Victoria — Ilay Farihy Lehiben’i Afrika
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! atsy Kenya
NAMAKIVAKY faritra tsy nisy mponina sady mbola tsy nisy nizaha, tany afovoan’i Afrika, ny lehilahy anglisy iray, tia mitoetra ho irery, tamin’ny 1858. Nitambesatra taminy ny tsy fahasalamana sy ny fahatrotrahana ary ny fisalasalana, nefa nampirisihiny handroso ihany ireo lehilahy afrikanina vitsivitsy monja mpilanja entana, izay niaraka taminy. Zavatra faniry fatratra, nefa tsy mora hita, no notadiavin’i John Hanning Speke, tsy inona izany fa ny loharanon’ny Ony Nil.
Natosiky ny fitantarana momba ny rano lehibe, an-tanety, izay nantsoin’ny Arabo mpivarotra andevo hoe Ukerewe, i Speke, ka nanezaka namakivaky ny kirihitra toa tsy nisy farany. Tamin’ny farany, rehefa nandeha an-tongotra nandritra ny 25 andro ireto olona vitsivitsy ireto, dia novalian-tsoa, satria nahita faritra taza-maso nahatalanjona. Nisy ranomamy midadasika, teo anoloan’izy ireo, ary niitatra hatrany amin’ny farany taza-maso izy io. Izao no nosoratan’i Speke, tatỳ aoriana: “Tsy nanana fisalasalana intsony aho fa ilay farihy teo anoloan’ny tongotro tokoa no niteraka izany ony mahaliana izany. Nahatonga fanombantombanana maro aoka izany mantsy ny momba ny loharanon’ilay ony, no sady zava-nokendren’ny olona maro aoka izany, mpizaha tany mbola tsy fantatra, ny hahita azy.” Nantsoiny hoe Victoria ilay farihy izay hitany, ho fanomezam-boninahitra ny mpanjakavavy tany Angletera, tamin’izany fotoana izany.
Loharanon’i Nil
Mbola mitondra io anarana io ihany ilay farihy hatramin’izao, ary malaza ho ny farihy faharoa lehibe indrindra eran-tany. Ny Farihy Supérieur, any Amerika Avaratra, no hany lehibe noho izy. Mandrakotra faritra mirefy 69 484 kilaometatra toradroa ny velaran’ilay Farihy Victoria, izay mamirapiratra toy ny fitaratra goavana eo amin’ny masoandron’ny ekoatera. Fisaka sy tsy mihetsika mihitsy ny fanambonin’izy io. Andalovan’ny ekoatera ny sisiny avaratr’ilay farihy. Eo anelanelan’ny sampana atsinanana sy andrefana amin’ny Lohasaha Mitsefaka Lehibe no misy azy io; mahazo an’i Tanzania sy i Ouganda izay misy ny ampahany lehibe aminy, ary mipaka hatrany amin’ny sisin’i Kenya.
Ny Ony Kagera, atsy Tanzania, izay manangon-drano avy amin’ireo tendrombohitr’i Rwanda, no ony lehibe indrindra mivarina ao amin’ilay farihy. Na izany aza, ny ankabeazan’ny rano mivarina ao amin’i Victoria dia avy amin’ny ranonorana mihandrona eo amin’ny faritra manodidina midadasika, izay mirasanda amin’ny velaran-tany 200 000 kilaometatra toradroa mahery. Ao amin’ny tanànan’i Jinja, atsy Ouganda, no misy ny hany fivoahan’ny rano avy ao amin’ilay farihy. Eo amin’io toerana io no mibosesika mianavaratra ny rano, ary miteraka ny Nil Blanc. Na dia tsy ny Farihy Victoria aza no hany loharanon’ny Ony Nil, dia izy io kosa no tahirin-drano lehibe izay mampisy ranomamy mikoriana tsy an-kijanona, sy mampaharitra ny fiainana ao aminy, mandra-pahatonga hatrany Ejipta.
Ny fiainana eny amin’ilay farihy
Misonenika mamakivaky an’ilay farihy ny lakana iray entin’ny lay fotsy abontsin’ny rivotra, toy ny elatra tokana mahitsin’ny lolo iray. Ny rivotra mitsoka isan’andro, avy eo amin’ny faritra manodidina, no manosika ilay sambokely ho any afovoan’ilay farihy. Rehefa mihamanatona ny mitataovovonana, dia miova fitsoka ilay rivotra ka mitondra ilay sambokely miverina indray ho eo amin’ny toerana niaingany. Efa hatramin’ny an’arivony taona maro no namerimberenan’ireo mpanjonon’ilay farihy izany fanao mahazatra izay.
Misy vohitra kely sy lehibe, mitafo bozaka, manodidina ny ranon’i Victoria. Anisan’ny foto-tsakafon’ireo mponina eny amin’ny debok’i Nil ny trondro, ary miantehitra amin’ilay farihy izy ireo mba hahazoany izay hohaniny isan’andro. Manomboka alohan’ny fiposahan’ny masoandro ny andro fiasan’ny mpanjono. Manala ny rano nitsininika niditra tao anaty lakany izy ireo, ary manomboka mamakivaky ilay farihy feno zavona. Sady mampiara-peo mihira izy ireo no mivoy ny lakana handroso lavitra kokoa sy mampiakatra ny lainy efa rovidrovitra. Mitazana avy eny amoron-drano ireo vehivavy mandra-panjavon’ireo sambokely any ambadiky ny faravodilanitra. Tsy mijanona ela eo ry zareo, satria be ny asa tokony hatao.
Mitobatoba sy milalao eny amin’ny rano marivo ny ankizy, raha mbola manasa lamba sy manovo rano avy ao amin’ilay farihy ny vehivavy. Amin’ny farany, dia vita ny asan’izy ireo eo amoron-drano. Mamonjy fodiana moramora ireo vehivavy miloloha siny tanimanga misy rano, sy mibaby zaza, ary mitondra harona misy lamba madio amin’ny tanany roa. Rehefa tonga any izy ireo, dia mikarakara ny voly katsaka sy tsaramaso eo amin’ny zaridaina kely, sy manangona kitay, ary manamboatra ny simba amin’ny trano feta amin’ny alalan’ny dikin’omby miharo lavenona. Erỳ lavidavitra kokoa, manaraka ny moron-drano, dia misy vehivavy mandrary amim-pahakingana kiran-taretra mba hanaovana tady matanjaka sy harona tsara tarehy. Manako eny amin’ny rivotra ny fikapoky ny famaky eo amin’ny vatan-kazo lehibe iray izay loahan’ireo lehilahy mba hanaovana lakana.
Rehefa mihatolaka ny andro, dia voasarika indray ho any amin’ilay ranomamy midadasika ny mason’ireo vehivavy. Hanambara ny fiverenan’ireo lehilahy mantsy ny tendron’ny lay fotsy eny am-paravodilanitra. Tsindrian-daona izy ireo miandry izany, dodona ny hahita ny vadiny sy ny hazandrano izay hoentin’izy ireo.
Eran’ny morona sy nosin’ilay farihy, dia misy mpitsidika tonga any amin’ireo fiaraha-monina kely ireo mba hitondra hafatra milaza fiadanana. Tonga hatrany amin’ny vohitra kely sy lehibe rehetra ireo mpitsidika, mandeha an-tongotra, sy mandeha lakana. Olona manetry tena ireo mponina, ary dodona hihaino. Mientanentana erỳ izy ireo hamaky zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, izay natao pirinty tamin’ny fitenin’izy ireo, dia ny fiteny nilotique sy bantou.
Zavamiaina ao anaty rano
Karazan-trondro maherin’ny 400 no mivelona ao amin’ilay Farihy Victoria, ka ny sasany aminy dia tsy hita any an-toeran-kafa na aiza na aiza eto an-tany. Ny be mpahalala indrindra dia ny karazan-trondro antsoina hoe cichlidés. Manana anarana milazalaza tsara ny toetoetrany ivelany ireny trondro kely mareva-doko ireny, toy ny hoe midorehi-damosina, sy mena mavokely, ary vavan-tsahon’i Kisumu. Tsy fahita firy ny fomba fiarovan’ny cichlidés sasany ny zanany. Rehefa misy loza mananontanona, dia mampitanatana ny vavany ny ray na ny reny trondro ary mirohotra miditra ao mba ho voaro ny zanany bitika kely. Rehefa lasa ny loza, dia aloany fotsiny izy ireo, ary mitohy indray ny asa fanao mahazatra.
Fonenan’ny voronandrano kanto maro samihafa koa ilay Farihy Victoria. Manao antsitrika ny vivỳ sy ny cormorans ary ny anhingas, ary kinga erỳ mitsaingoka trondro amin’ny vavany maranitra. Miroboka ao amin’ny rano marivo ny grues, ny vano sy ny vanobe ary ny akohoala sotrovava, ka sady miato kely no tsy mihetsika mihitsy raha mbola tsy tafapetraka akory ny tongony, fa miandry amim-paharetana ny handalovan’ny trondro tsy manampo na inona na inona eny akaikiny. Misy andiana pelikana miriorio eny ambony eny, toy ny mpisidina be kibo. Rehefa miara-milomano ny pelikana maromaro, dia hodidinin’izy ireo ny andian-trondro, ary raofiny haingana amin’ny vavabeny toy ny harona ireo trondro avy eo. Ny voromahery mpihaza trondro no mpanjakan’ny lanitra, amin’izato elatra matanjaka. Avy eny amin’ny rantsana lehiben’ny hazo iray, eny ambony amin’ilay rano izy no miala, ary milatsaka misosa mafy. Ny rivotra amin’izany misioka eo amin’ny elany mitsotra, ary tsy manao ezaka firy akory izy mipaoka trondro avy eo amin’ny fanambonin’ilay farihy. Misy vorona mpanenona mareva-doko manao akany ao amin’ny kirihitr’alan-jozoro papyrus izay manodidina ilay farihy. Ary re eny akaikin’ny moron-drano ny feo mitaraindrainan’ny calaos, ao anaty alan’akasia.
Mandritra ny maraina sy ny takariva, dia manako manavatsava ilay farihy tony ny feo midoboka sy mitrontronan’ny lalomena. Amin’ny mitataovovonana, dia matory eny amin’ny moron-drano izy ireo, ka toy ny bolongam-bato be mivolondavenona sy malama izay milentika ao anaty rano ny tapany. Mailo hatrany ny mponina eo amin’ilay farihy amin’ny voay masiakan’i Nil. Mbola misy vitsivitsy amin’ireny biby mandady mampahatahotra ireny monina any amin’ireo zorony mitokana kokoa amin’ny Farihy Victoria, na dia efa novonoin’ny olona aza ny ankamaroan’izy ireny.
Voakorontana ny rano
Nitombo haingana ny isan’ny mponin’i Afrika nanomboka tamin’ilay fotoana nahitan’i John Speke voalohany an’i Victoria. Misy olona 30 tapitrisa mahery monina ao anatin’ny faritry ny morom-parihy, ary miantehitra amin’ny ranomaminy izy ireo ankehitriny mba hahavelomany mihitsy. Tamin’ny lasa, dia niantehitra tamin’ny fomba fanjonoana nentim-paharazana ny mpanjono teo an-toerana. Nisambotra izay nilainy izy ireo tamin’ny fampiasana fitaovana toy ny vovo, ny fandrika vita tamin’ny papyrus, sy ny farango, ary ny karazan-defona. Amin’izao andro izao, dia mandrahona ny tontolo iainana eo amin’ilay farihy ny fanjonoana tafahoatra, izay ampiasana harato lehibe kitsoloha sy harato nylon mijidina, izay samy afaka mandrakotra velarana lehibe dia lehibe, sy mandraoka hazandrano an-taoniny maro any ambany kokoa ao anaty rano.
Niteraka fihilangilanan’ny tontolo iainana nanimba ny jono teo an-toerana ny fampidirana karazan-trondro vahiny. Manampy trotraka ny loza mahazo an’ilay farihy koa ny tsinkafonkafona, ahidrano maniry mitsinkafona izay manome voninkazo volomparasy tsara tarehy. Avy tany Amerika Atsimo io ahidrano io no nampidirina teto, ary maniry haingana dia haingana, hany ka nandrakotra sy nangeja faritra midadasika teo amin’ny morona sy helodranon’ilay farihy izy io. Izany dia nisakana ny lalana ka tsy ahafahan’ny sambo mpitondra entana, sy ny baka mpitondra mpandeha, ary ny lakan’ny mpanjono eo an-toerana, ho tonga eny amin’ny torapasika sy ny morom-piantsonana. Mahatandindomin-doza ny hoavin’ilay farihy avokoa na ny fandripahana ala eny amin’ny faritra manangon-drano ho an’ilay farihy, na ny fanariana rano maloto ao amin’ilay farihy, na ny fandrosoan’ny indostria.
Mbola hisy hatrany ve ny Farihy Victoria? Mbola iadian-kevitra izany fanontaniana izany, ary tsy misy na iray aza mahazo antoka ny amin’ny fomba hahavoavaha ny olana maro be mahazo azy io. Kanefa, ny Farihy Victoria no zavatra voajanahary izay azo inoana fa mbola hisy eto an-tany ela be aorian’ny hanesoran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo izay “manimba ny tany”. (Apokalypsy 11:18). Amin’izay fotoana izay, ny taranak’olombelona dia ho afaka hankafy mandrakizay ny fandinihana ny hakanton’ilay farihy lehiben’i Afrika.
[Efajoro/Sary, pejy 18]
Ilay Trondro Mitelina Ilay Farihy
Be menaka izy io, tendan-kanina, sy mitombo isa haingana, ary mahatratra efa ho roa metatra ny halavany rehefa lehibe izy. Inona àry izany? Lates niloticus! Perche du Nil (trondro mpiremby) no ahafantaran’ny olona an’io trondro lehibe sy vonona handrapaka io. Nampidirina tao amin’ny Farihy Victoria izy io tany amin’ireo taona 1950, ary hita fa loza ho an’ny tontolo iainana. Tao anatin’ny 40 taona, dia vitany ny nandrapaka efa ho ny antsasak’ireo karazan-trondro zanatany 400 tao amin’ilay farihy. Nandrahona ny loharanon-tsakafon’ny olona an-tapitrisany maro teo an-toerana izany fandripahana tambabe izany. Ireo olona ireo mantsy dia niankina tamin’ny tilapia sy ny cichlidés ary ny trondro zanatany hafa madinika kokoa mba hamelomany ny ankohonany. Mampiroborobo ilay farihy koa ireny trondro madinika ireny. Mihinana ny sifotra izay miteraka ilay aretin-dratsy hoe bilariziôzy ny sasany amin’ireny trondro kely ireny, ka amin’izany dia manampy mba hampihenana hatrany ny fitrangan’ilay aretina. Ny trondro kely hafa dia mihinana ny ahidrano sy ny zavamaniry hafa velona an-drano izay maniry tsy azo sakanana mihitsy izao. Izany fitomboana tsy voafehy izany dia niteraka ny fihenan’ny ôksizena ao amin’ny rano, vokatry ny fahasimban’ny zavamaniry lo. Koa satria mihavitsy ny trondro zanatany izay manadio ny loto, dia mihamitombo ao amin’ilay rano ny “faritra maty”, izany hoe faritra tsy misy ôksizena, ka mamono trondro betsaka kokoa hatrany. Koa satria vitsy kokoa ny trondro azo hanina, dia nitodika tany amin’ny loharanon-tsakafo hafa indray ilay perche du Nil tsy mety voky: ny zanany mihitsy no haniny! Mandrahona ny hitelina ny tenany ankehitriny ilay trondro izay mitelina ilay farihy!
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
OUGANDA
KENYA
TANZANIA
FARIHY VICTORIA
[Sary, pejy 15]
Fanaovana fanambarana eny amoron’ny Farihy Victoria
[Sary, pejy 16]
Vorona mpanenona
[Sary, pejy 16, 17]
Pelikana
[Sary, pejy 17]
Vanofotsy
[Sary, pejy 16, 17]
Voain’i Nil
[Sary, pejy 16, 17]
Vano eo ambony lalomena