FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/12 p. 3
  • Maro no Manao ny Tsy Marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maro no Manao ny Tsy Marina
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay Manao ny Marina no Tena Hahomby
    Mifohaza!—2012
  • Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ny Fiainan’i Samoela?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Inona no ho Vokany Raha Manao ny Tsy Marina Isika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Ampirisihina Hanao ny Tsy Marina
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 1/12 p. 3

Maro no Manao ny Tsy Marina

Miasa ao amin’ny tranombarotra lehibe iray any Hong-Kong i Danny.a Nitsidika orinasa iray mety ho afaka hamatsy an’ilay tranombarotra izy, ary nilaza fa mety tsy hahafeno ny fepetra notakin’ilay tranombarotra ilay orinasa. Nomen’ny lehiben’ilay orinasa valopy iray i Danny rehefa nisakafo. Vola an’aliny dolara no tao. Mitovy amin’ny karaman’i Danny herintaona izany.

● Fahita ny toy izany. Mahazendana ny hoe fahita eran-tany ny kolikoly, ary misy sahy manome vola be amin’izany. Hita amin’ny antontan-taratasin’ny fitsarana, ohatra, fa nanao tsolotra 1 400 tapitrisa dolara ny orinasa lehibe iray any Alemaina, teo anelanelan’ny 2001 sy 2007, rehefa nitady olona hanao fifanarahana aminy.

Marina fa mba misy fiovana kely rehefa lasa resa-be ny momba ny olona tratra nanao kolikoly. Toa vao mainka anefa betsaka ny kolikoly, amin’ny ankapobeny. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Mangarahara Iraisam-pirenena tamin’ny 2010 fa “nitombo ny fanaovana kolikoly [eran-tany] tato anatin’ny telo taona.”

Nahoana no be dia be no manao ny tsy marina? Mahasoa ve ny manao ny marina? Raha eny, ahoana no hetezan’izany? Afaka manampy antsika ve ny Baiboly?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara