FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g17 No. 1 p. 12-13
  • “Tena Nanohina ny Fonay ny Fitiavan’izy Ireo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tena Nanohina ny Fonay ny Fitiavan’izy Ireo”
  • Mifohaza!—2017
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “IZAO VAO HITANAY NY TOMBONY!”
  • ‘NAHATSIARO HO AKAIKY KOKOA AZY IREO IZAHAY’
  • Nanjary niaiky izy ireo tany Kathmandu
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mbola Hisy Horohoron-tany Lehibe
    Mifohaza!—2010
  • Nampiharihary ny Finoana sy Fitiavana ny Horohoron-tany Tany Haïti
    Mifohaza!—2010
  • Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Mifohaza!—2017
g17 No. 1 p. 12-13
Trano ravan’​ilay horohoron-tany tany Népal tamin’​ny Aprily 2015

“Tena Nanohina ny Fonay ny Fitiavan’izy Ireo”

FIRENENA be tendrombohitra any avaratr’i Inde i Népal. Nisy horohoron-tany nirefy 7,8 amin’ny maridrefy Richter tany, tamin’ny asabotsy 25 Aprily 2015. Tany amin’ny 80 kilaometatra tany avaratrandrefan’i Katmandou renivohitra no nitrangan’izany. Olona 8500 mahery no namoy ny ainy, ary trano 500000 mahery no rava. Io no loza voajanahary nahafaty olona be indrindra tany Népal. Misy Vavolombelon’i Jehovah 2200 any, ary nipetraka tao amin’ilay faritra niharam-boina ny ankamaroany. Indrisy fa namoy ny ainy ny Vavolombelona iray sy ny zanany roa.

Hoy i Michelle, izay Vavolombelon’i Jehovah: “Namonjy fivoriana kristianina ny Vavolombelona nipetraka tao amin’ilay faritra tena voa mafy, tamin’ny fotoana nitrangan’ilay horohoron-tany. Raha tany an-tranony ny ankamaroany, dia be kokoa no maty.” Nahoana no nieren-doza ireo nandeha nivory? Satria mafy be ny fototry ny toeram-pivavahan’izy ireo, na Efitrano Fanjakana.

“IZAO VAO HITANAY NY TOMBONY!”

Mahazaka horohoron-tany ny Efitrano Fanjakana maoderina any Népal. Hoy i Man Bahadur, mpanorina Efitrano Fanjakana: “Matetika izahay no misy manontany hoe maninona no atao mafy be ny fototra, nefa tsy dia lehibe akory ilay trano. Izao vao hitanay ny tombony!” Nahazo nipetraka tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny tra-boina, taorian’ilay horohoron-tany. Mbola nihetsika kely ny tany, nefa tsy natahotra ny Vavolombelona sy ny olon-kafa nialokaloka tao.

Efitrano Fanjakana nitobian’​ny tra-boina, taorian’​ilay horohoron-tany tany Népal tamin’​ny Aprily 2015

Vavolombelon’​i Jehovah sy olon-kafa mitoby ao amin’​ny ­Efitrano Fanjakana

Tonga dia nandeha nikaroka an’ireo Vavolombelona tsy nandrenesam-baovao ny anti-panahin’ny fiangonana. Hoy ny Vavolombelona iray atao hoe Babita: “Nitady an’izay hahasoa ny fiangonana ny anti-panahy, fa tsy izay hahasoa ny tenany. Tena nanohina ny fonay ny fitiavan’izy ireo.” Ny ampitson’ilay horohoron-tany, dia nitsidika an’ireo fiangonana ny mpiandraikitra ny faritra sy ny rahalahy telo anisan’ny Komitin’ny Tany miandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Népal. Nanampy an’ireo anti-panahy izy ireo, sady nijery izay nilain’ny tra-boina.

Gary Breaux, avy any amin’​ny foiben’​ny Vavolombelon’​i Jehovah, mitsidika an’​ireo niharan-doza tany Népal

Gary Breaux, avy any amin’​ny foiben’ny Vavolombelon’​i Jehovah, mitsidika an’​ireo niharan-doza

Tonga tany Népal i Gary Breaux sy Ruby vadiny, enina andro taorian’ilay loza. Avy any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia izy ireo. Hoy i Reuben, anisan’ilay komity voaresaka tetsy aloha: “Tsy tena azonay antoka raha ho avy ihany ny Rahalahy Breaux na tsia, satria nikorontana be tao Katmandou sady mbola nihetsika kely ny tany. Tapa-kevitra ny ho atỳ anefa izy, dia tonga tokoa! Tena nankasitraka ny fitsidihany ny Vavolombelona teto.”

‘NAHATSIARO HO AKAIKY KOKOA AZY IREO IZAHAY’

Hoy i Silas, miasa ao amin’ny biraon’ny Komitin’ny Tany any Népal: “Naneno foana ny telefaonina, raha vao nandeha. Nisy Vavolombelona avy any amin’ny tany samihafa nanontany hoe nanao ahoana izahay. Indraindray tsy azonay ny fiteniny, nefa tsapanay hoe tia anay ry zareo sady te hanampy.”

Vavolombelona anisan’​ny mpitsabo avy any Eoropa mijery ny tosidran’​ny olona iray niharam-boina tamin’​ilay horohoron-tany tany Népal

Dokotera Vavolombelona avy any Eoropa mizaha tra-boina

Nitondra sakafo tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny Vavolombelona teo an-toerana, nandritra ny andro maromaro, mba hozaraina amin’ireo tra-boina. Natsangana koa ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky. Tsy ela dia tonga ny fanampiana avy any an-tany hafa, toa an’i Bangladesy sy Inde ary Japon. Nisy dokotera Vavolombelona koa tonga avy any Eoropa, rehefa afaka andro vitsivitsy, ary nitoby tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Tonga izy ireo dia nizaha ny fahasalaman’ireo tra-boina, sady nanampy azy ireo tsy hitebiteby loatra.

Hoy i Uttara: “Nahatsiravina sy nampahatahotra ilay horohoron-tany. Nahatsiaro ho akaiky kokoa an’ireo namanay kristianina anefa izahay taorian’ilay izy.” Maro no mitovy hevitra aminy. Tsy nampihena ny fifankatiavan’ireo Vavolombelona ilay horohoron-tany, sady tsy nampihena ny fitiavany an’i Jehovah. Vao mainka aza nitombo izany fitiavana izany!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara