FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/06 p. 7-9
  • Ela ny Ela ka Hilamina Ihany ny Tany!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ela ny Ela ka Hilamina Ihany ny Tany!
  • Mifohaza!—2006
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy vahaolana ny herisetra
  • Nahoana Andriamanitra no mendri-pitokisana?
  • Hilamina mandrakizay ny tany!
  • Mbola ho Foana ve ny Fampihorohoroana Indray Andro Any?
    Foto-kevitra Hafa
  • “Aza Matahotra na Mivadi-po”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nandriaka Foana ny Ra Teto An-tany
    Mifohaza!—2006
  • Ny Fiafarana Maharitry ny Herisetra — Amin’ny Fomba Ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—2006
g 6/06 p. 7-9

Ela ny Ela ka Hilamina Ihany ny Tany!

MISY mino fa amin’ny alalan’ny herisetra ihany no hahazoany fahalalahana ara-politika sy hahafahany hiaro ny fivavahany. Mihevitra koa izy ireo fa ny fampiasan-kery no hany fomba ahafahana manongana ny mpitondra tsy tiana. Misy fanjakana manao asa fampihorohoroana koa mba hisian’ny filaminana sy hifehezana ny vahoaka. Raha fomba mahomby hitantanana sy hanatsarana ny fiaraha-monina anefa ny fampihorohoroana, dia tokony ho efa nitondra fandriampahalemana sy fiadanana ary filaminana hatramin’izay. Tokony ho efa nihena ny herisetra sy ny tahotra. Izany ve anefa no hitantsika?

Tsia. Vao mainka aza mahatonga ny olona tsy hanaja ny aina ny fampihorohoroana, ka manosika azy handatsa-dra sy hanao habibiana. Mamaly faty matetika ny olona niharan’izy io, satria mahatsiaro mangirifiry. Mafy kokoa noho izay anefa ny valifaty asetrin’ny mpampihorohoro azy ireo, ary dia toy izany hatrany.

Tsy vahaolana ny herisetra

Efa an’arivony taona izao no miezaka mamaha ny olana mianjady aminy ny olombelona, na olana ara-politika izany na ara-pivavahana na ara-piaraha-monina. Tsy nahomby anefa ny ezaka rehetra nataony. Mifanaraka amin’izany mihitsy ity tenin’ny Baiboly ity: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Hoy i Jesosy: “Ny vokatra aterany no itsarana ny tena fahendrena.” (Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Anglisy Maoderina, nadikan’i J. Phillips) Hita avy amin’ireo toro lalan’ny Baiboly ireo fa tsy hisy vokany tsara mihitsy ny fampihorohoroana. Tsy nitondra fahalalahana sy fahasambarana izy io, fa fahafatesana sy fahoriana ary fandravana kosa. Efa nanjaka nandritra ny taonjato faha-20 izany, ary mbola mitohy ihany amin’izao taonjato faha-21 izao. Maro no milaza fa tsy nitondra vahaolana akory ny fampihorohoroana, fa vao mainka aza lasa olana iray hafa.

Simba noho ny hetraketraky ny mpampihorohoro ny tany niavian’ny ankizivavy iray. Nanoratra izy hoe: “Irariako foana isan’andro mba tsy hisy ho faty ny havako sy ny namako. ... Fahagagana angamba no ilaintsika.” Maro no mitovy hevitra amin’io ankizivavy io. Miaiky izy ireo fa tsy olombelona no hahavita hamaha ny olana mianjady amintsika. Ny Mpamorona antsika ihany no afaka mamaha ny olana manjaka eto an-tany ankehitriny, anisan’izany ny fampihorohoroana. Nahoana isika no tokony hatoky azy?

Nahoana Andriamanitra no mendri-pitokisana?

Voalohany, nanome antsika ny fiainana i Jehovah, ka tiany ny hankafizantsika izany. Tiany hilamin-tsaina sy ho afa-po isika. Hoy i Isaia mpaminanin’Andriamanitra: “Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ny tànanao izahay rehetra.” (Isaia 64:7) I Jehovah no Rain’ny olombelona, ka sarobidy aminy ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Tsy izy no mahatonga ny tsy rariny sy fankahalana, izay miteraka fampihorohoroana. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.” (Mpitoriteny 7:29) Ny haratsiam-panahin’ny olona sy ny fampirisihan’ny demonia no mahatonga ny fampihorohoroana, fa tsy Andriamanitra no tokony homen-tsiny.—Efesianina 6:11, 12.

Faharoa, izy no tena mahalala ny antony mahatonga ny olana mianjady amintsika sy ny fomba handaminana izany, satria izy no namorona antsika. Manamarina izany ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 3:19: “Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany, ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.” Natoky tanteraka an’Andriamanitra ny lehilahy fahiny iray, ka nanoratra hoe: “Avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.”—Salamo 121:1, 2.

Fahatelo, manana hery hampijanonana ny fandatsahan-dra sy ny herisetra Andriamanitra. ‘Heni-doza ny tany’ tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:11) Tampoka ny nampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany, ary vitany araka ny tokony ho izy izany. ‘Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny, fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra.’—2 Petera 2:5.

Misy zavatra tokony ho fantatsika avy amin’iny Safodrano iny. Hoy ny Baiboly: “Hain’i Jehovah ny manafaka amin’ny fitsapana, ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana mba horinganina.” (2 Petera 2:9) Fantatr’Andriamanitra àry ny olona tena maniry fiainana tsara kokoa. Fantany koa izay “tsy matahotra” azy, ka tia mampijaly ny hafa. ‘Horinganiny’ izy ireo. Efa eo am-panomanana tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana kosa izy, ho an’ireo maniry filaminana.—2 Petera 3:7, 13.

Hilamina mandrakizay ny tany!

Ny olombelona matetika no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “tany.” Milaza, ohatra, ny Genesisy 11:1 fa fiteny iray monja no nitenenan’ny “tany rehetra”, izany hoe ny olona rehetra velona tamin’ny andron’i Noa. Izany no tao an-tsain’ny apostoly Petera rehefa niresaka momba ny “tany vaovao” iray izy. Hanavao ny fiaraha-monina i Jehovah Andriamanitra, ka ny fahamarinana sy rariny no ‘hitoetra’ mandrakizay eto an-tany, fa tsy ny herisetra sy fankahalana intsony. Hoy ny faminaniana ao amin’ny Mika 4:3: “Hitsara ny adin’ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ny lavitra; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”

Hanao ahoana ny fiainan’ny olona rehefa ho tanteraka io faminaniana io? Hoy ny Mika 4:4: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.” Tsy hatahotra hotafihin’ny mpampihorohoro intsony ny olona ao amin’io Paradisa eto an-tany io. Afaka matoky an’izany fampanantenana izany ve ianao? Eny, satria “ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”—Mika 4:4.

Tokony hatoky an’i Jehovah àry ny olona maniry filaminana, na dia mirongatra aza ny fampihorohoroana, ary mitebiteby ny firenena maro noho ny herisetra. Tsy misy olana tsy voavahan’i Jehovah. Hofoanany ny fandravana sy ny fijaliana, ary na dia ny fahafatesana aza. Hoy ny Baiboly: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.” (Isaia 25:8) Tsy ho ela dia hanjakan’ny filaminana ny tany niavian’ny olona maro, na dia anjakan’ny fahoriana sy ny tahotra aza ankehitriny noho ny fampihorohoroana. Io filaminana ampanantenain’ilay Andriamanitra “tsy mahay mandainga” io no tena ilain’ny olombelona.—Titosy 1:2; Hebreo 6:17, 18.

ZAVATRA MAHOMBY NOHO NY BASY SY BAOMBA

Ireto misy tenin’olona nihevitra fa ny herisetra no fomba itondrana fiovana ara-politika.

  • ‘Hitako tao amin’ny boky momba ny tantara, fa nampahory ny mahantra foana ny mpanjaka sy ny olona ambony. Azoko an-tsaina ny fijalian’ny madinika. Nieritreritra ny fomba azo anafoanana izany aho, ka nanatsoaka hevitra fa mila mampiasa fitaovam-piadiana koa isika vahoaka, mba hanoherana ny mpitondra.’—Ramon.a

  • “Nandray anjara tamin’ny ady nahatsiravina aho. Ny tanjoko dia ny hanohitra ny fanjakana sy hanorina fiaraha-monina miady amin’ny tsy rariny manjaka eran-tany.”—Lucian.

  • “Efa hatramin’ny mbola kely aho no nalahelo noho ny tsy rariny. Anisan’izany ny fahantrana sy ny heloka bevava. Eo koa ny fampianarana sy fitsaboana tsizarizary. Nino aho fa hahazo fampianarana, fitsaboana, trano, ary asa daholo ny olon-drehetra, raha mitolona, ka mampiasa fitaovam-piadiana. Nihevitra koa aho fa tokony hosazina izay tsy te hitondra tena tsara na tsy te hanaja ny mpiara-belona aminy.”—Peter.

  • “Anisan’ny fikambanana miafina iray izahay mivady. Nampirisika ny olona hikomy sy hahery setra izahay. Nanantena izahay fa hahavita hanangana fanjakana hitondra fiadanana sy filaminana, ary hanome rariny ho an’ny rehetra. Nihevitra izahay fa ny fanoherana ny fitondrana no hany fomba hahazoana rariny, raha ao amin’ny taninay.”—Lourdes.

Nanandrana nampiasa herisetra ireo olona ireo mba hanampiana ny olona mijaly. Hitan’izy ireo anefa fa misy vahaolana tsara kokoa ao amin’ny Baiboly, rehefa niara-nianatra azy io tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Jakoba 1:20: “Ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina eo imason’Andriamanitra.”

Ny fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manova an’ity tontolo ity. Asehon’ny faminanian’ny Baiboly, toy ny ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 2 Timoty 3:1-5, fa efa hanao izany izy io. Ampirisihinay àry ianao hiara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahalalanao izany.

a Novana ireo anarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara