FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/10 p. 16-17
  • Vintsy, Ilay Vorona Mareva-doko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vintsy, Ilay Vorona Mareva-doko
  • Mifohaza!—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitady vady sy manao akany
  • Any Irlandy ka hatrany amin’ny Nosy Salomon
  • Ny Vavan’ny Vintsy
    Mifohaza!—2010
  • Ny Fizahana Vorona — Fialam-boly Mahavariana ho An’ny Rehetra Ve?
    Mifohaza!—1998
  • Ny Biby sy ny Fitaizan-janaka
    Mifohaza!—2005
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 2/10 p. 16-17

Vintsy, Ilay Vorona Mareva-doko

MITSORAKA ao anaty rano izy, nefa tsy tapitapitr’izay dia mivoaka avy ao, sady misy trondro eny am-bavany. Manga manopy maitso izy, na manga marevaka. Izany no tonga ao an-tsain’ny olona raha vao mandre fotsiny hoe vintsy. Mareva-doko ny vintsy ary somary lehibe ny lohany sy ny vavany. Tsy mpihinan-trondro daholo anefa izy ireny. Misy mihinana androngo, bibilava, drakaka, na misambotra bibikely. Ny ampahatelon’ny vintsy ihany no monina eny amoron-drano. Ny hafa kosa any an’ala, na any amin’ireo nosy feno vato harana, na any an-tany efitra. Hita any an-tany efitr’i Aostralia, ohatra, ny vintsy mena lamosina.

Tena kinga ny vintsy mpihinan-trondro. Mitazana tsara avy eny amin’ny toerana avoavo izy, ka raha vao mahita trondro, dia efa miomana hidina. Mijery tsara izy hoe aiza no tena misy ilay trondro, satria tsy voatery ho araka izay hitany avy eny ambony izany. Mikopak’elatra mankao anaty rano haingana izy avy eo. Raha eny ambonimbony ilay trondro, dia raisiny amin’ny tongony fotsiny, fa raha any amin’ny lalina kosa, dia akombony ny elany, ary mitsoraka ao anaty rano izy. Hoy ilay boky hoe Ny Fiainan’ny Vorona (anglisy): “Tena mahavariana ny fomba anaovany izany rehetra izany. Tsy miahotra mihitsy izy na mikaviavia.” Misy aza mahazo trondro maromaro indray miaraka! Ny vintsy any amin’ny tany mangatsiaka kosa mahavita maka trondro ao anaty rano rakotra gilasy manify. Ny vintsy manga lamosina any Aostralia indray misambotra bibikely ao anaty rano.

Mitady vady sy manao akany

Mahatsikaiky ny vintsy rehefa te hivady. Mifanenjika eny am-panidinana aloha izy roa, ary avy eo asehon’ilay vintsy lahy ny fahaizany manorina akany. Ny hafa indray mitondra sakafo tena tian’ny vavy, mba hisarihana azy.

Hafakely ny akanin’ny vintsy. Misy manao tionelina kely eny amin’ny hady na lavaka na tany avoavo amoron-drano, ary any anatiny any no asiany ny tranony. Misy koa mipetraka ao anaty lava-bitro na ao anaty hazo.

Mety hahatratra iray metatra ilay tionelina. Sarotra anefa ny mandavaka azy amin’ny voalohany, ka mahita tetika ny vintsy sasany. Manidina mafy be manitsy an’ilay toerana tiany holoahana izy, ary adonany eo ny vavany. Mampidi-doza anefa izany, satria misy vorona fanina na maty mihitsy aza! Ny vintsy any Nouvelle-Guinée sy Aostralia avaratra indray mandavaka ao anaty votry. Toa tsy mampaninona an’ireo vitsika ao izany. Amboariny fotsiny ny tranony rehefa tsy ao intsony ireo vorona.

Miasa mafy ny vintsy rehefa mamelona ny zanany. Tany Afrika, dia nisy nahita vintsy lahy sy vavy nitatitra trondro 60 na 70 isan’andro ho an’ny zanany dimy, nefa mbola nitady sakafo ho an’ny tenany. Nisy koa vintsy lahy nahavita namelona irery ny zanany, satria maty efatra andro talohan’ny nahafoy azy ireo ny vadiny. Misy karazana vintsy hafa manampy ny namany hikotrika sy hamelon-janaka.

Any Irlandy ka hatrany amin’ny Nosy Salomon

Ahitana vintsy avokoa any Irlandy sy Eoropa ary Rosia, ka hatrany amin’ny Nosy Salomon. Mamanala ny faritra sasany rehefa ririnina, ka misy karazana vintsy mifindra monina, ary tonga hatrany amin’ny 3 000 kilaometatra. Maro ny karazana vintsy hita any akaikin’ny Ranomasin’i Galilia sy ny Reniranon’i Jordana, any Israely. Azo inoana fa nandinika an’ireny vorona tsara tarehy ireny i Jesosy Kristy.—Vakio ilay efajoro hoe “Jereo Tsara ny Voro-manidina.”

Misy karazana vintsy miavaka any Aostralia, satria toy ny olona mikakakaka ny feony. Mirefy 43 santimetatra izy io, ary 10 santimetatra ny vavany. Mivolontsôkôlà izy io, ary fahita eny an-jaridaina. Tsy matahotra mihitsy izy rehefa mihaza, ka mahazo bibilava iray metatra indraindray!a

Tsy dia manana fahavalo ny vintsy. Mihena anefa ny isan’izy ireo vokatry ny fandotoana ny rano sy ny fandripahana ala. Karazana vintsy 25 no efa atahorana ho lany tamingana. Efa ezahina arovana izy ireo izao. Antenaina àry fa tsy ho ripaka ireny vorona tsara tarehy sy mahatsikaiky ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Misy vintsy mitovy amin’io any Aostralia avaratra, saingy manga ny elany, ary tsy mikakakaka izy.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

“JEREO TSARA NY VORO-MANIDINA”

Tia nandinika ny zavaboary i Jesosy Kristy. Matetika izy no nanao fanoharana avy tamin’izy ireny, mba hampianarana momba an’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Nilaza, ohatra, izy hoe: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa ny Rainareo izay any an-danitra manome sakafo azy. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” (Matio 6:26) Manohina ny fo tokoa izany. Nampianarin’i Jesosy fa tia antsika Andriamanitra.

[Sary, pejy 16]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara