny fitaoman-dratsy mihitsy, ahoana kosa ny amin’ireo manodidina antsika? Mba manandrana manohitra ny fitaoman’ny namana ve izy ireo sa avelany hamolavola azy izany?
Maro, ohatra, ny olona ankehitriny no mihevitra fa lany andro na tsy mifanaraka amin’izao andro maoderina izao ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Betsaka no mihevitra fa tsy zava-dehibe loatra ny mivavaka amin’Andriamanitra araka izay takiny ao amin’ny Teniny. (Jaona 4:24) Nahoana no mihevitra izany izy ireo? Noho ny fitaoman’ny namana angamba. Milaza i Paoly ao amin’ny Efesiana 2:2, fa manana “fanahy” ity tontolo ity, dia ny toe-tsaina manjaka eo aminy. Io no manery na mitaona ny olona hanaraka ny fisainan’ity tontolo tsy mahalala an’i Jehovah ity. Inona no mety ho vokatr’izany eo amintsika?
Voatery mifanerasera amin’ny olona tsy manana ireo toetra kristianina toa antsika isika isan’andro. Izany no izy rehefa manao ny asantsika andavanandro isika. Mety ho any am-pianarana izany, na any am-piasana, na rehefa manao adidy ara-pianakaviana isika. Mpianatra maro, ohatra, no manao izay rehetra azony atao mba ho malaza. Maro koa no manao firaisana, na midoroka zava-mahadomelina sy miboboka toaka mihitsy aza. Inona no hitranga raha olona manana fomba fiaina toy izany no fidintsika ho namana akaiky na ekentsika ho ara-dalàna ny fitondran-tenany, ho mendri-piderana mihitsy aza? Azo inoana fa hanomboka hitovy toe-tsaina aminy isika, angamba miandalana aloha. Toy ny hoe manery antsika hitsofoka ao anatin’ny lasitr’izao tontolo izao ny “fanahy” na “rivotra” eo aminy.
Mahaliana fa nanao fanandramana izay manohana ireo toro lalan’ny Baiboly ireo ny mpahay siansa maoderina. Diniho ity fanandramana niavaka nataon’ny Profesora Asch ity. Nisy olona iray nasaina niara-nipetraka tamin’olona maromaro. Nampiseho karatra lehibe iray misy tsipika mijadona iray aloha ny Dr. Asch ary avy eo karatra iray nisy tsipika mijadona telo, miavaka tsara ny halavany. Nanontaniany avy eo ny hevitry ny tsirairay hoe iza amin’ireo tsipika telo no mitovy halava amin’ilay voalohany. Mora ny valiny, ary mitovy daholo ny valiny omen’izy rehetra, amin’ny voalohany. Nisy zavatra niova anefa teo amin’ny fanandramana fahatelo.
Mora toy ny teo aloha ihany ny milaza hoe iza amin’ireo tsipika no mitovy halava. Tsy fantatr’ilay olona tsapaina anefa fa nokaramaina ny hafa ary nasaina nanome valin-teny diso daholo. Inona no nitranga? Ny 25 isan-jaton’ireo notsapaina ihany no tsy niova hevitra momba izay fantany fa marina. Ny sisa kosa nanaiky izay nolazain’ny hafa, indray mandeha, fara fahakeliny, na dia hitan’ny masony izao aza fa diso izany!
Mazava àry fa maniry hitovy amin’ny manodidina azy ny olona. Tena mafy io faniriana io ka mahatonga ny ankamaroany handa izay fantany ho marina mihitsy aza. Tanora maro be no efa niharan’izany fitaomana izany. Miaiky toy izao i Daniel, 16 taona: “Afaka manova anao ny fitaoman’ny namana. Ary mihamafy izy io rehefa betsaka kokoa ny olona. Mety hanomboka hihevitra aza ianao fa mety ny zavatra ataon’izy ireo.”
I Angie, voaresaka tetsy aloha, dia mitantara ohatra iray mampiseho tsara ny fiasan’izany fitaomana izany any am-pianarana: “Tena zava-dehibe ny akanjo anaovanao rehefa any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra ianao. Tsy maintsy nanana akanjo nisy marika malaza ianao. Tsy dia tena te handany 50 dolara [300 000 FMG eo ho eo] hividianana lobaka ianao, aiza koa no hisy olona te hanao an’izany?” Araka izany, dia saro-pantarina ilay fitaomana rehefa ianao no iharany. Mety hisy akony eo amin’ny lafiny lehibe kokoa amin’ny fiainantsika ve ny fitaoman’ny namana?
Nahoana no mety hampidi-doza ny fitaoman’ny namana?
Eritrereto hoe milomano any an-dranomasina ianao. Misy hery matanjaka tsy voamarikao rehefa variana milomano sy manaraka ny onja iny ianao. Manosika anao ho eny amoron-drano ny onja, kanefa mety hisy hery miafina hafa hampivily lalana anao tsikelikely. Rehefa mitazana ny moron-drano ianao amin’ny farany, dia tsy hitanao intsony ny fianakavianao na ny namanao. Tsy voamarikao mihitsy hoe voatosika lavitra be ianao! Toy izany koa fa misy hery miantefa hatrany amin’ny saintsika sy ny fontsika, rehefa manao ny asantsika andavanandro isika. Tsy voamaritsika akory, dia mety hanosika antsika hanalavitra ny fitsipika noeritreretintsika harahina foana izany.
Olona be herim-po, ohatra, ny apostoly Petera. Tsy natahotra izy nampiasa ny sabany nanoloana ireo vahoaka feno fankahalana, tamin’ny alina nisamborana an’i Jesosy. (Marka 14:43-47; Jaona 18:10) Nibaribary anefa fa nizaha tavan’olona izy, taona maro taorian’izay, noho ny fitaoman’ny manodidina. Nihatakataka tamin’ireo Kristianina jentilisa izy na dia efa nahazo fahitana avy tamin’i Kristy, izay nandidy azy mba tsy hihevitra ny Jentilisa ho tsy madio aza. (Asan’ny Apostoly 10:10-15, 28, 29) Angamba sarotra kokoa tamin’i Petera ny niatrika ny fanamavoan’ny olona toy izay hiatrika sabatra! (Galatiana 2:11, 12) Mety hampidi-doza tokoa ny fitaoman’ny namana.
Tena ilaina ny miaiky fa mahery ny fitaoman’ny namana
Lesona lehibe ho antsika ny ohatr’i Petera. Tsy voatery ho matanjaka amin’ny lafiny rehetra isika raha matanjaka amin’ny lafiny iray. Nanana ny lafiny nampahalemy azy i Petera, toa antsika rehetra ihany. Mila mahafantatra ny fahalementsika isika, na iza isika na iza. Mety hanontany tena amim-pahatsorana isika hoe: ‘Aiza no mampahalemy ahy? Maniry mafy ny hanankarena ve aho? Manomboka mamaka ao am-poko ve ny fieboeboana? Vonona hanao inona aho mba hahazoana dera sy toerana ambony ary laza?’
Angamba isika tsy hanao fanahy iniana hidi-kizo, amin’ny fifidianana namana mpidoroka zava-mahadomelina sy maloto fitondran-tena. Ahoana kosa ny amin’ireo fahalementsika tsy miharihary loatra? Raha fantatsika ny fahalementsika, nefa olona hanamafy azy io no ataontsika namana, dia hisy heriny eo amintsika ny fitaoman’izy ireo, ary mety hitondra fahavoazana maharitra ho antsika izany.
Ny vaovao tsara dia hoe tsy ny fitaomana rehetra akory no ratsy. Inona no azontsika atao mba hahatonga azy io handraisan-tsoa? Ahoana no hahafahantsika hiady amin’ny fitaomana manimba? Ireo fanontaniana ireo dia hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka amin’ny “Manontany ny Tanora.”
[Sary, pejy 20, 21]
Mety ho mafy ny fitaoman’ny manodidina izay matimatin-karena