FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/12 p. 5
  • Mitadiava Fanampiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitadiava Fanampiana
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Azoko Atao mba Hifandraisana Tsara Amin’ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora
  • Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Ahoana no Ahafahako Mifandray Tsara Amin’ny Mpampianatra Ahy?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Nahoana Isika no Mila Mpampianatra?
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 10/12 p. 5
[Sary, pejy 5]

Mitadiava Fanampiana

Tena tsara raha mba misy manoro hevitra ianao, na amin’izao ianao mbola mianatra izao na rehefa lehibe.

IZA no afaka manampy anao amin’ny fianarana?

Fianakaviana.

Hoy i Bruna, ankizivavy 18 taona any Brezila: “Hazavain’i Dada amiko ny devoarako rehefa tsy haiko. Tsy tonga dia atorony anefa ny valiny, fa fanontaniana no apetrany mba hahitako an’ilay izy.”a

Soso-kevitra: Anontanio ny ray na ny reninao raha hainy ilay zavatra tsy hainao. Mety ho afaka hanampy anao izy raha mahay.

Mpampianatra.

Tian’ny ankamaroan’ny mpampianatra ny hoe misy ankizy te hahay, ka tena vonon-kanampy izy ireo.

Soso-kevitra: Lazao fotsiny ny mpampianatra anao hoe: “Tsy haiko mihitsy ity taranja ity nefa izaho te hahay. Inona no azoko atao?”

Mpanoro hevitra.

Mety ho afaka hanampy koa ny namana azo itokisana. Misy lafiny roa maha tsara an’izany. Voalohany, hahazo ny fanampiana ilainao ianao. Faharoa, hianatra hitady fanampiana amin’ny hafa ianao. Hahasoa anao izany any aoriana. Matetika mantsy no hahavita zavatra tsara ny olona mifanampy noho ny olona miady irery.—Ohabolana 15:22.

Soso-kevitra: Anontanio ny ray aman-dreninao hoe iza no mety ho tsara toerana hanoro hevitra anao.

Fehiny: Tsy ratsy mihitsy ny hoe mangataka fanampiana!

Izao atao: Manorata anaran’olona roa na telo, izay tena tianao na hajainao, ka azonao atao modely. Mety hisy amin’izy ireo ve ho afaka hanampy anao amin’ny devoaranao?

a Mety ho afaka hanampy anao koa ny zokinao.

“Ilay mpampianatra tiako indrindra”

“Hentitra be ilay mpampianatra tiako indrindra, nefa manaja azy ny rehetra. Izy koa mafana fo. Mivezivezy eran’ny trano izy rehefa manazava sady manao fihetsehana. Asainy mandray anjara ny rehetra. Rehefa misy zavatra tsy azo, dia hazavainy foana ilay izy mandra-pahazoanao azy. Averiny foana hoe vonona hamaly ny fanontanianay izy. Sady manatsara ny fahaizany, hono, izany no manampy azy hahita hoe inona no tsy azonay. Mitady izay hahasoa anay tsirairay izy. Maro no te ho lasa mpitana kaonty, rehefa avy nampianariny an’io taranja io, herintaona monja.”—Alana, Aostralia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara