Fa Nankaiza Daholo ny Trondro?
“Mpanjono hatramin’ny taona maro aho. Nisy fotoana nahazoanay trondro be dia be, ary indraindray tsy nahazoanay firy. Izao anefa no tena zara raha mahazo satria vitsy kely ny trondro”, hoy i George, 65 taona, any Angletera. “Fongotra daholo ny salmôna, lamoria, orana... ny hazandrano rehetra e!”
TSY i George irery no manahy toy izany, fa mpanjono maro eran-tany. Hoy i Agustín, kapitenin’ny sambo mpanjono lehibe iray, any Peroa: “Efa 12 taona izay no tsy nisy firy ny sardinina. Tsy lany lanina ny trondro teto Peroa taloha, nefa imbetsaka izahay izao no tsy mahazo mihitsy mandritra ny volana maro. Tsy mandeha mihoatra ny 25 kilaometatra miala ny morontsiraka izahay taloha rehefa manjono, fa izao kosa tsy maintsy mandeha 300 kilaometatra.”
Hoy i Antonio, mipetraka any Galice, Espaina: “Efa 20 taona mahery izay no nanjonoako. Hitako mihitsy hoe nihavitsy hatrany ny trondron-dranomasina. Be loatra ny trondro alain’ny olona, ka tsy mety tafaverina amin’ny laoniny ny habetsahany.”
Tsy hita amin’ny sary toy ny fandripahana ny ala ny fanaratoana mihoa-pampana any an-dranomasina. Tena ripaka anefa ny trondro. Izao no fampitandreman’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO): “Tena ratsy ny toe-javatra sady mampanahy. Efa ho ny 75 isan-jaton’ny toerana fanjonoana maneran-tany mantsy izao no tsy misy trondro intsony.”
Ny trondro no tena ahazoan’ny ampahadimin’ny mponina eran-tany proteinina. Sakafo tena ilaina àry ny trondro, nefa atahorana ho fongotra. Tsy mitovy ny habetsahan’ny trondro any an-dranomasina. Tsy misy zavamananaina firy any ampovoan-dranomasina, amin’ny ankapobeny. Ireo faritra akaikin’ny morontsiraka matetika no tena be trondro. Toy izany koa ireo faritra misy zavatra mahavelona avy any ambanin’ny ranomasina. Ireny zavatra mahavelona ireny no hanin’ireo zavamananaina bitika, izay sakafon’ny hazandrano. Manimba ny toerana fanjonoany, izay miantoka ny fivelomany, anefa ny mpanjono. Nahoana isika no milaza izany? Andeha hojerentsika ny zava-nitranga tamin’ny toeram-panjonoana iray.
Ny Ranomasina Grand-Banc
Niainga avy any Angletera i John Cabot,a mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 1497, ary nandeha sambo namakivaky ny Ranomasina Atlantika. Hitany tamin’io diany io ilay toeram-panjonoana antsoina hoe Grand-Banc, ranomasina marivo akaikin’ny morontsirak’i Kanada. Tsy ela dia mpanjono an-jatony no nirohotra nankany mba hanarato. Mbola tsy nisy Eoropeanina nahita toerana be lamoria toy izany.
Sarobidy toy ny volamena ny lamoria. Mbola be mpitady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izy io, noho ilay nofony fotsy tsy misy taviny. Milanja iray kilao ka hatramin’ny sivy kilao ny lamoria ao amin’ny Ranomasimbe Atlantika, fa misy mitovy habe amin’ny olona kosa ny ao amin’ny Grand-Banc. Nitombo ny habetsahan’ny trondro azon’ny mpanjono, tatỳ aoriana, rehefa nampiasa harato tarihin-tsambo sy tadim-pintana lava be misy lelam-pintana an’arivony izy ireo.
Ny vokatry ny fandrosoana
Nanomboka nanahy ny Eoropeanina sasany, tamin’ny taonjato faha-19, hoe mety ho fongotra ny trondro, indrindra fa ny harango. Nilaza toy izao anefa ny Profesora Thomas Huxley, tamin’ny Foara Iraisam-pirenena Momba ny Fanjonoana, tamin’ny 1883: ‘Tena vitsy ny trondro alaintsika raha oharina amin’ny habetsahan’ny trondro [any an-dranomasina]. Mino aho fa tsy ho tapitra mihitsy ny trondro ao amin’ny toerana fanaratoana lamoria, ary na dia ny any amin’ny toeram-panjonoana hafa aza.’
Mbola natoky ny tenin’i Huxley ny olona, na dia efa nisy orinasa nampiasa sambo mpanjono nandeha tamin’ny etona aza, tao Grand-Banc. Nihamaro ny mpividy lamoria, indrindra taorian’ny 1925, rehefa nahita ny fomba fitehirizana trondro ao anaty gilasy i Clarence Birdseye avy any Etazonia. Nampiasa sambo nandeha tamin’ny solika indray ny mpanjono, ka vao mainka be dia be ny trondro azo. Nitombo hatrany anefa ny fakana trondro.
Tonga tao Grand-Banc ny sambo anglisy iray, tamin’ny 1951. Nirefy 85 metatra izy io ary nahazaka entana 2 600 taonina. Io no sambo voalohany nisy fitaovana fampangatsiahana sy famonosana trondro vao avy noharatoina. Nisy milina fampiakarana ny harato feno trondro teo amin’ny vodisambo. Nanana fitaovana manala taolan-trondro sy mampivaingana trondro koa io sambo io. Nisy fitaovana fikarohana trondro koa tao, ka be dia be ny trondro azo, na andro na alina, nandritra ny herinandro maromaro.
Tsy ela dia lasa an-jatony ny sambo lehibe toy izany nanarato teny an-dranomasina. Nahatratra 200 taonina isan’ora ny trondro azon’izy ireo. Nahazaka entana 8 000 taonina ny sambo sasany, ary omby fiaramanidina lehibe mihitsy aza ny haratony.
Vokany mangidy
Hoy ny boky Ny Fiafaran’ny Ranomasimbe (anglisy): “Mbola nino ny olona taloha kelin’ny 1980, fa tsy ho lany mihitsy ny trondron-dranomasina.” Nihamaro ny sambo vaventy nanarato tao Grand-Banc, nanomboka tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1989. Nilaza ny mpahay siansa fa efa ho fongotra ny lamoria tao. Olona an’aliny anefa no nivelona tamin’ny fanaratoana lamoria. Tsy sahy namoaka didy tsy tiam-bahoaka koa ny mpitondra. Nilaza ny mpahay siansa tamin’ny 1992, fa nihena 98,9 isan-jato ny lamoria tao Grand-Banc, tao anatin’ny 30 taona. Norarana àry ny fanaratoana lamoria tao Grand-Banc. Tara loatra anefa izany. Anisan’ny toerana be trondro indrindra teto an-tany i Grand-Banc taloha, nefa fongotra ny trondro tao, 500 taona taorian’ny nahitan’ny olona azy io.
Nino ireo mpanjono, tamin’ny 1992, fa hiverina amin’ny laoniny tsy ho ela ny habetsahan’ny lamoria. Velona mandritra ny 20 taona anefa io trondro io, ary ela be vao afaka manaranaka. Mbola tsy tanteraka foana ny nofinofin’ireo mpanjono, hatramin’izao.
Olana iraisam-pirenena
Hita avy amin’io zava-mitranga tao Grand-Banc io, fa misedra olana ny asa fanjonoana maneran-tany. Hoy ny minisitry ny tontolo iainana any Grande-Bretagne, tamin’ny 2002: “Ny 60 isan-jaton’ny toeram-panjonoana maneran-tany no efa tsy ahitana trondro intsony.” Anisan’ireo trondro atahorana ho lany tamingana izao ny lamàtra, antsantsa, ary fintsilaka.
Maro izao ny firenena mandroso mitady toerana fanjonoana lavidavitra kokoa, satria efa najifa ny trondro tany aminy. Anisan’ny toerana be trondro, ohatra, ny morontsirak’i Afrika. Tsy sahy mandà ny hanome fahazoan-dalana hanjono anefa ny mpitondra afrikanina maro, satria manatevina ny kitapom-bolam-panjakana ny vola azo avy amin’izany. Tsy mahagaga àry raha tezitra ny mponina eo an-toerana rehefa mihavitsy ny trondro any aminy.
Nahoana no mbola mitohy ny fanjonoana mihoa-pampana?
Tsotra ny vahaolana ho an’ny mpitazana: Atsahatra fotsiny ny fanjonoana tafahoatra. Tsy tsotra toy izany anefa ilay izy. Vola be no lany tamin’ny fividianana fitaovana fanjonoana arifomba. Tian’ny mpanjono àry raha ny hafa no mijanona fa tsy izy, hany ka samy manohy ny asany izy rehetra. Anisan’ny mahatonga an’ilay olana koa ny fanjakana, izay tena mamatsy vola ny jono an-dranomasina. Hoy ny gazetiboky Siansa sy Teknolojia (anglisy): “Maro ny firenena tsy te hanaja ny lalàna [napetraky ny ONU] mba hiarovana ny trondro. Ny firenen-kafa no tiany hankatò izany.”
Anisan’ny mahatonga an’ilay olana koa ireo mpanao fifaninanana manjono. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy), araka ny fanadihadiana natao tany Etazonia: “Ireo mpifaninana manjono no mandripaka ny 64 isan-jaton’ny trondro efa ho lany tamingana, ao amin’ny Hoalan’i Meksika.” Olona manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiaraha-monina ireo mpandraharaha amin’ny fanjonoana sy ireo mpifaninana manjono, ka tsy sahin’ny mpitondra atao inona. Aleon’izy ireo àry mampifaly ny vahoaka toy izay hiaro ny trondro.
Ho voaro ihany ve ireo toerana fanjonoana maneran-tany? Hoy i Thorne-Miller tao amin’ny boky iray nosoratany: “Tsy misy azo atao mba hiarovana ny hazandrano any an-dranomasina, raha tsy ny toe-tsain’ny olona mihitsy no miova.” Soa ihany fa efa nanangana Fanjakana iray hiaro ny tany manontolo i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona.—Daniela 2:44; Matio 6:10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Teraka tany Italia i John Cabot, ary nantsoina hoe Giovanni Caboto izy tany. Nifindra tany Bristol, Angletera, izy tamin’ny 1485 tany ho any, ary niala tao tamin’ny 1497 rehefa nanao ilay dia an-dranomasina.
[Teny notsongaina, pejy 21]
Mangadihady toy ny ala naripaka ireo ranomasina tsy misy trondro intsony
[Teny notsongaina, pejy 22]
‘Efa ho ny 75 isan-jaton’ny toerana fanjonoana maneran-tany izao no tsy misy trondro intsony.’—Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena
[Teny notsongaina, pejy 23]
Ny trondro no tena ahazoan’ny ampahadimin’ny mponina eran-tany proteinina
[Sary, pejy 23]
Kambôdza
[Sary, pejy 23]
Trondro hamidy, Alaska
[Sary, pejy 23]
Repoblika Demokratikan’i Congo
[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]
© Janis Miglavs/DanitaDelimont.com
[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]
Ambony: © Mikkel Ostergaard/Panos Pictures; afovoany: © Steven Kazlowski/SeaPics.com; ambany: © Tim Dirven/Panos Pictures