FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/08 p. 22-24
  • Ampio Ireo Voan’ny Aretin’i Asperger

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Ireo Voan’ny Aretin’i Asperger
  • Mifohaza!—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ela vao fantatra ilay aretina!
  • Nianatra “niatrika ny tena fiainana”
  • Nahavita dingana sarotra kokoa
  • Fanampiana an’ireo marary
  • “Tena Nahafinaritra Ahy iny Andro Iny”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Inona no Holazain’ny Zanakao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2008
  • Ny asa misionera: avelao hitranga izay hitranga!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 9/08 p. 22-24

Ampio Ireo Voan’ny Aretin’i Asperger

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

MBA te hana-namana ianao, nefa sarotra aminao ny miresaka amin’olona. Mahavita miresaka ela be anefa ianao, raha zavatra tena tianao no resahina. Efa maty paika avokoa ny zavatra ataonao, ary tsy tianao raha misy miova. Matetika ianao no mitebiteby sy malahelo, ary kivy mihitsy indraindray.

Tsy fantatry ny olona hoe marary ianao, fa heveriny ho hafahafa sy sarotra ifandraisana ary tsy mahalala fomba. Sarotra aminao koa ny mahazo ny hevitry ny hafa sy ny fihetseham-pony. Tsy fantatrao hoe tezitra sa faly ny olona, raha ny tarehiny ihany no jerenao. Tsy azonao koa ny tiany holazaina raha fihetsika fotsiny no ataony. Izany matetika no mahazo ny olona voan’ny aretin’i Asperger.

Toy ny olon-drehetra ihany izy ireo raha jerena etỳ ivelany, ary misy aza tena marani-tsaina. Tsy nitombo araka ny tokony ho izy anefa ny rafi-pitatitr’izy ireo, ka sarotra aminy ny miresaka tsara sy mifandray amin’olona. Samihafa ny fisehon’ilay aretina, arakaraka ny olona. Afaka miaina ara-dalàna anefa izy ireo. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Claire.

Ela vao fantatra ilay aretina!

Ankizy mipetrapetraka sy tsy be teny i Claire. Matahotra toerana be olona izy, ary tsy sahy mijery olona amin’ny masony. Mbola kely izy dia efa nahay niteny, nefa zara raha niresaka. Tsy mba miovaova koa ny feony. Efa maty paika daholo ny zavatra ataony, ka tsy mahazo aina izy raha miova izany.

Tezitra tamin’i Claire ny mpampianatra azy, satria noheverin’izy ireo fa nanao fanahy iniana izy. Nanesoeso azy ny ankizy. Nalahelo koa ny reniny satria izy no nomen’ny olona tsiny. Nanapa-kevitra àry izy fa hampianarina ao an-trano ihany i Claire.

Niasa izy tatỳ aoriana, nefa voaroaka foana. Tsy tiany mantsy raha vao misy miova ny asany, sady tsy vitany izay ampanaovina azy. Tao amin’ny fitaizana be antitra izy no niasa farany. Ilay lehibe tao no nahita fa nisy zavatra tsy nety mihitsy taminy. Nojerena àry ny fahasalamany, tamin’izy 16 taona, ka hita fa voan’ny aretin’i Asperger izy.

Izay vao fantatry ny reniny ny antony nahahafahafa an’i Claire. Nisy naman’izy ireo nitady fanazavana momba ilay aretina, ary nasainy novakin’i Claire ilay izy. Gaga be izy ka nanontany hoe: “Izaho ve dia manao an’izany? Hoatran’izany tokoa ve aho?” Nasain’ny sampan-draharahan’ny asa sosialy nanao zavatra mampivelatra ny saina sy mampifandray kokoa amin’olona izy, satria anisan’ny fitsaboana azy izany. Nisy Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Chris, efa zatra manampy ankizy sembana. Vavolombelona koa i Claire, ka nasain’i Chris hanampy tamin’ny fikojakojana ny trano fivorian’ny Vavolombelona.

Nianatra “niatrika ny tena fiainana”

Zara raha niresaka tamin’ny mpiara-miasa taminy i Claire, tamin’ny voalohany. Rehefa nisy olana dia nanoratany taratasy i Chris, satria mora kokoa taminy izany noho ny hanazava an’ilay izy. Nampian’i Chris tsikelikely anefa izy mba hanazava ny heviny. Nampianariny “niatrika ny tena fiainana” izy. Nohazavain’i Chris fa tsy mety ny mitokantokana sy manao izay tiana fotsiny, satria tsy izany no “tena fiainana.” Nianatra niara-niasa tamin’ny hafa àry i Claire.

Tsy natoky tena izy noho ny zavatra efa niainany. Rehefa misy asa ampanaovina azy àry dia mamaly foana izy hoe: “Tsy vitako izany.” Ahoana no nanampian’i Chris azy? Nomeny asa tsotra kely aloha izy, ary nohazavainy hoe: “Izao no fanaovana azy”, sady hoy izy: “Vitanao io!” Faly i Claire rehefa vitany ilay izy. Nidera azy i Chris, ary nanome azy asa hafa indray. Tsy tadidin’i Claire ny toromarika omena azy raha tononina am-bava fotsiny. Mora aminy kosa ilay izy raha soratana. Lasa natoky tena tsikelikely àry izy.

Tena sarotra tamin’i Claire koa ny niresaka tamin’ireo Kristianina mpiara-mivory aminy, satria tsy tia toerana be olona izy. Nipetraka irery teny aloha foana izy, tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Nataony tanjona anefa ny hankeny aoriana avy hatrany rehefa vita ny fivoriana, mba hiresaka amin’ny olona iray.

Afaka niresaka tamin’olona maromaro i Claire, tatỳ aoriana. “Tsy mora anefa izany”, hoy izy. Marina fa sahirana izy rehefa miresaka, nefa mandray anjara tsy tapaka amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Izy io dia fandaharana natao hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, mba hahay hilaza hevitra.

Nahavita dingana sarotra kokoa

Rehefa nihanatoky tena i Claire, dia nanoro hevitra azy i Chris mba hanao mpisava lalana mpanampy. Izany no iantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, izay manokana 50 ora ao anatin’ny volana, mba hitoriana sy hampianarana Baiboly. “Tsy vitako izany”, hoy i Claire.

Nampahery azy anefa i Chris hoe na tsy tratrany aza ny 50 ora dia, fara faharatsiny, mba faly izy satria efa niezaka. Nanandrana àry i Claire, ka tena tiany ilay izy. Notohiziny foana ilay izy, ka vao mainka nahafinaritra azy. Natoky tena kokoa izy, satria hitany fa betsaka ny olona te hianatra Baiboly.

Nolazaina tany am-pivoriana fa tokony handinika ny mpitory raha afaka manao mpisava lalana maharitra, izany hoe mpitory manontolo andro. Tapa-kevitra ny hanao àry i Claire. Inona no vokany? Hoy izy: “Io no asa tsara indrindra!” Lasa ninamana be tamin’ireo mpiara-mivory aminy izy. Faly erỳ ny ankizy miaraka aminy, ary izy koa faly manampy azy ireo amin’ny fitoriana.

Fanampiana an’ireo marary

Marina aloha fa tsy izay rehetra voan’ny aretin’i Asperger no ho afaka ho mpitory manontolo andro. Hitantsika tamin’ny tantaran’i Claire anefa, fa mahavita zavatra be lavitra noho izay eritreretiny izy ireny. Manana fahazarana tsara i Claire, satria tia manao zavatra mitovy foana. Mikaly asa sy azo itokisana koa izy, ka maharitra amin’ny asany.

Araka ny hevitr’i Claire, dia tsara raha fantatry ny olona ifaneraserany hoe voan’ny aretin’i Asperger izy. Amin’izay mantsy azon’izy ireo fa hafa mihitsy ny fahitany ny fiainana sy ny fomba iatrehany azy. Hoy izy: “Heverin’ny olona fa badobado ianao, rehefa tsy hainao tsara ny milaza ny hevitrao.” Tena manampy ny miresaka amin’ny namana azo itokisana.

Manoro hevitra an’ireo voan’ny aretin’i Asperger i Chris sy Claire hoe tsara ny manatratra tanjona kely aloha, ary atao tsikelikely izany. Ilaina koa ny mangataka fanampiana amin’ny olona mahafantatra an’ilay aretina. Hahatsiaro ho misy vidiny kokoa ireo marary amin’izay, ary hahavita hiatrika olana.

Porofoin’ny tantaran’i Claire fa tena azo ampiana sy ampaherezina ireo voan’ny aretin’i Asperger. Manamafy izany ny teniny hoe: “Betsaka amin’ny zavatra ataoko izao no tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho vitako, taona maro lasa izay.”

[Teny notsongaina, pejy 24]

Araka ny hevitr’i Claire, dia tsara raha fantatry ny olona ifaneraserany hoe voan’ny aretin’i Asperger izy

[Efajoro, pejy 22]

ARETIN’I ASPERGER

Ny Dr. Hans Asperger no nahita an’io aretina io voalohany tamin’ny 1944, ka nampitondraina ny anarany ilay izy. Nisy fikarohana be dia be natao tato anatin’ireo taona faramparany, ka nahafantarana kokoa an’ilay aretina sy ny fomba hanampiana an’ireo voan’izy io, izay mihamaro hatrany. Mbola tsy fantatry ny mpikaroka hoe aretin-tsaina tsy dia mahery ve izy io, sa aretina hafa mihitsy. Tsy hita koa hatramin’izao ny antony mahatonga azy io. Tsy miankina amin’ny fomba nitaizana ny ankizy anefa izy io, ary tsy hoe izay tsy ampy fitiavana no voany.

[Efajoro, pejy 24]

AHOANA NO HANAMPIANA AN’IREO VOAN’NY ARETIN’I ASPERGER?

Ataovy izay ahafantarana kokoa an’ilay marary, ary anehoy fiheverana izy. Tadidio fa te hana-namana izy sady mila an’izany, na dia mety ho sarotra aminy aza ny hanombo-dresaka. Tsy fanahy iniany ny ho sarotra ifandraisana na hafahafa.

Manàna faharetana, ary miezaha hahatakatra ny manjo azy. Ataovy mazava tsara ny teninao, satria mety horaisiny ara-bakiteny daholo izay lazainao. Raha mila ovana ny fahazarana efa narahiny, dia hazavao amin’ny an-tsipiriany izany. Azo atao mihitsy angamba ny mampiseho aminy hoe hoatran’izao no tokony hataony.

Raha miasa saina loatra izy noho ny zavatra mampalahelo hitany na reny, dia asaivo mifantoka amin’ny sary mahafinaritra izy, na ampihainoy mozika malefaka.

[Sary, pejy 23]

Niezaka nitady namana i Claire

[Sary, pejy 23]

Hazavain’i Chris amin’i Claire ny tokony hataony, rehefa miara-miasa amin’ny hafa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara