FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/8 p. 22-25
  • Ny Fitaoman’ny Hafa — Mety Hahasoa Anao ve Izy Io?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fitaoman’ny Hafa — Mety Hahasoa Anao ve Izy Io?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy heriny eo amin’ny sokajin-taona rehetra
  • Fandraisan-tsoa avy amin’ny fitaomana mahasoa ampiharin’ny hafa
  • Halaviro ny fitaoman-dratsy
  • Ny sasany izay nandray soa
  • Ry Tanora, Aza Manaiky Hotaomina Haditra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Tena Mahery Tokoa ve ny Fitaoman’ny Namana?
    Mifohaza!—2002
  • Inona no Atao mba Tsy ho Voatarika Haditra?
    Mifohaza!—2014
  • Ahoana no Hiatrehako ny Fitaoman’ny Namana?
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/8 p. 22-25

Ny Fitaoman’ny Hafa — Mety Hahasoa Anao ve Izy Io?

Faniriana fototra efa raiki-tampisaka amintsika rehetra ny hoe heken’ny hafa. Tsy misy olona maniry ny tsy ho tiana na hailika. Misy heriny eo amintsika amin’ny ambaratonga samihafa, araka izany, ny hafa.

NY HAFA tiana holazaina eto dia “olona mitovy toerana amin’ny olona hafa iray; (...) olona anisan’ny fiaraha-monina misy azy, [indrindra fa] izay mitovy taona na laharana na saranga aminy”. Ny fitaoman’ny hafa kosa indray, dia ilay hery ananan’izy ireny eo amintsika, hany ka manaraka ny fomba fisainan’izy ireny sy ny fomba fanaovany zavatra isika, na tsapantsika izany na tsia. Mazàna no heverina ho ratsy ny fitaoman’ny hafa. Araka ny ho hitantsika anefa, dia mety hanjary hahasoa antsika izy io.

Misy heriny eo amin’ny sokajin-taona rehetra

Tsy voafetra ho eo amin’ny tanora ihany ny fitaoman’ny hafa, fa mahakasika koa ny sokajin-taona rehetra. Hita miharihary ny herin’izy io rehefa mametraka fanontaniana toy izao isika: “Ny hafa manao, koa nahoana aho no tsy mba hanao?” “Fa nahoana aho no voatery ho hafa noho ny olona foana?” “Inona no hoeritreretin’ny hafa na holazainy?” “ ‘Mampiaraka’ sy manambady daholo ny namako rehetra, fa izaho kosa irery eto. Fa dia maninona loatra àry aho?”

Na dia misy heriny eo amin’ny olona amin’ny sokajin-taona rehetra aza io fitaomana hanao izay fanaon’ny hafa io, dia hita fa mahery kokoa izy io mandritra ny fotoana maha zatovo. Milaza ny The World Book Encyclopedia fa “ny ankamaroan’ny zatovo dia mifandray be amin’ireo mitovy taona aminy — izany hoe ireo namany sy olom-pantany. Tsy mitady sitraka amin’ny ray aman-dreniny ireny zatovo ireny, fa mitady sitraka kosa amin’ireo mitovy taona aminy, ary mety hanova ny fitondran-tenany izy ireny mba hahazoana izany sitraka izany”. Nanampy teny toy izao io boky io: “Mihevitra [ny zatovo] fa mitombo ara-dalàna ny tenany raha manaiky azy sy tia azy ireo mitovy taona aminy.” Ho fikendrena izany, dia “manjary revo amin-javatra izay heveriny fa hisy heriny eo amin’ny fitiavan’ny olona azy [izy ireny], anisan’izany ny fomba fitafiny, ny fahaizany mitarika ny hafa, ary ny fahombiazany ‘mampiaraka’ ”.

Mety ho hitan’ny mpivady sasany fa misy heriny eo amin’ny fanapahan-keviny ny fitaoman’ny hafa, izany hoe izay ekena eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy, na izay eken’ny namany na ny foko misy azy. Hita izany rehefa hanapa-kevitra izy ireo ny amin’ny hoe karazana trano manao ahoana no hovidina na hofana, karazana fiara manao ahoana no hoentina, hiteraka ve sa tsia, sy ny raharaha maro hafa. Mahavatra midi-trosa be mihitsy aza ny fianakaviana sasany mba hahafahana haharaka fotsiny ireo mpiara-monina sy ny olona mitovitovy aminy, eo amin’ny lafiny ara-nofo. Eny, matetika ny tanjontsika sy ny fomba fisainantsika ary ny fanapahan-kevitsika, no mampiharihary ilay hery misoko mangina ananan’ny fitaoman’ny hafa. Rehefa heverina ny herin’izy io, moa ve isika afaka mandray soa avy amin’ny fitaoman’ny hafa, mba hanampiana antsika hiroso hatrany amin’ny lalana tiantsika hizorana? Izany dia izany tokoa!

Fandraisan-tsoa avy amin’ny fitaomana mahasoa ampiharin’ny hafa

Fantatr’ireo dokotera sy tompon’andraikitra amin’ny fahasalamana fa sarobidy ho an’ireo marary tsaboiny ny hoe eo anivon’ny olona mijery lafy tsaran-javatra sy ao anatin’ny toe-piainana hafa mahasalama no misy azy ireo. Mandrisika ho amin’ny fahasitranana izany. Raha nanjary bory tongotra anila, ohatra, ny olona iray, ka eo ny ohatra tsara sy ny fampaherezan’ny hafa izay bory tongotra toa azy, dia matetika no tsaroany ho mora zakaina kokoa ilay fotoana lava be iverenan’ny fahasalamany ara-batana sy ara-pihetseham-po. Mazava fa ny fidiran’ny tena ao anatin’ny rivo-piainana mahasoa, anisan’izany ny fisian’ny olona fakan-tahaka mijery lafy tsaran-javatra, dia fomba iray andraisan-tsoa avy amin’ilay karazany tsara amin’ny fitaoman’ny hafa.

Marina koa io foto-pitsipika io ao amin’ny kôngregasiôna kristianina, satria ny fitaomana tsara avy amin’ny hafa no iray amin’ireo antony nandidian’i Jehovah ny vahoakany mba hiara-mivory tsy tapaka. Asain’Andriamanitra ‘hifandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, sy hifampahery’ isika. (Hebreo 10:24, 25, NW ). Tsy hay tombanana ny hasarobidin’izany fampaherezana izany, satria maro ireo fitaoman-dratsy sy manimba eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Noho ireny fitaomana ireny, dia tsy maintsy ‘mikely aina amin-kery’ ny Kristianina mba hitoerana ho matanjaka ara-panahy. (Lioka 13:24, NW ). Araka izany, dia mila sy mankasitraka ny fanohanana amim-pitiavana avy amin’ny mpiray finoana isika. Fanampin’izany, dia ao ireo mety ho voatery hiaritra ‘tsilo amin’ny nofo’, angamba aretina na fahasembanana. (2 Korintiana 12:7). Mety hiady mafy mba handresena fahazaran-dratsy na fahaketrahana ny hafa, na mety ho hitany ho sarotra ny haharaka ireo zavatra takin’ny fiainana. Fahendrena ho antsika àry ny manao izay hahatonga antsika hohodidinin’ny olona izay mitoetra ho akaiky an’i Jehovah Andriamanitra sy finaritra amin’ny fanompoana azy. Hampahery antsika ny olona toy izany ka hanampy antsika ‘haharitra amim-pahatokiana hatramin’ny farany’. — Matio 24:13.

Rehefa namana tsara àry no fidintsika, dia afaka mifehy ny fitaomana ampiharin’izy ireny eo amintsika isika. Fanampin’izany, ilay sakafo ara-panahy tsara dia tsara sy ilay tari-dalana mahasoa omena any amin’ireo fivoriana kristianina dia mampitombo ilay fampaherezana manokana azontsika avy amin’ireo mpiray finoana amintsika.

Mazava ho azy fa tsy hoe mora foana akory ny famonjena ireo fivoriana kristianina. Ny sasany dia mety tsy hahazo fanohanana firy avy amin’ny vadiny na tsy hahazo fanohanana mihitsy, ny hafa mety hanan-janaka mila omanina, ary mety ho olana ho an’ny hafa kosa indray ny fitaterana. Eritrereto anefa izao: Raha tsy avelanao hanakana anao ireny vato misakana ireny, ny ohatra omenao dia mety handrisika ny hafa izay mety ho eo am-piatrehana tarehin-javatra mitovy amin’izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy vitan’ny hoe manome ohatra tsara dia tsara fotsiny ianao, sy ny hafa toa anao, fa fitaomana mahasoa koa, ary izany dia tsy ahitana soritry ny faneriterena.

Raha ny marina, ny apostoly Paoly, izay tsy maintsy niatrika zava-tsarotra sy vato nisakana maro, dia nampirisika ny Kristianina mba hanahaka ny ohatra tsara dia tsara navelan’ny tenany sy ny Kristianina matotra hafa. Hoy izy: “Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy hianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho [ohatra, NW ].” (Filipiana 3:17; 4:9). Nanaraka ny ohatra tsara dia tsara nomen’i Paoly ireo Kristianina tany am-boalohany tany Tesalonika. Hoy no nosoratan’i Paoly momba azy ireo: “Hianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia hianareo.” (1 Tesaloniana 1:6, 7). Mety hisy heriny mitovy amin’izany eo amin’ireo olona ifaneraserantsika ny fihetsika tsara asehontsika sy ny ohatra tsara omentsika.

Halaviro ny fitaoman-dratsy

Raha tiantsika ny hanalavitra ny fitaoman-dratsy, dia tsy maintsy manohitra ny fitaoman’ireo ‘izay mandeha araka ny nofo’ isika. (Romana 8:4, 5; 1 Jaona 2:15-17). Raha tsy izany, dia hitarika antsika hihataka amin’i Jehovah sy ny toroheviny feno fahendrena ny fitaomana manimba avy amin’ny hafa. Hoy ny Ohabolana 13:20: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” Mahafantatra olona nidiran-doza noho ny fitaoman-dratsin’ny hafa ve ianao? Ny Kristianina sasany, ohatra, dia voatarika ho amin’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, fahalotoam-pitondran-tena, na ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisotroana tafahoatra, noho ny fitaoman’ny hafa.

Na dia ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina aza, dia mety hiharan’ny fitaoman-dratsy isika raha olona osa ara-panahy no fidintsika ho namana akaiky. (1 Korintiana 15:33; 2 Tesaloniana 3:14). Matetika ny olona toy izany no tsy mirona hiresaka zavatra ara-panahy; mety hohamavoiny mihitsy aza ireo finaritra amin’ny resaka toy izany. Raha ireny olona ireny no fidintsika ho namana akaiky, dia mety hanery antsika hiditra ao anatin’ny lasitra misy azy ny fitaomany, ka tsy ho ela dia mety ho hitantsika fa hita taratra eo amin’ny fomba fisainantsika sy ny fihetsitsika ny azy ireo. Angamba aza isika hanomboka hanamavo an’ireo tena maneho finoana amim-pahatsorana sy ireo miezaka hanao fandrosoana ara-panahy. — 1 Timoty 4:15.

Fahendrena lavitra ny mamboly fisakaizana amin’ireo miezaka mafy hampifaly an’i Jehovah, sy finaritra amin’ny zavatra ara-panahy! Ny namana toy izany dia hanampy antsika hampiseho ilay ‘fahendrena avy any ambony’, izay “madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, (...) [tsy] mihatsaravelatsihy”. (Jakoba 3:17). Tsy midika akory izany hoe tsy mahay miresaka afa-tsy raharaha ara-panahy ny olona tia zavatra ara-panahy. Mifanohitra amin’izany aza! Eritrereto fotsiny ireo loha hevitra mahaliana isan-karazany, izay dinihina ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, toy ny gazety Mifohaza! Tsy mety tapitra, raha ny marina, ny foto-kevitra mahasoa azo resahina, ary rehefa liana amin’ny loha hevitra maro be isika, dia asehontsika fa tiantsika ny fiainana sy ny asa tanan’i Jehovah.

Manatsara ny fahaizany ny mpilalao baolina mahay iray raha miara-milalao amin’ny mpilalao mahay hafa. Toy izany koa fa manatsara antsika eo amin’ny lafiny ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy ny namana tsara. Etsy an-danin’izany, dia mety hitarika antsika ho amin’ny fihatsarambelatsihy ny naman-dratsy, amin’ny fampirisihana antsika hanana fomba fiaina roa sosona. Tsara lavitra tokoa ny fananana feon’ny fieritreretana madio sy ny fananana ny hajan’ny tena!

Ny sasany izay nandray soa

Hitan’ny ankamaroan’ny olona fa tsy dia sarotra loatra akory ny mianatra ireo foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly sy ireo zavatra takiny eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Ny mety ho sarotra anefa, dia ny fampiharana ireny zavatra ireny. Mety hanampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahintsika manontolo ny fitaomana tsara avy amin’ny hafa, araka ny asehon’ireo ohatra manaraka.

Nilaza ny Vavolombelona iray izay manompo manontolo andro miaraka amin’ny vadiny fa nisy heriny teo amin’ny tanjona notratrariny teo amin’ny fiainana ny ohatr’ireo mpiray finoana taminy. Tsy maintsy niady tamin’ny fitaoman-dratsy izy rehefa nihalehibe. Ireo izay nampirisika azy tsy ho tapatapaka teo amin’ny fanompoana sy ny famonjena fivoriana kristianina anefa no nofidiny ho namana. Nanampy azy hiroso hatrany teo amin’ny lalan’ny fahamatorana ara-panahy ny fifikirana tamin’ireny namana ireny.

Nanoratra toy izao ny Vavolombelona hafa iray: “Taorian’ny nivadianay, dia nifindra nankany amin’ny kôngregasiôna iray izahay mivady. Nisy mpivady iray mpisava lalana maharitra, izay nitovitovy taona taminay, tao. Anisan’ny nahatonga anay hiditra tao amin’ny fanompoana manontolo andro ny ohatr’izy mivady ireo. Avy eo, dia niezaka nampiroborobo ny toe-tsain’ny mpisava lalana tao amin’ilay kôngregasiôna koa izahay mivady. Vokatr’izany, dia maro no tonga mpisava lalana nanatevin-daharana anay.”

Mahatonga ny fankatoavana an’i Jehovah ho mora kokoa ny fifaneraserana amin’ireo manana tanjona teôkratika. Io no vokany mahasoa hafa iray ateraky ny fitaomana tsara avy amin’ny hafa. Ny Vavolombelona iray izay nanomboka ny fanompoana manontolo andro tamin’ny fahatanorany, ary tonga mpiandraikitra mpitety faritany tatỳ aoriana, dia manompo ao amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ankehitriny. Hoy no nosoratany: “Ireo mpanompo manontolo andro nandalo tao aminay no sasany amin’ireo fahatsiarovana tany am-boalohany indrindra sy mamiko indrindra ny amin’ny fahazazako. Tsy maintsy nisy toerana foana ho an’ny vahiny iray fanampiny teo amin’ny latabatra fihinananay. Nanome ahy kitapo fitondra mitory ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray fony aho folo taona. Sarobidy amiko mandraka ankehitriny ilay kitapo.”

Nanampy teny toy izao io Vavolombelona io, rehefa nisaintsaina ireo taona naha zatovo azy: “Maro tamin’ireo zatovolahy tao amin’ny kôngregasiôna no naniry handray anjara tamin’ny asan’ny kôngregasiôna, hany ka nanosika anay haniry hanao toy izany koa ny ohatr’izy ireny.” Ny namana tsara dia nanampy an’io tanora io, izay toy ny voa iray vao nitsiry ka nitombo ho lehilahy kristianina tahaka ny hazo iray tsara dia tsara. Ry ray aman-dreny, asainareo ho ao an-tokantranonareo ve ireo olona mety hisy heriny tsara sy mampiorina eo amin’ny zanakareo? — Malakia 3:16.

Mazava ho azy fa tsy isika rehetra akory no afaka mandray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro, tahaka ireo olona voatonona teo. Samy afaka mianatra ny ho tia an’i Jehovah ‘amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra’ avokoa anefa isika. (Matio 22:37). Mandray anjara lehibe eo amin’ny fampitomboantsika izany fitiavana izany ireo namana fidintsika, ka noho izany, dia mandray anjara lehibe eo amin’ny fahatsinjovantsika fiainana mandrakizay.

Nanome fomba iray tsotra nefa mandaitra mba hahombiazana eo amin’ny fiainana ny mpanao salamo, ka nilaza hoe: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” — Salamo 1:1-3.

Fanomezana antoka mahatalanjona re izany! Na dia tsy lavorary aza isika ka manao fahadisoana, dia hahomby ny fiainantsika raha mamela an’i Jehovah hitarika antsika isika no sady manovo be dia be avy amin’izany loharanon’ny fitaomana tsara omen’Andriamanitra izany, dia ireo ‘rahalahintsika rehetra eran’izao tontolo izao’. — 1 Petera 5:9.

[Sary, pejy 24]

Ahitana endriny iray amin’ny fitaomana tsara ny kôngregasiôna

[Sary, pejy 25]

Ry ray aman-dreny, ampirisiho hifanerasera amin’ny namana mampiorina ny zanakareo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara