FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/07 p. 21
  • Foiben’ny Herinaratra Lasa Efitrano Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Foiben’ny Herinaratra Lasa Efitrano Fanjakana
  • Mifohaza!—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Bara Vy Mamakivaky An’i Kanada
    Mifohaza!—2010
  • Mahalala ny Fahamarinana ny Tovolahy Iray Mafana Fo Amin’ny Lalamby
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Afaka 120 Taona Mahery vao Tonga
    Mifohaza!—2008
Mifohaza!—2007
g 10/07 p. 21

Foiben’ny Herinaratra Lasa Efitrano Fanjakana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA

◼ Nihamaro ny orinasa tany amin’ireo tendrombohitr’i Pistoia, atỳ Italia, raha vao nanomboka ny taonjato faha-20. Nasiana lalamby àry ilay faritra, mba hitaterana ny akora sy ny vokatra. Notokanana tamin’ny 21 Jona 1926 ilay lalamby mirefy 16 kilaometatra. Miolikolika be ilay izy, ary mamakivaky tendrombohitra sy havoana.

Nandeha tamin’ny herinaratra ilay lamasinina, ary gara iray no namatsy izany (ambony havia). Nihavitsy anefa ny entam-barotra notaterina, ka tsy nampiasaina intsony ilay lalamby, nanomboka tamin’ny 1965. Nanao ahoana àry ireo gara naorina? Simba ny sasany, ary ny hafa kosa lasa bara na fitobian’ny bisy.

Nohavaozina ilay gara mpamatsy herinaratra. Novidin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao San Marcello Pistoiese izy io, tamin’ny 1997. Natao Efitrano Fanjakana ilay izy, ary anisan’ny miavaka any Toscane (ambany havia). ‘Mamirapiratra toy ny mpanazava’ ireo Vavolombelona mivory ao. Mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy izy ireo, any amin’ireo tendrombohitra ireo. (Filipianina 2:15; Matio 24:14) Lasa foiben’ny hazavana ara-panahy àry izao, ilay gara foiben’ny herinaratra taloha.—Matio 5:14-16; 28:19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara