FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/12 p. 3
  • Manàna Risi-po

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Risi-po
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hataoko fa Leo Mandeha Mianatra Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Nahoana no mianatra any an-tsekoly?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Tokony Hiala Amin’ny Fianarana ve Aho?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Mahaiza Manararaotra ny Fianarana any An-tsekoly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 10/12 p. 3

Manàna Risi-po

Ankizy handeha hianatra

Fantaro ny soa azo avy amin’ny zavatra iray, raha te hazoto hanao an’ilay izy ianao.

INONA no soa azo avy amin’ny fianarana? Manampy anao ho hendry izy io, ary milaza ny Baiboly fa “fiarovana ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12) Nahoana? Andeha hatao hoe mandeha amin’ny toerana iray mampidi-doza ianao. Iza no tianao kokoa: Mandeha irery sa misy namana afaka miaro raha misy zavatra mitranga? Raha mianatra tsara koa ianao, dia hanana “namana” ho azonao ianteherana. Ireto avy izany:

  • Fahaiza-misaina. Manampy anao ho ‘hendry sy hisaina’ tsara ny fianarana. (Ohabolana 3:21) Tena ilaina izany mba hahaizanao hamaha olana samirery, fa tsy hiantehitra foana amin’ny hafa.

  • Fahaizana mifandray amin’ny hafa. Milaza ny Baiboly fa ilain’ny Kristianina ny toetra toy ny fahari-po sy fifehezan-tena. (Galatianina 5:22, 23) Afaka manana an’izany ianao rehefa mifanerasera amin’ny olona isan-karazany any am-pianarana. Hahay handefitra sy hanaja olona ary hangoraka koa ianao. Ilainao ireo toetra ireo rehefa lehibe ianao.

  • Fahalalana. Mianatra miasa mafy ny ankizy any am-pianarana, ka azo inoana kokoa hoe hahazo asa sy haharitra amin’izany. Rehefa mahalala tsara ny tontolo manodidina anao ianao, dia ho fantatrao kokoa ny toetra maha izy anao sy ny hevitra ijoroanao. (Ohabolana 14:15) Ho sahy hiaro ny zavatra inoanao ianao amin’izay, ka hanao izany amim-panajana.—1 Petera 3:15.

Fehiny: Tena mahasoa ny fianarana, ka tsara raha tsy mifantoka amin’ireo zavatra tsy tianao any am-pianarana ianao. Ataovy an-tsaina àry ireo zavatra noresahina teo ka mazotoa mianatra. Mbola mety hahita antony hafa tokony hianarana aza ianao!

Izao atao: Eritrereto hoe inona no tena mahatonga anao hianatra tsara.

Tian’ny ankizy ny mpampianatra tsara!

“Afaka niasa tany amin’ny banky ilay Ramose mpampianatra ekonomia anay. Naleony anefa nampianatra tao amin’ny lise, na dia tsy tia an’ilay taranja aza ny ankizy tao. Nataony tsotra ny fanazavany, tia nivazivazy izy, ary nampiany izahay hahita hoe tena ilainay io taranja io. Nantsoiny mihitsy aza i Neny indray andro ary nilazany fa tsara ny naotiko. Rehefa nanontanian’ny ankizy izy hoe maninona no nampianatra tao aminay, dia nolazainy fa io no toerana tsara indrindra niasany. Fantany tsara izahay. Tia anay koa izy ary nidera anay. Izy no mpampianatra tiako indrindra hatramin’izay!”—Reyon, Etazonia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara