FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/10 p. 29
  • Ny Vavan’ny Vintsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Vavan’ny Vintsy
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Vintsy, Ilay Vorona Mareva-doko
    Mifohaza!—2010
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2010
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2010
  • Lamasinina Tsy Misy Kodiarana
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 4/10 p. 29

Nisy Namorona Ve?

Ny Vavan’ny Vintsy

● Efa ho 300 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny fiarandalamby iray any Japon. Anisan’ny haingam-pandeha indrindra eran-tany izy io. Azo lazaina hoe tsy ho nahavita an’izany izy raha tsy nisy ny vintsy. Nahoana?

Eritrereto izao: Zara raha miporitika ny rano rehefa mitsoraka ao mba hisambotra ny hazany ny vintsy. Nahagaga an’ilay injeniera atao hoe Eiji Nakatsu izany. Izy no nitarika ny fanandramana natao tamin’ilay fiarandalamby. Gaga izy hoe inona no mahatonga ny vintsy hahatanty ny fidirana tampoka ao anaty rano. Nahafahana namaha olana iray teo amin’ilay fiarandalamby ny valin’izany. Hoy i Nakatsu: ‘Mihamafy ny fitsokan’ny rivotra rehefa mirimorimo miditra tionelina tery kely ny fiarandalamby. Mifofofofo mafy toy ny hafainganam-pandehan’ny feo izy io rehefa tonga eny amin’ny faran’ilay tionelina. Miteraka hovitrovitra sy feo midoboka be izany rehetra izany, ka nampitaraina ny mponina mipetraka hatrany amin’ny 400 metatra.’

Tapaka ny hevitra fa hatao mitovy amin’ny endriky ny vavan’ny vintsy ny lohan’ilay fiarandalamby faran’izay haingam-pandeha. Inona no vokany? Mitombo 10 isan-jato ny hafainganam-pandehany, mihena 15 isan-jato ny angovo laniny, ary mihena 30 isan-jato ny fitsokan’ny rivotra rehefa miditra tionelina ilay fiarandalamby. Tsy mitabataba be intsony koa izy rehefa miditra tionelina.

Ahoana ny hevitrao? Nisy ho azy ve ny vintsy, sa nisy namorona?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]

Vintsy mitsoraka: Woodfall/Photoshot; fiarandalamby: AP Photo/Kyodo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara