Manome fahafahampo amin’izay ilaintsika ve ny fivavahana?
Relijiozy nandritra ny 21 taona i Maria. Notezaina tao anatin’ny fitiavam-pivavahana tokoa izy ka vao tamin’ny fahazazany dia zatra ny nifoha tao anatin’ny alina mba hivavaka ho an’ny hafa. Voatery nahatsapa anefa izy fa na dia tao aza ny herin’ny fivavahana nandritra ny an’arivony taona maromaro, dia tsy nanjavona ny fahantrana sy ny fahoriana ary ny tsy rariny. Tamin’ny farany dia nanontany tena toy izao izy: ‘Tena manome fahafahampo amin’izay ilaintsika tokoa ve ny fivavahana?’
Mampanaraka foto-pisainana sy fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena mendrika ny ankamaroan’ireo fivavahana. Olona be dia be anefa no mihevitra fa miteraka fahasahiranana be dia be ny fivavahana, mampitombo ny fanahiantsika fa tsy manome fahafahampo amin’izay ilaintsika. Izao, ohatra, no fanamarihana sasany natao ny amin’izany: “Ny fivavahana no mahaforona ny antony lalina indrindra manosika hanao zavatra amin-kabibiana.” (National Review). “Ny antony voalohany mahatonga ady dia tsy ny fitsiriritana intsony, fa ny fivavahana.” (Toronto Star). “Tsy nisy afa-tsy kristiana no nanao’ ny Fandripahana.” — The Tampa Tribune.
Milaza ho manome fahafahampo izay ilain’ny olombelona ny fivavahana, nefa tokony hahagaga ve raha tsy toy izany no fiheveran’ireo izay mahita azy miasa? Mba hanazavana izany, dia izao no tantarain’ny revio Christian Century: “Ny shintoisma, fivavahana araka ny fanaon-drazana any Japon, dia tsy vitan’ny hoe nanohana tsy misy fepetra ny fiezahana hiady, fa ambonin’izany, dia nanao izay haha-ara-dalàna azy tanteraka.” Fivavahana maro be no nanaraka fihetsika sahala amin’izany: izy ireny koa dia “nanohana tsy misy fepetra ny fiezahana hiady”. Eritrereto kely ny famonoana olona arahin’ny valifaty izay mandrotidrotika ny bodista sy ny hindoa any Sri Lanka, ny fandripahana sy ny heloka lehibe ataon’ny katolika sy protestanta any Irlande — ary tsy izay ihany! “Taonjato maro izao ny hindoa, ny miozilimana, ny ‘sikhs’ sy mpikambana amin’ny fihetsiketsehana ara-pivavahana hafa koa no mifamono any Inde”, hoy ny fitarainan’ny revio U.S.News & World Report indray andro.
Na dia tsy mihevitra aza ny sasany fa manosika hanao ratsy ny fivavahana, dia tsy heveriny ho hery manosika hanao ny tsara izany. Ny National Catholic Reporter dia miresaka ny amin’ny “tsy fahaizan’ny Fiangonana mahazatra manome amin’ny fomba mandaitra izay antenaina sy ilain’ny olona”. Nanambara koa ny revio Liberty fa toa mihevitra ny vahoaka fa ny mpitondra fivavahana dia “mpanokana sy mpanamasina ary mpitso-drano” tsy hatonina raha tsy rehefa misy fotoan-dehibe. Izao koa no nanampiny: “Araka ny hevitry ny maro, ny pretra dia miasa ho an’ny fitanana ny toe-javatra ho toy ny ankehitriny ihany.” Toy izany ve no fiheveranao ny fivavahana? Heverinao ve fa tsy manan-kery tsara na ratsy mihitsy izy?
Ny fivavahana amin’ny androntsika dia mitovy be dia be amin’ny tamin’ny fotoana nivahinian’i Jesosy teto an-tany. Nohantitranterin’i Jesosy fa ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny dia tsy nanaja an’Andriamanitra afa-tsy tamin’ny molotra. Tamin’ny nataon’izy ireny, dia nampitombo fotsiny ny enta-mavesatry ny vahoaka izy ireny fa tsy nanome fahafahampo tamin’izay nilainy. “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona.” (Matio 23:4). Amin’izao andro izao, dia mampanantena zavatra be dia be ny fivavahana, nefa toa kely dia kely ny zavatra entiny. Misy antony tokony hieritreretana àry ve fa afaka ny hanome fahafahampo amin’izay ilaintsika ny fivavahana?