Tena Nahomby ve Izy Ireo?
Vao 20 taona teo ho eo ilay ankizivavy dia efa mpihira malaza sady mpanankarem-be. Vitsy ny tanora toa azy no lasa malaza be sy mpanefohefo. Nanomboka nikororosy anefa ny fiainany. Indroa nisara-panambadiana izy, ary lasa mamo lava sy mpidoroka zava-mahadomelina, ka tsy maintsy notsaboina tany amin’ny toby fanarenana. Simba tanteraka ny fiainany.
MAMPALAHELO fa tsy maningana ny tantara toa an’io. Matetika ny filazam-baovao no miresaka olo-malaza manana fiainana toy izany. Be zava-manahirana koa, na dia ny mpandraharaha heverina ho tafita sy mahomby aza. Hoy ny gazety iray, momba ireo mpanefohefo any New York: “Mahatonga olona maro hamoy ny asany sy ho rava tokantrano ary hampiasa zava-mahadomelina ny faniriana hahazo tombony be dia be. ... Mahazo fanampin-karama betsaka ny olona sasany miasa ao amin’ny bankin’i Wall Street, ka lasa mizahozaho. Ny hafa kosa manomboka kivy noho izy terena hahavita zavatra be, ary misy aza mamoy fo.”
Mahita olana ve izy ireo satria te ho sambatra sy hahomby, nefa diso lalana? Marina fa mila vola isika mba hivelomana. Tsy maintsy manankarena ve anefa isika vao hahomby? Tsy izany no asehon’ny fanadihadiana. Nitombo 250 isan-jato eo ho eo, ohatra, ny vola miditra amin’ny olona any Chine, tato ho ato. Vao mainka anefa izy ireo tsy afa-po amin’ny fiainana.
Tsy maintsy ho zavatra misy lanjany kokoa àry no ahitana ny tena fahombiazana, fa tsy ny asa tsara na trano na fiara lafo vidy. Ny maha izy an’ilay olona, toy ny fitsipika arahiny sy ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana no ahitana raha tena mahomby izy. Mety ho tsara fitafy sy manana toerana ambony ny olona sasany, nefa ratsy fitondran-tena sy tsy tia olona ary tsy manana tena namana. Ny hafa indray mety ho malaza sy mpanefohefo, nefa rehefa mandinika ny fiainany izy, dia mieritreritra hoe: ‘Mitondra ahy mankaiza anefa ireo rehetra ireo? Toa tsy misy dikany ny fiainako!’
Tsy mahagaga àry raha toa ny olona tena mahomby ka mifantoka amin-javatra misy lanjany kokoa, toy ny fitsipika tsara itondrany ny fiainany. Hilamin-tsaina izy amin’izay, ary hanana ny hajan’ny tenany sy hohajain’ny hafa. Hisy zava-kendrena koa ny fiainany sady hahafa-po azy, satria tsy mitady izay hahasoa ny tenany fotsiny izy. Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Fitsipika inona izany? Ary zava-kendrena inona?’ Hiantehitra amin’ny fahendrentsika ve isika mba hahitana ny valin’ireo, sa tsy maintsy mitady any an-toeran-kafa? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Efajoro, pejy 3]
VIDINA LAFO NY FAHOMBIAZANA
Hitan’ny mpikaroka fa mihamaro ny tanora mpanao fanatanjahan-tena mampiasa fanafody mampahatanjaka nefa mankarary. Hoy ny Vaovao Farany Momba ny Fanabeazana (anglisy): “Vao haingana dia nisy mpianatry ny oniversite nanontaniana hoe: ‘Aoka hatao hoe handresy na ho voaray ho anisan’ny ekipa iray ianareo, raha mampiasa fanafody mampahatanjaka. Raha fantatrareo anefa fa hankarary anareo ilay izy afaka dimy taona, mbola hampiasa ihany ve ianareo?’ Saika ny rehetra no namaly hoe eny. Rehefa nanontaniana indray izy ireo hoe ‘Ary raha hahafaty ilay izy afaka dimy taona?’, dia mbola ny roa ampahatelony no nilaza fa hampiasa.”