FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/11 p. 3
  • Mampihavana ve ny Fivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampihavana ve ny Fivavahana?
  • Mifohaza!—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nisy herisetra foana
  • Fiadiana Toerana “Masina”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Manome fahafahampo amin’izay ilaintsika ve ny fivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny Antony Hahatonga ny Fivavahana eo amin’izao tontolo izao hifarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny Fivavahana ve no Diso?
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—2011
g 1/11 p. 3

Mampihavana ve ny Fivavahana?

MISY milaza fa ny Eglizin’ny Fasana Masina any Jerosalema no masina indrindra amin’ny fiangonan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Mampahalaza azy io koa anefa ny ady sy fankahalana. Teo amin’io toerana masina io no “voalaza fa nandevenana an’i Kristy sy nitsanganany tamin’ny maty”, araka ny lovantsofina. Maro anefa ny ady nitranga teo. Niady teo ny moanina sy ny mpitondra fivavahana avy amin’ny Fivavahana “Kristianina” enina samihafa hoe iza no manan-jo hampiasa an’ilay fiangonana. Nihamafy ny fifandrafiana tato anatin’ny taona faramparany. Polisy mitam-piadiana àry no tsy maintsy nandamina azy ireo sy nitantana vetivety an’ilay fiangonana.

Nisy herisetra foana

Tsy tao amin’ny Eglizin’ny Fasana Masina no voalohany nisy fandatsahan-dra sy famonoana vokatry ny hafanam-po tafahoatra amin’ny fivavahana. Hoy ny boky Herisetra Amin’ny Anaran’Andriamanitra (anglisy), momba ny ady nitranga vao haingana maneran-tany: “Ny Kristianina, Bodista, Jiosy, Hindoa, Silamo, ary Sikhs, any Indonezia ka hatrany Irlandy Avaratra, any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane ka hatrany Cachemire, any Inde ka hatrany Nizeria, ary any amin’ireo tany Balkans ka hatrany Sri Lanka, dia samy milaza fa mety ny fampiasany herisetra mba hiarovana ny fivavahany sy ny tombontsoan’izy io.”

Ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina anefa no tena hindrahindrain’ny ankamaroan’ny fivavahana. Hatramin’izay, dia ny fivavahana no tena nampirisika ny olona ho tia ny hafa sy hanaja ny aina ary hanao zavatra mitovitovy amin’izany. Tsy tokony hataon’ny fivavahana àry ve izay hampihavana ny olona? Mila mandinika an’io fanontaniana io ny mpivavaka tso-po.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara