FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/11 p. 24-28
  • Ny Tsara ho Fantatra Momba ny Kanseran’ny Nono

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tsara ho Fantatra Momba ny Kanseran’ny Nono
  • Mifohaza!—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsara ho fantatra
  • Ny mahatonga azy
  • Izay Tokony ho Fantatry ny Vehivavy Momba ny Kanseran’ny Nono
    Mifohaza!—1995
  • Ireo Fanalahidin’ny Fahatafitana Velona
    Mifohaza!—1995
  • Ilay Fanohanana Izay Misy Vidiny
    Mifohaza!—1995
  • Rehefa Misy Ankizy Voan’ny Kansera
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—2011
g 8/11 p. 24-28

Ny Tsara ho Fantatra Momba ny Kanseran’ny Nono

TSY nahitana an’ireo zavatra mahazatra mahavoan’ny kanseran’ny nono i Lalao.a Efapolo taona izy, salama tsara, tsy manana havana voan’ny kanseran’ny nono, ary tsy nahitana zavatra hafahafa ny nonony rehefa notarafina. Nitsapa ny nonony anefa izy indray mandeha, tao amin’ny efitra fandroana, ka nahare zavatra mivonto. Hay kansera ilay izy! Ankona izy mivady rehefa nohazavain’ny dokotera izay fitsaboana azony nifidianana.

Taloha dia tsy maintsy nodidiana ny olona voan’ny kansera ka nesorina tanteraka ny nonony sy ny faritra misy ny atodintarina eo amin’ny tratrany sy ny heliny. Matetika koa ny fitsaboana simika sy ny fitsaboana amin’ny alalan’ny taratra no nanalava ny fotoana harariana. Tsy mahagaga raha ilay “fitsaboana” no atahoran’ny olona kokoa noho ilay aretina.

Ady mafy ny mitsabo kanseran’ny nono satria ilay aretina tsy maintsy fongorana nefa ilay marary tsy te hijaly be sy hanala ny nonony tsy amin’antony. Toa an’i Lalao ireo voan’ny kanseran’ny nono ankehitriny, ka mety ho afaka hifidy fitsaboana.b Manao fikarohana tsy an-kiato koa ny mpitsabo ary mamoaka tatitra. Manantena àry ny olona fa hisy fomba mahomby hamantarana mialoha an’ilay aretina sy hamantarana an’izay sakafo azo iarovan-tena aminy ary hitsaboana azy.

Mbola ny kanseran’ny nono no kansera tena mahafaty ny vehivavy, na dia mandroso aza ny fitsaboana.c Any Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana no tena be vehivavy voan’izy io, nefa efa mitombo koa izany any Azia sy atỳ Afrika. Betsaka amin’ireo vehivavy voan’izy io any Azia sy atỳ Afrika aza no maty. Nahoana? Hoy ny dokotera iray atỳ Afrika: “Tsy dia mieritreritra ny hijery an’ilay izy mialoha ny olona. Efa mihombo be ilay aretina vao manatona anay izy ireo.”

Atahorana ho voan’ny kanseran’ny nono ny olona rehefa mandroso taona. Tokotokony ho ny 80 isan-jaton’ireo voan’izy io no 50 taona mahery. Soa ihany fa anisan’ny kansera mora tsaboina indrindra izy io. Azo sitranina tsara ireo marary raha hita mialoha ilay aretina. Ny 97 isan-jaton’izy ireo no mbola velona, dimy taona atỳ aoriana. Anisan’izy ireny i Lalao.

Tsara ho fantatra

Matetika no zavatra mivonto no amantarana ny kanseran’ny nono, toy ny an’i Lalao. Soa ihany anefa fa tsy mihanaka ny 80 isan-jaton’ny fivontosana toy ireny fa zavatra miangona fotsiny, toy ny kitapon-drano maromaro antsoina hoe kista.

Ahoana no iforonan’ny kanseran’ny nono? Misy sela iray mizarazara haingana be tsy toy ny mahazatra, ary mahatonga fivontosana. Lasa kansera kosa io fivontosana io rehefa mifindra eny amin’ny tambatsela hafa ireo sela. Mitombo haingana ny fivontosana sasany, fa ny hafa kosa mety hahatratra folo taona vao hita.

Nampiasa fanjaitra kely ny dokoteran’i Lalao mba hakana tambatsela teo amin’ilay fivontosana. Hita hoe nisy kansera ireo sela. Nodidiana àry izy mba hanalana an’ilay fivontosana sy ireo tambatsela manodidina ny nonony. Izany koa no nahitana ny haben’ilay fivontosana, ny karazany, ary ny fihanahany.

Mila fitsaboana fanampiny ny marary maro, aorian’ny fandidiana, mba tsy hiverenan’ilay kansera na hiparitahany. Mety hivoaka avy ao amin’ilay fivontosana ny sela misy kansera, hanaraka ny lalan-dra na ny lalan’ny liofotsy, ary hitombo indray. Mihanaka any amin’ny tambatsela sy taova hafa tena iankinan’ny aina, toy ny atidoha, aty, tsoka, na havokavoka, ilay kansera ka izay no mahatonga azy hahafaty.

Notarafina sy nanaovana fitsaboana simika i Lalao mba hamonoana an’izay sela miparitaka eny amin’ny manodidina an’ilay faritra nisy kansera sy manerana ny vatany. Mivelona amin’ny estrozenina ilay kansera nahazo azy, ka nanaraka fitsaboana mampihena ny fiforonan’ny hormonina izy mba tsy hiforonan’ny kansera vaovao.

Mandroso ny fitsaboana kanseran’ny nono ka lasa misy fomba fitsaboana azo isafidianana, arakaraka ny taonan’ilay marary, ny fahasalamany, ny karazan’ilay kansera, na ny hoe nisy havany efa voa sa tsia. Mbola tsy nitatra tany ivelan’ny fantsona fandehanan’ny ronono, ohatra, ny kansera tao amin’ny nonon’i Arlette, dia efa hita. Ilay nivonto ihany àry no nodidiana, ka tsy voatery nesorina ny nonony. I Alice kosa nanaovana fitsaboana simika mba hampihenana an’ilay fivontosana, talohan’ny nandidiana azy. Ny an’i Janice indray, ilay fivontosana sy ny faritra voalohany nisy ny ranok’ilay izy ihany no nesorin’ny dokotera. Tsy nisy kansera ilay izy, ka tsy voatery nesorina ny faritra hafa. Tsy dia natahorana hivontovonto àry ny sandrin’i Janice.

Efa betsaka no fantatra momba ny fihomboan’ny kanseran’ny nono. Mbola tsy hay anefa ny mahatonga azy io sy ny fiantombohany?

Ny mahatonga azy

Mbola tsy fantatra ny mahatonga ny kanseran’ny nono. Milaza ny mpanao tsikera fa kely kokoa ny fikarohana atao momba an’izay mahatonga an’ilay kansera sy ny fisorohana azy raha ampitahaina amin’ny fikarohana atao momba ny fitsaboana sy ny fitarafana azy, izay ahazoam-bola kokoa. Misy zavatra hitan’ny mpahay siansa ihany anefa. Misy mihevitra fa zavatra maromaro mifampitohy no mahatonga ny kanseran’ny nono. Misy tsy mety ao amin’ny fototarazo ka lasa mizarazara haingana be ny sela, manafika tambatsela hafa, tsy resin’ny hery fanefitra, ary manimba tsikelikely ny taova lehibe hafa.

Avy aiza ireo fototarazo hafahafa? Efa manana azy io hatrany am-bohoka ny 5 ka hatramin’ny 10 isan-jaton’ny vehivavy voan’ny kanseran’ny nono. Zavatra ivelan’ny vatany kosa matetika no toa manimba ny fototarazo salama, ka heverina fa ny fitarafana sy ny zavatra simika no tena mahatonga izany. Mety hohamarinin’ny fikarohana ihany izany, any aoriana.

Eo koa ny estrozenina izay toa mampihetsika ny kanseran’ny nono sasany. Atahorana ho voany àry ny vehivavy raha tonga fotoana aloha loatra, na tara loatra vao mitsaha-potoana, na tara loatra vao miteraka, na tsy miteraka mihitsy, na mampiasa fanafody solona hormonina. Mamoaka estrozenina ny selan’ny tavy ka atahorana ho voan’ny kanseran’ny nono ny vehivavy efa mitsaha-potoana raha matavy loatra, na dia efa tsy mamokatra hormonina intsony aza ny fihary atodinainy. Mety ho voan’izy io koa ny olona iray raha be insuline ny vatany sady kely mélatonine na hormonina mampahatory. Matetika no kely mélatonine ny olona miasa alina.

Mety hihatsara sy tsy dia hampanaintaina ve ny fitsaboana ny kanseran’ny nono, atsy ho atsy? Eo am-pitadiavana hevitra izao ny mpitsabo hoe ahoana no azo ampiasana ny hery fanefitry ny vatana sy ny fanafody miady amin’ireo molekiola mahatonga ny fitomboan’ilay kansera. Ankoatra izany dia ho marina kokoa ny valin’ny fitarafana, noho ireo fitaovana fitarafana maoderina.

Mikaroka momba an’ireto koa izao ny mpahay siansa: Nahoana ny sela misy kansera no mihanaka? Ahoana no hiadiana amin’ireo sela tsy laitram-panafody? Ahoana no hanakanana ny fitomboan’ilay sela? Ahoana no hitsaboana ny fivontosana tsirairay?

Tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy anefa ny hanafoana ny aretina sy ny fahafatesana. (Romanina 5:12) Ny Mpamorona antsika ihany no hahavita an’izany ary tena hanao izany izy, hoy ny Baiboly. Milaza ny Isaia 33:24 fa ho avy ny fotoana ‘tsy hisian’ny mponina hilaza hoe: “Marary aho.”’d Hiadana erỳ isika amin’izay!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

b Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza!

c Mahalana no misy lehilahy voan’ny kanseran’ny nono.

d Miresaka an’izany bebe kokoa ilay boky fianarana Baiboly hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]

SORITR’ARETINA MILA JERENA

Tena tsara raha hita mialoha ilay aretina. Asehon’ny fikarohana sasany anefa fa mety tsy ho tena marina ny valin’ny fitarafana na ny fizahana nono raha mbola tanora kokoa ny vehivavy. Lasa mitsabo tena sy miady saina tsy amin’antony izy ireo. Mampirisika mafy ny vehivavy anefa ny manam-pahaizana mba hijery raha misy fiovana eo amin’ny nonony na misy atodintarina izy. Ireto avy ny soritr’aretina mila jerena:

● Misy mivonto na misy zavatra mafimafy eo amin’ny helika na ny nono

● Misy ranoka mivoaka ankoatra ny ronono, eo amin’ny lohanono

● Miova ny lokon’ny hoditry ny nono na ny halamany sy ny harokorokony

● Milentika na malemilemy hafahafa ny lohanono

[Efajoro, pejy 25]

AHOANA RAHA VOAN’NY KANSERAN’NY NONO IANAO?

● Miomàna fa haharitra herintaona, fara fahakeliny, ny fitsaboana.

● Raha azo atao, dia mitadiava dokotera mahay sy vonona hanome izay ilainao ary manaja an’izay inoanao.

● Iaraho midinika amin’ny mpianakavinao hoe iza no hilazana momba an’ilay kansera ary rahoviana no hilazana azy. Amin’izay ny namanao dia ho afaka hiahy anao sy hiara-mivavaka aminao ary hivavaka ho anao.—1 Jaona 3:18.

● Mamakia Baiboly, mivavaha, ary mieritrereta zavatra mampahery, mba hampahatanja-tsaina anao.—Romanina 15:4; Filipianina 4:6, 7.

● Miresaha amin’ny olona efa voan’ny kanseran’ny nono ka afaka mampahery anao.—2 Korintianina 1:7.

● Ny olana androany ifantohana fa tsy izay hitranga rahampitso. Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.”—Matio 6:34.

● Aza mandrera-tena. Makà aina tsara.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

MIRESAHA AMIN’NY DOKOTERA

● Ianaro ny teny fampiasa amin’ny fitsaboana kanseran’ny nono.

● Ataovy lisitra ny fanontaniana hapetrakao, rehefa ho any amin’ny dokotera. Asaivo miaraka aminao ny vadinao na ny namanao mba handray naoty.

● Asaivo hazavain’ny dokoteranao izay lazainy raha misy tsy azonao.

● Anontanio izy hoe firy ny olona mitovy aretina aminao efa notsaboiny.

● Manatòna dokotera hafa raha mety.

● Raha tsy mitovy hevitra ny dokoteranao, dia diniho tsara ny traikefan’ny tsirairay ary asaivo mifampiresaka izy ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

FOMBA HIATREHANA NY VOKA-DRATSIN’NY FITSABOANA

Mety ho anisan’ny voka-dratsin’ny fitsaboana kansera ireto: Maloiloy, mihintsam-bolo, rera-dava, manaintaina, voly ny rantsambatana na misy manindrontsindrona, ary tsy zakan’ny hoditra ilay fitsaboana. Ireto misy zavatra tsotra mety hampihena an’izany:

● Misakafoana tsara mba hatanjaka ny hery fanefitrao.

● Raiso an-tsoratra hoe nanao ahoana ny herinao ary nanao ahoana ny vatanao isaky ny avy nihinana karazan-tsakafo iray.

● Jereo raha tsy dia maloiloy sy tsy dia manaintaina ianao rehefa avy mihinana fanafody na manao tsindrona volamena na miotra.

● Manaova fanatanjahan-tena voalanjalanja mba hatanjaka kokoa ianao, tsy hatavy na hahia loatra, ary hiasa tsara ny hery fanefitrao.e

● Mialà sasatra matetika, nefa tadidio fa mety handreraka ny fatoriana ela loatra.

● Aza avela ho maina ny hoditrao. Manaova akanjo malaladalaka. Mandroa amin’ny rano mafana.

[Fanamarihana ambany pejy]

e Mila miresaka amin’ny mpitsabo matihanina ny olona voan’ny kansera alohan’ny hanaovana fanatanjahan-tena.

[Efajoro, pejy 28]

AHOANA RAHA MISY HAVANAO VOAN’NY KANSERA?

Ahoana no hanampianao ny havanao na namanao voan’ny kansera? Araho ity toro lalan’ny Baiboly ity: “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.” (Romanina 12:15) Asehoy fa tianao izy ka antsoy an-telefaonina, anoraty taratasy, andefaso karta na e-mail, ary tsiditsidiho. Miaraha mivavaka aminy ary mamakia andinin-teny mampahery avy ao amin’ny Baiboly. Hoy i Beryl: “Aza miresaka momba an’ireo efa matin’ny kansera. Momba an’ireo sitrana kosa resahina.” Hoy koa i Janice, izay efa voan’ny kansera: “Tonga dia fihino fotsiny ilay namanao. Hiresaka momba an’ilay aretina izy raha tiany.” Ny lehilahy no tena tokony hanome toky ny vadiny hoe tiany izy.

Hoy i Geoff: “Misy andro atokanay tsy iresahana an’ilay aretina mihitsy. Nanapa-kevitra ny vadiko fa tsy ny fahasalamany foana no hatao anton-dresaka. Nanapa-kevitra àry izahay fa hasianay andro iray tsy hiresahana momba an’ilay kansera mihitsy, fa hiresahana zavatra mahafinaritra fotsiny. Ataonay matetika izany, ka hoatran’ny hoe mba maka rivotra kely izahay.”

[Efajoro, pejy 28]

MILAZA NY HEVINY IZY IREO

Rehefa reny hoe voan’ny kansera izy

Sharon: Niova tampoka ny fiainako. Nilaza aho hoe: “Vita hatreo ny amiko.”

Tamin’ny fotoana mafy indrindra taminy

Sandra: Ny adin-tsaina indray no nandreraka kokoa noho ny fitsaboana.

Margaret: Rehefa avy mitsabo fanindroany ianao, dia miteny hoe: “Izaho tsy hanao intsony.” Manohy ihany anefa ianao.

Momba an’ireo namany

Arlette: Nilazanay ny namanay mba hivavaka ho anay.

Jenny: Voamarikay daholo ny tsikin’ny olona sy ireo fihetsika kely mampahery.

Momba ny vadiny

Barbara: Nosolaiko ny lohako dieny mbola tsy nihintsana ny voloko. Hoy i Colin: “Tsara kosa ny paozin’ny lohanao a!” Nampihomehy ahy izany.

Sandra: Niara-nijery fitaratra izahay, ka hitako tamin’ny endrik’i Joe hoe tsy kivy izy.

Sasha: Hoy i Karl rehefa miresaka amin’ny olona: “Voan’ny kansera izahay.”

Jenny: Be fitiavana foana i Geoff. Tsy mihena mihitsy ny finoany ka manome toky ahy izany.

[Kisary/Sary, pejy 27]

(Jereo ny gazety)

Tsy ara-dalàna ny fitomboan’ny sela misy kansera fa mihamaro sy manafika tambatsela hafa

[Kisary]

Fantsona fandehanan’ny ronono, misy sela ara-dalàna

Fantsona fandehanan’ny ronono, efa misy fivontosana

Kansera efa mihanaka eny ivelan’ny fantsona fandehanan’ny ronono

[Sary, pejy 28]

Tena mila ny fitiavan’ny fianakaviany sy ny namany ny olona voan’ny kansera

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara