FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/10 p. 16-19
  • Fantaro Ireo Batak

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantaro Ireo Batak
  • Mifohaza!—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanambadiana
  • Toerana mety tsara hambolena
  • Nalaza ratsy
  • Tonga ny tena vaovao tsara
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2010
  • Tena Mahafa-po Ahy ny Fiainako
    Mifohaza!—2011
  • Victoria — Ilay Farihy Lehiben’i Afrika
    Mifohaza!—1998
  • Baïkal Ilay Farihy Lalina Indrindra
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 8/10 p. 16-19

Fantaro Ireo Batak

Nitsidika ny nosin’i Sumatra ilay Italianina mpikaroka tany vaovao antsoina hoe Marco Polo, tamin’ny taonjato faha-13. Nilaza izy fa nisy ‘mponina an-tendrombohitra niaina toy ny biby sy nihinana olona’ tany. Ny Batak, hono, ireo. Tsy izany mihitsy anefa no fahitanay mivady azy ireo. Lasa fantatray sy tianay ny Batak. Hotantarainay aminareo ny mombamomba azy ireo.

TONGA teto Sumatra Avaratra, atỳ Indonezia, izahay ary nihorakoraka niarahaba anay ireo namanay vaovao. Voatendry ho misionera atỳ akaikin’ny Farihin’i Toba izahay, ary anisan’ny toerana tsara indrindra atỳ Sumatra io farihy io. Ny Farihin’i Toba no lehibe indrindra amin’ireo farihy avy amin’ny volkano, ary eny amin’ny manodidina azy no mipetraka ny Batak.—Jereo ny efajoro eto ambany.

Anisan’ny teratany betsaka indrindra eto Indonezia ny Batak. Valo tapitrisa eo ho eo izy ireo ary angamba misy foko enina mahaleo tena, nefa mpihavana daholo. Eo ny Toba, ny Simalungun, ny Karo, ny Dairi, ny Angkola, ary ny Mandailing. Misy fianakaviambe maromaro ao amin’ny foko tsirairay. Rehefa mihaona ny Batak, dia izao matetika no anontaniany voalohany: “Fianakaviamben’iza ianareo?” Miara-mikaroka ny rohim-pihavanany izy ireo avy eo.

Ny fanambadiana

Mampiray fianakaviambe roa ny fanambadiana nentim-paharazan’ny Batak, fa tsy mampiray olon-droa fotsiny. Mety tsara raha zanaky ny iray tam-po amin’ny reny no halaina ho vady. Fady kosa ny manambady zanaky ny iray tam-po amin’ny ray, na olona avy amin’ny fianakaviambe iray ihany. Izao no fanao amin’ny fanambadiana nentim-paharazana: Maka vady avy ao amin’ny fianakaviambe B ny lehilahy avy ao amin’ny fianakaviambe A. Maka vady ao amin’ny fianakaviambe D kosa ny lehilahy ao amin’ny fianakaviambe B, ary ny lehilahy ao amin’ny D maka vady ao amin’ny A. Manamafy ny rohim-pihavanan’ny Batak izany ary mahatonga ny mpivady vao hanana havana maro.

Na efa mpivady ara-dalàna aza ny olon-droa ary efa niteraka, dia tsy manaiky ny fianakaviambeny raha tsy misy fampakaram-bady nentim-paharazana. Mety ho an-jatony ny havana manatrika lanonana be pitsiny toy izany, ary mety haharitra ora maro izy io.

Toy izao, ohatra, no fizotrany ao amin’ny fokon’ny Karo: Isaina tsara ny vodiondry sy ny haren-jazavavy, ary zaraina amin’ny olona voafaritra tsara isaky ny fianakaviambe. Aorian’izay vao azo tohizina ny fampakaram-bady. Misy olona avy amin’ireo fianakaviambe ireo manao kabary lava be momba fiainan’ny mpivady. Mihaino tsara izy mivady. Hanim-pito loha sy dihy no mamarana an’ilay lanonana.

Toerana mety tsara hambolena

Trano lava be no nipetrahan’ny Batak, fahiny. Mampiavaka azy ireny ny tafo miendrika tandrok’ombidia. Misy tongony ny sasany amin’ireny trano voaravaka ireny ary antonona fianakaviana 12 indraindray. Vita amin’ny hazo sy volotsangana ary karazana palmie izy ireny ary tsy nampiasana fantsika. Mbola misy mipetraka hatramin’izao ny maro amin’ireo trano efa 300 taona ireo. Ao ambanin’ny trano no ametrahana ny biby fiompy toy ny omby, akoho, alika, kisoa, ary ombidia.

Ny fambolena, fiompiana, fanaratoana, ary ny fizahan-tany no tena iveloman’ny olona. Misy havoana mikitohatohatra manodidina ny Farihin’i Toba ka mety tsara hambolena, ary maitso mavana ny tanimbary eny. Maniry tsara eo amin’ilay tany volkanika lonaka ny kafe, voankazo, zava-manitra, ary ny legioma. Mandeha lakana hazo ireo mpanarato ary maka trondro avy ao amin’ilay farihy mangatsiatsiaka sy mangarahara.

Faly erỳ ny ankizy milalao sy milomano ao amin’ilay farihy amin’ny takariva. Ny lehilahy kosa miresadresaka any an’alan-kafe, ary misy feon-kira re, entin’ny rivotra mangatsiatsiaka. Mampahalaza ny Batak tokoa ny feony mafy sy ny fihetseham-pony rehefa mihira. Tia mandihy koa izy ireo ary ahetsiny moramora ny tanany sy ny sandriny. Tsy miaraka ny lehilahy sy ny vehivavy amin’izany.

Nalaza ratsy

Voalazan’ny tatitra tamin’ny andron’i Marco Polo ka hatramin’ny taonjato faha-19, fa lozabe ny Batak ary fanaony ny mihinana ny fahavalony sy ny olon-dratsy. Nilaza anefa i Leonard Andaya, mpampianatra tantara, fa “ny Batak ihany angamba no nanaparitaka ny tsipiriany [sasany] momba an’ilay resaka fihinanana olona. Tsy tiany hiditra ao amin’ny taniny mantsy ny vahiny.” Na marina izany na tsia, dia hoy ny boky iray momba ny fiainan’ny Batak: “Tsy navelan’ny fitondrana holandey hihinana olona ireo faritra nozanahiny, tamin’ny taonjato faha-19.”

Nivavaka tamin’ny natiora ny Batak ary nino andriamanitra sy fanahy maro. Fanaony koa ny manao sorona, miresaka amin’ny maty, manao sikidy, ary manao ody. Nosoratana tamin’ny hodi-kazo ny teny sy ozona ampiasaina mba hamosaviana, hanasitranana, ary hanandroana. Naforiporitra toy ny angorodao ireny hodi-kazo ireny ary nety ho nahatratra 15 metatra. Nisy lamba masina koa notenomina mba handroahana fanahy ratsy sy hilazana ny hoavy.

Voalaza fa Batista ireo misionera tonga voalohany tatỳ tamin’ny 1824, dia i R. Burton sy N. Ward. Tonga teto koa i H. Lyman sy S. Munson, misionera amerikanina, folo taona tatỳ aoriana, rehefa niezaka haka ny ampahany tamin’ilay tany ny Holandey. Sahy nandehandeha tany amin’ny faritanin’ny Batak izy roa lahy ka nisy namono. Mety ho nisy namono koa ny misionera katolika roa, izay efa nilazana mba tsy handeha any amin’ny toerana mampidi-doza sasany, saingy mbola nandeha ihany.

Tsy nisy namono kosa i Ludwig Nommensen, misionera alemà. Niasa tatỳ izy nanomboka tamin’ny 1862, ary tena nahomby. Mbola tsaroan’ny Batak maro aza izy hatramin’izao. Mitonona ho Kristianina ny ankamaroan’ny Batak ankehitriny. Silamo na mpivavaka amin’ny natiora kosa ny ankabeazan’ireo tsy mitonona ho Kristianina. Maro anefa no mbola mifikitra amin’ny fomba nentim-paharazana.

Tonga ny tena vaovao tsara

Tonga tatỳ amin’ny tanin’ny Batak ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1936 tany ho any. Nilaza mialoha i Jesosy fa hotorina “maneran-tany” ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary izany no ataon’ireo Vavolombelona. (Matio 24:14) Maro ny Batak nandray tsara ny hafatra ara-baiboly sy niala tamin’ny finoanoam-poana. Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 30 eo ho eo izao atỳ.—Jereo ny efajoro eto ankavanana.

Matetika izahay mivady no mihaona amin’ny mpizaha tany rehefa mitory ny vaovao tsara. Gaga izy ireo mahita ny hakanton’ny Farihin’i Toba sy ny hatsaran’ny toetrandro atỳ. Tena mitovy hevitra amin’izy ireo izahay. Ny mponina atỳ anefa no tena mahafinaritra, dia ireo Batak sariaka sy tsara fanahy.

[Efajoro, pejy 17]

VOLKANO MIVAIVAY LASA FARIHY MANGATSIATSIAKA

Mirefy 87 kilaometatra ny halavan’ny Farihin’i Toba, ary 27 kilaometatra ny sakany. Io angamba no lehibe indrindra amin’ny farihy avy amin’ny vava volkano. Haharakotra velaran-tany mitovy amin’ny antsasa-manilan’i Madagasikara ny rano ao, ary ho difotra hatrany amin’ny iray metatra izany. Voahodidina tandavan-tendrombohitra maitso mavana, anisan’ny Tendrombohitr’i Barisan, ilay farihy. Tsara tarehy tokoa io farihy io, ka afa-po foana ny mpaka sary na avy aiza na avy aiza no hakany azy.

Fipoahana volkano iray na maromaro no nahatonga an’io farihy io. Mino ny mpahay siansa fa anisan’ny fipoahana nahery vaika indrindra hatramin’izay izany. Feno rano ilay vava volkano ary nantsoina hoe Farihin’i Toba. Mbola nisy nihetsika tany amin’ny fanambanin’ilay farihy, ka nipoitra ny nosy iray tsara tarehy atao hoe Samosir, izay 647 kilaometatra toradroa, izany hoe indroa eo ho eo amin’ny velaran’i Nosy Be.

[Efajoro, pejy 18]

TSARA ERỲ NY TOETRANDRO

Telonjato kilaometatra eo ho eo miala eo amin’ny ekoatera no misy ny Farihin’i Toba, nefa mahagaga fa mangatsiatsiaka erỳ any. Any amin’ny 900 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina mantsy ilay farihy. Feno hazo palmie sy hazo kesika any amin’io toerana mahafinaritra sy mangatsiatsiaka io.

Ilay farihy no mampisaraka ny fonenan’ny biby maro ao amin’ilay faritra. Misy karazana gidro sy rajako tsy hita any atsimo, ohatra, nefa hita any avaratra. Misy biby hafa koa hita any atsimo nefa tsy hita any avaratra.

[Efajoro/Sary, pejy 19]

MPAMOHA ANGATRA LASA KRISTIANINA

Mpimasy i Nursiah. Nampiasa herin’ny maizina izy mba hanasitranana, hamoahana demonia, ary hifandraisana amin’ny “maty.”a Nahazoany vola be izany. Protestanta nohajaina koa izy na dia nampiasa herin’ny maizina aza.

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Nursiah ary gaga rehefa nahalala fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Novakiny tao amin’ny Baiboly tatỳ aoriana fa maro tamin’ireo lasa mpino tamin’ny taonjato voalohany no tsy nampiasa herin’ny maizina intsony, ary nandoro ny bokiny mba haneken’Andriamanitra ny fivavahany. (Asan’ny Apostoly 19:18, 19) Tapa-kevitra ny hanao toa azy ireo i Nursiah, na dia nisy nanohitra mafy aza. Tena natoky an’ity tenin’i Jesosy ity izy: “Ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:32.

Vavolombelona vita batisa izao i Nursiah sy i Besli, zanany lahy, ary manatrika fivoriana tsy tapaka i Nengku vadiny. Hoy i Nursiah: “Tsara lavitra izao ny fiainako satria manompo an’i Jehovah aho! Tena te hahalala ny fahamarinana aho, tamin’izaho mpimasy. Afa-po tokoa aho izao!”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Iza moa Ireo Demonia?”, ao amin’ny pejy 20.

[Sary]

I Nursiah sy ny vadiny ary ny zanany lahy

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

Sumatra

Farihin’i Toba

[Sary nahazoan-dalana]

Based on NASA/Visible Earth imagery

[Sary, pejy 16, 17]

Ny Farihin’i Toba, tazanina avy eny amin’ny tehezan’ny Tendrombohitra Pusuk Buhit

[Sary, pejy 18]

Mahatratra 110 metatra ny riandranon’i Sipisopiso, any amin’ny sisiny avaratry ny Farihin’i Toba

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara