FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g04 8/12 p. 16
  • Ny Sakadia Tandindomin-doza Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Sakadia Tandindomin-doza Indrindra
  • Mifohaza!—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Karazana Tsy Fahita Sady Mpiremby Mahay Mijoko
    Mifohaza!—2002
  • Pejy Faharoa
    Mifohaza!—2002
  • Toerana Iarovana Biby sy Zavamaniry
    Mifohaza!—2009
  • Fiarovana Zavaboary Ampifanoherina Amin’ny Fandaniana Tamingana Azy
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—2004
g04 8/12 p. 16

Ny Sakadia Tandindomin-doza Indrindra

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

Malaza hatramin’ny ela ho matsilo maso sy haingam-pihetsika ilay karazana sakadia antsoina hoe lynx. Lazain’ny Espaniola ho manana “mason’ny lynx” ny olona mahira-tsaina. Mampalahelo fa tsy ny masony na ny hakingany intsony no mampahalaza io sakadia io. Voasokajy ho “ilay karazana sakadia tandindomin-doza indrindra eran-tany” izy io.a

Hita nanerana an’i Portogaly sy Espaina ary toa hatrany Pyrénées any Frantsa mihitsy aza izy ireny taloha. Vitsivitsy anefa sisa no andiany mitsitokotoko any atsimoandrefan’ny Saikinosy Iberika. Andiany roa amin’ireo ihany sisa no afaka miteraka, ary nihena be ny isan’ilay sakadia amin’ny fitambarany.

Tombanana ho latsaka ny 200 izy ireo ankehitriny. Inona no nahatonga ny isany hihena be toy izany? Misy milaza fa ny tena antony dia satria fongotry ny valanaretina myxomatose ny bitro foto-tsakafony, ka lasa vitsy kely. Ao koa ireo sakadia misy mihaza tsy ara-dalàna na voahitsaky ny fiara. Lasa voazarazara koa ny faritra azony onenana. Milaza ny tatitra vao haingana nataon’ny World Wildlife Fund (WWF) fa, lasa mitsitokotoko any amin’ny faritra kely ny sakadia efa mihavitsy isa, noho ireny olana ireny.

Misy manam-pahaizana milaza fa “tena atahorana mafy” ilay toe-javatra, na dia efa nanokanana 35 tapitrisa dolara amerikanina aza, hanavotana io karazana sakadia io. Nambaran’i Nicolás Guzmán, talen’ny Tetikasam-pirenena Hiarovana ny Sakadia Iberika, fa ‘22 ka hatramin’ny 32 eo sisa no afaka miteraka’ amin’ireo sakadia latsaka ny 200 tavela. Hoy koa izy: ‘Miankina amin’ireo ny tsy hahalany tamingana ilay karazana.’ Mampalahelo fa santionany fotsiny amin’izay mihatra amin’ny zavaboary maro mahafinaritra eto an-tany ny manjo ny sakadia iberika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Sokajina ho biby “tena tandindomin-doza” ny sakadia espaniola na iberika ao amin’ny Lisitra Mena, misy ireo biby atahorana ho lany tamingana. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Tontolo Iainana sy ny Loharanon-karena Voajanahary no nanao io lisitra io.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Foto © Fernando Ortega

sos lynx

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara