Ny asa misionera: avelao hitranga izay hitranga!
Nataon’i Eric Britten
COVENTRY (Angletera), tamin’ny fito ora hariva, ny 14 novambra 1940. Tsitapitapitr’izay dia namakivaky ny habakabaka ny fanenon’ny anjombona, nanambara filatsahan’ny baomba avy eny amin’ny habakabaka. Izany no nialoha ny anankiray tamin’ny zera baomba naharitra indrindra teo amin’ny tantaran’ny ady amin’ny andro ankehitriny. Rehefa manomboka miraraka ny baomba, dia mpitory maharitra folo hafa (mpitory manontolo andro) sy ny tenako no lasa niafina tao ambany tohatry ny “tranon’ny mpitory maharitra” nonenanay. Lasa tany amin’ny vadiko ny eritreritro: tsy tao izy fa lasa nitsidika an-dreniny. Tsy naninon-tsy naninona ve izy?
Tamin’ny fonay rehetra, dia nitalaho tamin’i Jehovah izahay mba hiaro anay. Tafavoaka soa aman-tsara tamin’io loza io izahay, ary renay taty aoriana kely fa tsy naninon-tsy naninona koa ny vadiko sy ny mpikambana rehetra tao amin’ny kongregasiona kelinay. Fanamaivanana re izany! Nitovy fihetseham-po tamin’ny mpanao salamo izay nihiaka toy izao izahay: “Ny famindramponao [ny hatsaram-ponao, MN ], Jehovah ô, no nanohana ahy.” — Salamo 94:18.
Niharam-pahoriana aloha be
Hatramin’ny nahaterahako tamin’ny janoary 1910, dia notezaina tao anatin’ny fianakaviana tsy mora nilefitra sy tia fivavahana aho, ary tiako ny milaza fa nahasoa ahy tokoa taty aoriana izany fampianarana araka ny Baiboly aloha be izany. Voamarina indrindra izany taorian’ny nahafatesan’ny reniko izay nitranga tamin’ny janoary 1922, rehefa zara raha feno roa ambin’ny folo taona aho.
Tokony ho tamin’izany fotoana izany ihany koa, ny raiko, na dia anisan’ny “Kristadelfa” (na “Mpirahalahy ao amin’i Kristy”) aza, dia naka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly (ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao) fitohitohizan’ny Etudes des Ecritures nataon’i C. Russell. Ny nanaitra ny sainy indrindra dia ny fanazavana nifandrindra ny fampianarana ny amin’ny avotra (Matio 20:28). Nino mafy izy fa ny kristiana izay nanaiky ny fampianarana ny amin’ny avotra dia nanana andraikitra hiresaka ny amin’izany amin’ny hafa. Tsapany anefa fa izany indrindra no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly; koa nitodika tany amin’izy ireny izy.
Teo am-piandohan’ireo taona roapolo, ny raiko dia nanomboka namonjy ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly tany Coventry, ary nentiny niaraka taminy aho. Tsy ela izahay dia nandray anjara tamin’ny asa fitoriana. Raha efa izany dia tonga ny fotoana hanokanan’ny raiko tena (na hanolorany tena ho an’i Jehovah, araka ny filaza azy amin’izao andro izao) sy hanaovana batisa azy; tamin’ny 1924 izany. Tamin’ny 1926 aho dia mba natao batisa koa, teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonako. Ny taona nanaraka, tamin’ny oktobra 1927, dia mbola namely indray ny fahoriana: maty ny raiko ka namela ahy ho irery niaraka tamin’ny zandriko vavy hotezaina. Lasa nonina tany amin’ireo raibe aman-drenibenay ilay anabaviko; nijanona irery kosa ny tenako.
Vao fito ambin’ny folo taona monja aho, ary tsy maintsy nojerena ny fatin’ny raiko ary natao ireo fandaharana tamin’ny fandevenana azy. Fitsapana mafy ho ahy izany, nefa nitondra ny fanohanany ahy ireo rahalahy kristiana. Nanasa ahy izy ireo mba hiara-misakafo taminy tany an-tranony, niara-nianatra ny Baiboly tamiko ary niaraka tamiko tamin’ny fitoriana, izany rehetra izany, dia mandra-pahazoko herim-po indray. Nankasitrahako aoka izany ny hatsaram-po nasehon’izy ireo tamiko tao anatin’izany fotoana nampanaintaina izany!
Tany Coventry aho no nonina; kanefa tany Birmingham, tanàna teo akaiky, no nahita asa aho. Tao anatin’ny herinandro àry aho dia nanatrika ireo fivoriana tany Birmingham. Tao amin’ny anankiray tamin’ireny fivoriana ireny no nahitako taty aoriana an’i Christina, izay ho tonga vadiko.
Nahazo fanabeazana metodista i Chris, ka izany dia tsy nisakana azy tsy hankany amin’ny fiangonana hafa noho ny fanantenana ny hahita zavatra nahafapo kokoa. Indray alahady maraina, dia tonga tao an-tranony ny Mpianatra ny Baiboly roa ka nametraka bokikely telo ho azy. Fotoana fohy taty aoriana, ny renin’i Chris dia nanatrika fivoriana iray nataon’ny Mpianatra ny Baiboly ary naka boky telo ho an’i Chris. Tamin’izany dia tsy azony natao velively ny naka sary an-tsaina ny ho herin’ireo boky ireo eo amin’ny fiainan’ny zanany vavy. Nanaiky hitory isam-baravarana mihitsy tokoa aza izy io, nefa nianiana tsy hanao izany mihitsy izy taloha!
Nipoaka ny ady
Nanambady an’i Chris aho tamin’ny 1934. Raha vao teo am-piandohan’ny fanambadianay, ny samy zava-nokendrenay dia ny ‘hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha’, ka afaka milaza tsy misy lainga izahay fa nitahy anay Jehovah (Matio 6:33). Namboly faniriana ny ho mpitory maharitra izahay. Koa nanao fandaharana izahay mba hisian’ny mpitory maharitra hafa ho tonga hiara-honina aminay sy hiara-manomboka ny asa eo anilanay. Tamin’io fotoana io koa anefa, tamin’ny 1939, dia nananontanona ny ady; ny rehetra tao Conventry dia toa niomana ho amin’ny vanim-potoam-pihafiana lava ka niantoka ny fiarovana azy ireo amin’izay mety ho zera baomba.
Raha nitondra fitsapana ho an’ny rehetra ny Ady Lehibe Faharoa, dia toy izany indrindra izy ho an’ireo rahalahinay rehetra. Fototry ny orinasa i Conventry ka ilay tanàna no tena fikendrin’ny mpanjera baomba alemana indrindra nandritra ny enintaona teo ho eo. Nilaza alina maro tsy nahitan-tory ho anay izany. Nandamina fiaretan-tory izahay mba hiarovana ny “tranon’ny mpitory maharitra” nisy anay sy ny an’ireo nanodidina anay. Niaraka tamin’ireo, dia nifanaraka izahay fa hifandimby hiambina indray alina isan-kerinandro avy. Imbetsaka no kely foana sisa tsy nahavoa anay. Indray andro, dia nipoaka ny zera baomba raha nandeha nitsidika olona iray mba hiresaka ny amin’ny Baiboly taminy i Chris. Nandrava tanteraka ireo trano nanodidina ny nisy azy ny baomba.
Nogadraina dia nalefa
Ho fanampin’ny fitsapana anay, dia nanomboka namely anay ireo manam-pahefana noho ny fialanalananay. Izany no antony nitanana am-ponja kelikely anay sy Chris. Vantany vao afaka ny saziko, dia nampangaina indray aho ka tany an-tranomaizina indray. Nantsoinay hoe kilalaon’ny saka sy totozy izany hafetsena izany, satria matetika tokoa ny saka tsy mandefa ny rembiny raha tsy mba hiantorahana eo aminy indray.
Kely dia kely ny fifampikasohanay tamin’ireo mpiambina ny tranomaizina, kanefa nitranga indraindray ny fahafahana hitory tamin’ny sasany tamin’izy ireo. Tsaroako ny mpiambina iray natao hoe Beveridge izay, tamin’ny fitsarana ahy voalohany, dia nanao ho fihomehezana ny toeram-pialanalananay. Rehefa nosamborina fanindroany aho, dia niova kely ny fihetsiny. Taorian’ny fanamelohana ahy fahatelo, dia niseho nandray tanteraka izy, na dia voafetra tokoa aza ny fahafahana hiresaka taminy. Rehefa tafavoaka ny tranomaizina aho, dia namoy izay rehetra mety ho fifampikasohana taminy.
Taona maromaro taty aoriana, raha mbola tany Portiogaly izahay, dia nisy taratasy voarainay avy amin’ny biraon’ny Fikambanana tany Brooklyn. Nampandre anay io taratasy io fa ny olona iray atao hoe Eric Beveridge dia voatendry ho any Portiogaly tamin’ny naha-olona nahazo diplaoma avy any Gileada (Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower mampiofana misionera) azy. Toy inona moa ny fifaliana nandre fa ny rainy dia ilay mpiambina ny tranomaizina tsara fikasa teo anoloanay! Niala tamin’ny asany izy taty aoriana ka tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Ny asa misionera sy ny zava-tsarotra hafahafa tsy maintsy noresena
Rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1945, dia niditra tao anatin’ny dingam-pandrosoana sy fitarana ny asa tany Angletera, toy ny tany amin’ny faritra maro hafa amin’ny gilaoby. Ny Rahalahy Knorr, prezidan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, sy ny rahalahy Henschel dia tonga nitsidika an’i Grande-Bretagne. Tamin’io fotoana io izy ireo dia nanao fivoriana manokana niaraka tamin’ny mpitory maharitra rehetra izay liana ta-hahafantatra ny amin’ny Sekolin’i Gileada, izay notokanana tamin’ny febroary 1943. Nanatrika an’io fivoriana io izahay, avy eo dia nameno fangatahana. Nefa tsy nanantena ny ho voantso mihitsy izahay.
Tamin’ny 1946, ny Fikambanana dia nanasa ahy hanao ny raharahan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany tany Grande-Bretagne, izany hoe hitsidika kongregasiona maromaro. Nanana izany tombontsoa izany aho nandritra ny telo taona, avy eo, tamin’ny fotoana tsy nampoizina indrindra, dia naharay taratasy fameno ho an’ny sekolin’ny misionera izahay. Nofenoinay avy hatrany izany, ary fotoana fohy taorian’izany, dia nasaina izahay hanaraka ny fianaran’ny kilasy faha-15, izay nanomboka tamin’ny febroary 1950. Nandany ireo dimy volana nanaraka tany amin’ny Sekolin’i Gileada (tany amin’ny fanjakan’i New York) izahay. Tany izahay dia nandray soa tamin’ny fianarana be dia be ny Baiboly sy ny fiarahana amin’ireo kristiana matotra, ka izany dia mbola fahatsiarovana tsy hay hadinoina ihany ho anay. Vetivety ny fandehan’ny fotoana mandra-pahatongan’ny 30 jolay 1950, andro nihaonanay rehetra tao amin’ny Yankee Stadium ho amin’ny fizarana diplaoma. Aiza no halehanay? Any Brésil.
Novohana ny tranon’ny misionera tany Santos (Brésil), seranana mpanondrana kafe. Anisan’ny antoko-misionera valo samy voatendry hanomboka ny asanay tao amin’io toerana io izahay. Tamin’ny voalohany dia nila fotoana fanazaran-tena tamin’ireo fanao vaovao sy ny fiteny portiogay izahay. Azo lazaina hoe mora amin’ny zaza iray ny mianatra fiteny iray. Fa ho anay kosa izay efa eo amin’ny efapolo taona, dia tsy mora velively izany. Indray andro aho dia lasa nividy mofo dipaina niaraka tamin’ny misionera hafa iray. Ny teny portiogay nadika hoe mofo dipaina (pão) dia mitovy amin’ilay adika hoe tehina (pau), ka ny voalohany tononina amin’ny feo somary an’orona. Nefa noho izahay tsy mbola nahay tsara ny fanononana an’orona, dia nangataka tehina (paus) tamin’ilay mpivaro-mofo izahay ka gaga izy ary nilaza taminay fa tsy nanana!
Nila fotoana izahay mba ho zatra fanao hafa iray koa: ny fomba fanekena rehefa mampiantrano anay ny tompon-trano iray. Tamin’ny famaliana hoe “Muito obrigado” (misaotra be dia be), dia nanantena izahay fa hahazo fanalana hetaheta. Tamin’ilay tompon-trano anefa, dia nilaza fandavana izany! Tamin’ny farany, dia hainay ny fitenenana nety: “Aceito” (tiako tokoa), izay nahafaly ny mpampiantrano anay — sy izahay koa!
Tsy maintsy nianaranay koa aza ny “fandondonana” tamin’ireo varavarana. Heveronareo fa ny fanao breziliana dia mitaky ny hitehafana mafy dia mafy amin’ny tanana eo anoloan’ny varavarana fidirana. Tamin’ny voalohany dia gaga foana izahay rehefa namaly ny antsonay ireo mponina tao an-trano, nefa vetivety foana dia zatra izahay.
Mampalahelo anefa fa zara raha vao enimbolana no tany Brésil izahay, dia voan’ny aretin-tsinay avy amin’ny “amibes” aho. Nampaosa ahy ny fitsaboana naharitra narahiko tamin’io aretina io. Tamin’ny farany, araka ny torohevitry ny mpitsabo, dia nody tamin’alahelo tany Grande-Bretagne izahay tamin’ny martsa 1954. Tany, tao amin’ny toetr’andro tsy nafana tsy nangatsiaka kokoa, dia nihasalama tsikelikely aho. Tao anatin’ny fotoana fihatsarako anefa dia naharay taratasy tsy nampoizina aho.
Fanendrena hafa dia hafa
Nasain’ny Fikambanana ho any Portiogaly izahay. Norarana ny asa tany, ka noroahina tsy ho ao amin’ilay tany ireo mpiandraikitra ny sampana roa teo aloha. Afaka niditra tany Portiogaly aho araka ny fitsipika itondrana ny masoivoho amin’ny raharaham-barotra tamin’ny fiantohan-draharaha britanika iray, ka tonga tany niaraka tamin’ny vadiko aho tamin’ny novambra 1954.
Rehefa avy nahita asa fitoriana nalalaka dia nalalaka izahay tany Brésil, tsy ela dia nahatakatra fa tokony ho malina izahay ary tsy hisehoseho tany Portiogaly. Koa satria norarana ny asanay, dia tsy afaka nampahafantatra ankarihary ny tenanay ho Vavolombelon’i Jehovah izahay. Tena zava-tsarotra tsy maintsy nosetraina ny fitoriana isam-baravarana, satria tsy fantatray mihitsy ny hoe hifanehatra amin’iza izahay. Raha niseho ho ta-hahafanta-javatra loatra na nankahala ny olona iray, dia nandao ilay faritany fotsiny izahay mba hiverenana tao indray andro any. Sarotra ny nahazo fanekena hampandroso, satria niahiahy ny hafa firenena ny olona, ary tsy nisy nahagaga mihitsy tamin’izany. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny vehivavy iray anefa i Chris, ka taty aoriana dia niaiky taminy io fa tena natahotra ny hampiditra olona tsy fantatra tao an-tranony izy. Kanefa nahoana no nanao izany izy?
Teo am-pivavahana tamin’Andriamanitra io vehivavy io mba hampisehoany azy ny lalana tsara raha nandondòna tao am-baravarany i Chris. Fifanandrifian-javatra tokoa izany, hany ka tsy nisalasala izy nampandroso azy! Natomboka ny fampianarana ny Baiboly ka noho izany dia nandroso io vehivavy io sy ny zanany zatovovavy ary tonga hatramin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra sy ny batisa. Mbola tsy mivadika ao amin’ny fahamarinana ihany izy ireo.
Tamin’izany fotoana izany, dia izahay sy Chris ihany no misionera tany Portiogaly, nefa afaka naniraka hafa tsikelikely tao amin’ilay tany ny fikambanana. Nandroso haingana ny asa, indrindra fa tany Lisbonne renivohitra. Niteraka fanoherana izany fitomboana izany. Nisy rahalahy maromaro nampidirina am-ponja, ary boky maro no nalaina an-keriny.
Niharan’ny famelezana farany izahay tamin’ny 1962 rehefa nodidiana izahay mivady sy ny misionera efatra hafa mba hiala tao amin’ilay tany. Niangavy izahay mba hihaona tamin’ny filohan’ny polisy miafina mba hiheverana indray ny toeranay, satria tsy nanao afa-tsy ny nampianatra ny Baiboly ny olona izahay. Nianina tamin’ny famaliana toy izao izy: “Nanararaotra nandritra ny fito taona ny fitiavan’ny Portiogay mandray vahiny ianareo. Tsy hanitsaka intsony mihitsy an’i Portiogaly ianareo.” Ketraka izahay.
Faran’izay sarotra ny mahatsiahy ireo fihetseham-po nanetsika anay rehefa nieritreritra ny hoe hiainga, taorian’ny fito taona nahafinaritra lany tao amin’io faritany io. Raha lazaina ny zavatra rehetra, dia sarotra taminay kokoa ny nandao an’i Portiogaly noho ny nandao an’i Grande-Bretagne tamin’ny 1950 mba ho any Gileada. Niaraka akaiky tamin’ireo rahalahy tamin’ny fitoriana izahay; niombom-pifaliana sy zava-nanahirana tamin’izy ireo izahay. Ary toa niainga izahay tamin’ny fotoana nilana indrindra tsy nisy toy izany ny fanampianay sy ny fanohananay. Tsy navela hisafidy anefa izahay. ‘Vita teo ny fiainanay, tamin’ny naha-misionera’, izany no eritreritray tamin’alahelo rehefa niondrana ho any Grande-Bretagne izahay.
Avy any Grande-Bretagne mankany Amazonia!
Tany Angletera izahay dia nanohy nanompo manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra manokana, nefa nisy zavatra tsy ampy taminay. Manina ny fotoana nahafinaritra naha-misionera anay izahay, ary naniry fatratra ny ho tonga toy izany indray. Naniry mafy izany izahay, hany ka tamin’ny farany dia nanoratra tamin’ny Fikambanana mba hahafantarana raha azonay natao ny nandeha ho any amin’ny faritany hafa iray, na dia efa dimampolo taona mahery aza aho ary sivy amby efapolo taona i Chris. Alao sary an-tsaina ny fahasambaranay rehefa naharay fanasana iray hiverina tany Brésil izahay! Hilasy ao amin’ny tranon’ny misionera any Belém izahay, dia tanàna iray tsy lavitra ny vavaranon’i Amazone.
Nankasitrahanay aoka izany ny taratasin’ny Fikambanana izay nampahafantatra anay ny toetr’andro any Belém — “mafana sy mando” — ka nanome anay fahafahana handa an’io fanendrena io. Nentanin-kafaliana anefa izahay rehefa nieritreritra ny hoe hiverina tany Brésil, na dia tany amin’ny faritra hafa amin’ilay tany aza izany. Nanaiky tamin’ny fo rehetra izahay, ary raha vao niandoha ny taona 1964, dia tao amin’ny faritaninay vaovao izahay.
Rehefa herintaona no niasanay tao Belém, dia nasaina ho tonga mpiandraikitra ny fizaran-tany aho ka hitsidika ireo kongregasiona tao amin’io faritra io. Raharaha sarotra izany. 1 300 kilaometatra eo ho eo ny halavan’ilay fizaran-tany ary 500 ny sakany, ary nahafaoka ireo moron’i Amazone roa izany. Fa raha ny amin’ny hafanana, dia nilainay fotsiny ny ho zatra tamin’izany! Tsy zarizary matetika ny toe-piainana. Vitsy na dia ny lalana tany aza tamin’izany fotoana izany. Namovoka izy ireny tamin’ny main-tany. Tamin’ny fotoan’ny ranonorana dia nanjary tsy azo naleha izany.
Ankoatra ny fitokisana tanteraka tamin’i Jehovah sy ny fiarovany, dia nilainay mafy ny nandray zavatra ho fihomehezana. Rehefa nitsidika tany amin’ny fianakaviana Vavolombelona iray tany amin’ny faritra mitokana izahay, dia voatery natory tao amin’ny tranon-tsoavaly iray. Tamin’ny maraina, dia nifoha feno ra i Chris. Noho ny fieritreretana fa nisy zavatra mafy nitranga taminy, dia niantso ny tompon-trano izahay. Akory ny hagaganay fa tsy taitra akory izy nampahafantatra anay fa angamba nokekerin’ny vampira izy! Ny boky fakana hevitra iray dia manazava fa anisan’ny ramanavy any Amazonie ny ‘vampira mpitsetsi-dra (Dysopes), izay tsy mampidi-doza velively araka ny lazain’ny fitantaran’ireo mpandeha’. Raha fantatray mialoha izany, dia ho nanalavitra ny tahotra toy izany izahay.
Rehefa nandany herintaona tao amin’ny fizaran-tany izahay, dia nangatahina mba hiainga ho any Rio de Janeiro, avy eo, taty aoriana, dia tany São Paulo, izay iasanay hatramin’ny taona maromaro izao. Sariaka sy tia fisakaizana ny Breziliana, ary tsapanay tamim-pahafinaretana lehibe fa feno fitiavana sy tia mampiantrano vahiny tokoa ireo rahalahinay tao amin’io faritra io koa. Tao anatin’izany fotoana izany koa dia nandia fisehoan-javatra kely maro nampandroso izahay.
Rehefa nitehatehaka teo anoloan’ny trano iray i Chris indray andro dia nahita zazalahy iray nanatona azy. Nilaza taminy izy io fa tsy afaka niseho ny reniny satria teo am-pitomaniana. Noho ny fanahiany fa hoe nisy zavatra tsy nandeha tao, dia izao no navalin’i Chris: “Lazao aminy fa te-hiresaka aminy senhora Christina.” Tonga tamin’izay ny renin’ilay zazalahy ka nanontany hoe: “Ho hainao ve ny hiresaka amiko ny amin’ny Baiboly?”
“Noho izany antony izany indrindra no maha-eto ahy!” hoy ny navalin’i Chris, ary dia nanasa azy hiditra io vehivavy io. Teo ambony latabatra dia nisy Baiboly lehibe nivelatra teo amin’ny andinin-teny novakin’ilay vehivavy noho ny fanantenana ny hanovo fampaherezana tao. Very hevitra io vehivavy io satria lasa nandeha hatramin’ny herinandro ny vadiny taorian’ny fifandirana nampisara-kevitra azy ireo.
“Lehilahy tsara sady ray tsara izy, hoy ravehivavy, ka matoky aho fa tsy lasa niaraka amin’olon-kafa izy.” Nasehon’i Chris azy ny andinin-teny vitsivitsy momba ny fiainam-pianakaviana, ary nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy tamin’ny alalan’ilay boky hoe Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izy. Tamin’io takariva io ihany ilay vehivavy dia tonga tamin’ny fivoriana iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Noho izahay tsy maintsy miainga ho any amin’ny kongregasiona hafa iray tamin’ny faran’ny herinandro, dia nankinin’i Chris tamin’ny Vavolombelona iray teo an-toerana io fampianarana io. Rehefa afaka enimbolana taty aoriana, tamin’ny fiverenana nitsidika an’io kongregasiona io, toy inona moa ny fifalianay tafahaona, tsy tamin’io vehivavy io ihany, fa tamin’ny vadiny sy ny zanany telo koa! Fotoana kelikely taty aoriana, dia samy natao batisa izy mivady mba ho tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Na dia efa fitopolo taona mahery aza izao izahay sy Chris, dia mbola manana hery hanohizana hiasa amin’ny maha-misionera ihany, ary izany dia noho ny hatsaram-pon’i Jehovah. Mazava ho azy fa tsy mandeha lavitra foana toy ny taloha intsony izahay. Tombontsoa kanto tokoa ny nifankahalalana sy ny niaraha-niasa tamin’ny misionera za-draharaha maro toy izany ary tamin’ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ny tany samihafa niasanay! Faly izahay satria niezaka foana raha vao tamin’ny voalohany mba ‘hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha’ eo amin’ny fiainanay. Nandritra ny telopolo taona mahery izahay dia nahita ny fifalianay tamin’ny asa misionera. Eritreretinay matetika ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Fa tsara Jehovah; mandrakizay ny famindrampony [hatsaram-pony, MN ].” (Salamo 100:5). Velom-pisaorana azy tokoa izahay noho izany!
[Teny notsongaina, pejy 25]
Niezaka foana izahay mba ‘hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha’ teo amin’ny fiainanay, ka nitondra fitahiana be dia be ho anay izany.
[Sary, pejy 24]
Tany Brésil izahay dia nianatra “nandondòna” tamin’ireo varavarana tamin’ny fitehatehafana mafy dia mafy tamin’ny tananay teo anoloan’ny varavarana fidirana.