Nampiharihary ny Finoana sy Fitiavana ny Horohoron-tany Tany Haïti
Nandre feo avy any ambanin’ny tany i Evelyn, ny talata 12 Janoary 2010 tamin’ny 4.53 hariva. Toy ny feon’ny fiaramanidina goavana ilay izy. Nanomboka nihovotrovotra ny tany. Nitriatra ireo rindrina simenitra teo akaiky teo, ary nirodana ireo trano. Nankeo amin’ny toerana avoavo i Evelyn mba hijery izay nitranga, rehefa nijanona ilay hovotrovotra. Reny ny olona mikiakiaka manodidina azy. Rakotra vovoka simenitra i Port-au-Prince, renivohitr’i Haïti.
SEGONDRA vitsy dia nirodana ireo trano, tranom-panjakana, banky, hopitaly, ary sekoly. Maherin’ny 220 000 no maty ary 300 000 teo ho eo no naratra.
Ankona nijery ny niafaran’ny tranony ny maro tamin’ireo tsy maty. Ny hafa nampiasa tanam-polo hamonjena ny havana sy mpiray tanàna tao ambanin’ireo sisan-javatra. Tapaka ny jiro ary vetivety dia maizina ny andro, ka jiro kely sy labozia no tsy maintsy nampiasain’ireo mpamonjy voina.
Nihitsoka tao ambany trano nirodana tao Jacmel i Ralphendy, zazalahy 11 taona. Niezaka namonjy azy nandritra ny ora maro ny ekipa mpamonjy voina. Natahotra hianjeran’ny trano izy ireo noho ireo horohoron-tany kely, ka tsy nanohy intsony. Tsy neken’ny sain’i Philippe, misionera Vavolombelon’i Jehovah, anefa izany. Hoy izy: “Tsy vitako ny hamela an’i Ralphendy ho faty ao.”
Nihitsoka ny tongotr’i Ralphendy, ka nisisika tsimoramora tany ambanin’ireo sisan-javatra ry Philippe sy ny namany telo mba hankany aminy. Nanala tsikelikely an’ireo sisan-javatra izy ireo nanomboka tamin’ny misasakalina. Ren’izy ireo nihetsika sy nitriatra ireo rindrina teo amboniny, isaky ny nisy hovotrovotra kely. Avotra ihany i Ralphendy tamin’ny 5.00 maraina, adiny 12 mahery taorian’ilay loza.
Tsy hoe nahomby foana anefa ny ezaka natao. Tafatsoaka i Roger sy Clid zanany lahy rehefa nianjera ny tranony tao Léogâne, tanàna tena voa mafy. Maty i Clarence zandrin’i Clid. Mbola afaka niteny i Clana, vadin’i Roger, na dia nianjeran’ny valindrihana aza ny lohany ary tery tao. Niezaka nanala azy tao i Roger sy ny namany. Niantsoantso i Clana hoe: “Haingana fa reraka aho. Maty aho e!” Tonga ny mpamonjy voina, adiny telo tatỳ aoriana. Efa maty anefa izy rehefa navoaka tao.
Alarobia 13 Janoary, andro faharoa
Hita ny habetsahan’ny zavatra rava, rehefa nazava ny andro. Ravarava i Port-au-Prince. Tonga ireo fikambanana mpanampy tra-boina sy olon-tsotra maro eran-tany, rehefa niely ilay vaovao. Nandre an’ilay hovotrovotra koa ny mpiasa an-tsitrapo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina, izay lalana 300 kilaometatra eo ho eo avy ao Port-au-Prince. Ren’izy ireo fa teo akaikin’i Port-au-Prince, tanàna be mponina, ny foiben’ilay horohoron-tany, ka nandamina fanampiana vonjy rano vaky avy hatrany izy ireo. Efa ho ny ampahatelon’ny mponin’i Haïti, miisa sivy tapitrisa, no ao Port-au-Prince.
Efa 150 taona izay no tsy nisy horohoron-tany lehibe, tany Haïti. Trano maharo amin’ny rivo-doza sy tondra-drano àry no tena naorina, fa tsy trano mahatanty horohoron-tany. Tsy nahatanty an’ilay horohoron-tany nirefy 7 amin’ny maridrefy Richter àry ny ankamaroan’ireo rindrina sy tafo. Natao hahatanty horohoron-tany anefa ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Haïti, izay naorina tamin’ny 1987. Eo amin’ny sisiny atsinanan’i Port-au-Prince izy io, nefa tsy naninona.
Feno olona ny biraon’ny sampan’i Haïti, ny alin’ilay loza, ary lasa nisy toby fanampiana tra-boina tao. Tsy nandeha tsara ny telefaonina sy ny e-mail ka indroa ny tao amin’ny sampan’i Haïti no nankany amin’ny sisin-tanin’ny Repoblika Dominikanina mba hampita vaovao. Nandritra izany fotoana izany, dia nirohotra nankao amin’ny sampan’i Haïti ny tra-boina an-jatony, izay naratra mafy ny ankamaroany. Maro koa no nentina tany amin’izay hopitaly nisokatra, nefa vetivety izy ireny dia feno.
Feno tra-boina naratra sy nikiakiaka nanodidina ny hopitaly. Anisan’izy ireny i Marla, izay tototry ny trano rava nandritra ny adiny valo. Donto ny tongony ary tsy nahahetsika. Nesorina tao izy ary nentina tany amin’ny hopitaly. Nitady azy i Evan, dokotera Vavolombelona vao tonga avy tany amin’ny Repoblika Dominikanina, ka ny anarany fotsiny no fantany.
Efa iray andro mahery no lasa hatramin’ny nitrangan’ilay loza, ary efa alina indray ny andro. Nankeo amin’ireo faty teo ivelan’ny hopitaly iray i Evan, sady nivavaka no niantso ny anaran’i Marla foana. Nisy namaly izy, tamin’ny farany. Nitsikitsiky nijery azy i Marla. Gaga i Evan ary nanontany hoe: “Fa maninona ianao no mitsiky?” Hoy i Marla: “Satria efa eo ny anadahiko ara-panahy.” Tsy tanan’i Evan ny ranomasony.
Alakamisy 14 Janoary, andro fahatelo
Nandamina fanampiana vonjy rano vaky ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia, sy ny sampan’i Alemaina, Frantsa, Goadelopy, Kanada, Martinika, ary ny Repoblika Dominikanina sy ny hafa, mba ho voatsinjara tsara ny sakafo, rano, fanafody, fitaterana, fitaovam-pifandraisana, vola, olona, ary zavatra hafa. Dokotera Vavolombelona 78 no tonga nanampy, tamin’ny fitambarany. Teo koa ny mpiasa an-tsitrapo maro hafa. Efa niainga tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Repoblika Dominikanina ny kamiao voalohany nankany Haïti mba hitondra fanampiana 6 804 kilao teo ho eo, tamin’ny 2.30 maraina.
Nanomboka nandamina ny fizarana an’ilay fanampiana ny biraon’ny sampan’i Haïti, rehefa tonga izany. Natao izay tsy hahafantaran’ny mpangalatra an’ireo sakafo, sao hangalariny sy hamidiny. Nisy mpiasa an-tsitrapo nampiditra sakafo sy fanampiana hafa tao anaty kitapo kely, mba hozaraina isam-pianakaviana na isan’olona. Niasa andro aman’alina izy ireo. Nahatratra 450 taonina ny fanomezana nozarain’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireo volana nanaraka. Anisan’izany ny sakafo maro be.
Zoma 15 Janoary, andro fahefatra
Tonga tany Haïti ny dokotera sy mpitsabo mpanampy ary manam-pahaizana 19 avy any Goadelopy sy ny Repoblika Dominikanina, ny maraina. Samy Vavolombelona izy ireo. Nanangana toeram-pitsaboana vonjimaika izy ireo. Anisan’ny notsaboina tao ny ankizy maro naratra, avy tao amin’ny trano fitaizana zaza kamboty. Nanome sakafo sy labasy ho an’ilay trano fitaizana koa ny Vavolombelona. Hoy i Étienne, talen’ilay trano fitaizana: “Misaotra betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Tsy ho nahavita na inona na inona izahay raha tsy teo ry zareo.”
Very nefa hita indray
Tao an-tranony i Islande, ankizivavy fito taona, rehefa namely ilay horohoron-tany. Nijery tany ivelany izy ary nahita tariby nikirazorazo sy nitselatselatra. Nirodana ny rindrina tao an-tranony ary nianjera tamin’ny tongony ka naratra mafy izy. Rehefa tafala tao anaty sisan-javatra izy, dia nentin’i Johnny rainy tany amin’ny hopitaly tany amin’ny Repoblika Dominikanina. Nalefa tany amin’ny hopitaly tany Saint-Domingue renivohitra izy, avy eo. Tsy tao intsony anefa izy rehefa niantso an’ilay hopitaly ny dadany.
Nitady an’i Islande i Johnny nandritra ny roa andro fa tsy nahita. Nafindra hopitaly izy, ary nisy mpiasa an-tsitrapo tao amin’ilay hopitaly nandre azy nivavaka tamin’i Jehovah. (Salamo 83:18) Hoy ilay vehivavy: “Tia an’i Jehovah ve indrỳ?” “Ie”, hoy i Islande nitomany. Nanome toky azy ilay vehivavy hoe: “Aza matahotra fa hanampy an-drỳ i Jehovah.”
Niangavian’i Johnny ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina mba hanampy azy hitady an’i Islande. Nanolo-tena hitady azy i Melanie, izay Vavolombelona. Sendra ren’ilay mpiasa an-tsitrapo izy rehefa nanontany tao amin’ny hopitaly iray, ka natorony azy izay nisy an’ilay zazavavikely. Tafaraka tamin’ny fianakaviany indray i Islande.
Fandidiana sy fanarenana
Zara raha nisy nikarakara ireo naratra, talohan’ny nahatongavany tao amin’ny biraon’ny sampan’i Haïti, ka efa namoro-nana be ny tanany sy ny tongony. Matetika no tsy maintsy notapahina izany mba hahavelomany. Tsy ampy anefa ny fitaovana fandidiana sy ny fanafody, ary na dia ny fanafody fanatoranana aza. Kivy ratsy hatramin’ny dokotera, ka hoy ny iray: “Enga anie ka hesorin’Andriamanitra ao an-tsaiko ireny zavatra hitako sy reko ireny.”
Herinandro teo ho eo taorian’ilay loza, dia tonga ny dokotera Vavolombelona avy any Eoropa. Mahay izy ireo sady ampy fitaovana hanaovana fandidiana sarotra, izay nilaina maika. Olona 53 no nodidiana ary an’arivony no notsaboina. Tonga tao Port-au-Prince, ohatra, i Wideline izay Vavolombelona 23 taona, iray andro talohan’ilay loza. Potika tamin’ilay loza ny tanany havanana ka tsy maintsy notapahina tao amin’ny hopitaly teo an-toerana. Nentin’ny havany tany amin’ny hopitaly akaikin’izy ireo, any Port-de-Paix, izy. Adiny fito avy eo Port-au-Prince izany. Nihanarary anefa i Wideline, ka tsy nokarakarain’ny mpiasan’ny hopitaly intsony fa nandrasany ho faty.
Ren’ny ekipana dokotera Vavolombelona tao Port-au-Prince izany ka nankany amin’i Wideline izy ireo mba hitsabo azy sy hitondra azy tao Port-au-Prince, mba hokarakaraina. Nitehaka ny marary hafa nahita azy ireo. Efa mihazatra amin’ny toe-javatra manjo azy izao i Wideline, noho ny fanampian’ny havany sy ny fiangonana.
Nanofa trano tany amin’ny Repoblika Dominikanina ny Vavolombelona, mba hikarakarana an’ireo efa nihasalama. Dokotera, mpitsabo mpanampy, manam-pahaizana, ary olon-kafa, izay samy Vavolombelona, no nifandimby niasa an-tsitrapo tany. Faly nanampy an’ireo marary mba ho salama tsara izy ireo.
Naneho ny finoany sy ny fanantenany ary ny fitiavany
Misy 56 ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ilay faritra niharan-doza. Ny 6 tamin’ireo ihany no simba be. Nijanona tany amin’ireo efitrano tsy simba na tany amin’ny toerana hafa an-kalamanjana ny ankamaroan’ny Vavolombelona tra-boina. Efa zatra miara-mivory izy ireo ka nahay nifandamina, toy ny rehefa misy fivoriambe.
Hoy i Jean-Claude, mpiandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Notohizinay foana ny fandaharan’ny fiangonana, mba hahatsapa ho tsy manana ahiahy ny rehetra, na tanora na antitra.” Inona no vokany? Hoy ny rangahy iray: “Tena faly aho mahita ny Vavolombelon’i Jehovah mbola mandeha mitory. Raha tsy nahita anareo izahay, dia ho nihevitra fa efa tena mafy ny manjo.”
Nampionona ny olona ny Vavolombelona. Hoy ny iray taminy: “Saika ny olona rehetra hitanay no mihevitra fa sazy avy amin’Andriamanitra ilay horohoron-tany. Nomenay toky izy ireo fa hetraketraky ny natiora ilay izy fa tsy avy amin’Andriamanitra. Asehonay azy ny Genesisy 18:25. Lazain’i Abrahama ao fa sanatria an’Andriamanitra ny hamono ny olona tsara miaraka amin’ny ratsy. Asehonay koa ny Lioka 21:11. Resahin’i Jesosy ao fa hisy horohoron-tany lehibe amin’ny androntsika. Hazavainay fa tsy ho ela dia hatsangan’i Jesosy amin’ny maty ny hava-malalantsika ary hesoriny ny fahoriana rehetra. Maro no tena mankasitraka rehefa nahalala izany.”a
Misy ihany anefa ny olana. Hoy i Jean-Emmanuel, dokotera Vavolombelona: “Lasa izay iny horohoron-tany iny, nefa tsy maintsy hiatrika ny vokany izahay. Atahorana hankarary ireo toby satria be olona sy maloto ary mandomando. Teo koa ny alahelo mafy tsy mety misinda satria nokobonina.”
Tonga tao amin’ilay toeram-pitsaboana vonjimaika ny Vavolombelona iray, herinandro vitsivitsy taorian’ilay loza. Nitaraina narary andoha lava sy tsy nahita tory izy. Mpahazo ny olona avy niharan-doza izany. Hoy ny Vavolombelona iray mpitsabo mpanampy: “Voadona angaha ny lohanao?” “An an an!”, hoy ilay lehilahy. “Efa 17 taona nivadiana izaho sy ny vadiko, nefa maty izy. Ampoizina anefa ny toy izany, satria efa niteny an’izany i Jesosy.”
Nahafantapantatra ny nety ho nankarary an’ilay lehilahy ilay mpitsabo mpanampy, ka niteny hoe: “Vadinao ange no maty e! Mampalahelo be izany ka ara-dalàna raha malahelo sy mitomany ianao. Nitomany koa i Jesosy rehefa maty i Lazarosy namany.” Nigogogogo ilay lehilahy tamin’izay.
Vavolombelona 154 amin’ireo 10 000 mahery any Haïti no namoy ny ainy tamin’ilay horohoron-tany. Maherin’ny 92 isan-jaton’ny mponin’i Port-au-Prince no voalaza fa namoy havana. Voadona mafy ireny olona ireny, ka mila olona azo itokisana mba hamborahana ny fihetseham-pony. Mitsidika azy ireny matetika àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa fantatr’ireo Vavolombelona nidonam-pahoriana ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny paradisa an-tany. Mila mamboraka ny alahelony amin’ny Kristianina mahay miombom-pihetseham-po aminy koa anefa izy ireo ary mila teny fampaherezana.
Tsy kivy mihitsy
Hoy ny apostoly Paoly: ‘Mitoetra ireto telo ireto: Finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin’ireo.’ (1 Korintianina 13:13) Ireo toetra ireo no manampy ny Vavolombelona maro any Haïti mba hizaka ny manjo azy sy hampahery ny hafa ary tsy hanahy ny amin’ny hoavy. Hita fa ny tena finoana sy firaisan-tsaina ary hatsaram-panahy no nanosika an’ireo olona avy any amin’ny tany samihafa hanome fanampiana vonjy rano vaky. Hoy i Petra, dokotera Vavolombelona avy any Alemaina: “Mbola tsy nahita fifankatiavana toy izany aho! Imbetsaka aho no nitomany, saingy ranomasom-pifaliana no betsaka fa tsy ranomason’alahelo.”
Milaza Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy) fa “amin’ny lafiny sasany”, dia ilay horohoron-tany tany Haïti tamin’ny 2010 no “hetraketraky ny natiora nanimba zavatra indrindra tao amin’ny firenena iray.” Nisy loza nahatsiravina hafa nitranga anefa eran-tany, taorian’io, noho ny herin’ny natiora sy ny ataon’ny olona. Hifarana ve izy ireny? Matoky ny Vavolombelon’i Jehovah any Haïti sy eran-tany fa hotanterahin’Andriamanitra tsy ho ela ity fampanantenan’ny Baiboly ity: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko 11 hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?”, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 15]
“Tsy vitako ny hamela an’i Ralphendy ho faty ao”
[Teny notsongaina, pejy 19]
“Tena faly aho mahita ny Vavolombelon’i Jehovah mbola mandeha mitory”
[Efajoro/Sary, pejy 17]
NANORINA TRANO HO AN’IREO TRA-BOINA
Nandritra ny iray volana taorian’ilay loza, dia nojeren’ny injeniera Vavolombelona hoe iza no trano mbola azo nipetrahana. Nila trano vonjimaika ny maro tamin’ireo namoy ny tranony, mandra-pahitany trano ipetrahana.
Hoy i John, mpiasa ao amin’ny biraon’ny sampan’i Haïti: “Naka tahaka ny fomba fiasan’ireo fikambanana iraisam-pirenena mpanampy tra-boina izahay, ka nanorina trano tsy lafo, mora atambatra, ary mitovy habe amin’ny ankamaroan’ireo trano teo aloha. Miaro amin’ny orana sy rivotra izy ireny ary tsy atahorana hianjera raha sanatria mihovotrovotra indray ny tany.” Nanomboka nanorina trano vonjimaika ny mpiasa an-tsitrapo avy ao Haïti sy avy any an-tany hafa, roatokombolana monja taorian’ilay loza.
Nihorakoraka ny olona teny amin’ny arabe rehefa nandalo ireo kamiao nitondra ampahana trano efa voarafitra mialoha. Hoy ny mpiasan’ny doanina iray ao Haïti, izay nanaiky hampiditra an’ireo fitaovana fanorenana: “Anisan’ny voalohany niampita ny sisin-tany mba hitondra fanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena nanampy izy ireo, fa tsy nilaza hanampy fotsiny.” Trano 1 500 no efa naorin’ny Vavolombelona ho an’ny tra-boina, volana vitsivitsy taorian’ilay loza.
[Sarintany, pejy 14]
(Jereo ny gazety)
HAÏTI
PORT-AU-PRINCE
Léogâne
Foibe
Jacmel
REPOBLIKA DOMINIKANINA
[Sary, pejy 16]
Marla
[Sary, pejy 16]
Islande
[Sary, pejy 16]
Wideline
[Sary, pejy 18]
Vavolombelon’i Jehovah any Haïti handeha hampionona an’ireo niharan-doza
[Sary, pejy 18]
Dokotera mitsabo ankizilahy, tao amin’ny toeram-pitsaboan’ny Vavolombelon’i Jehovah