FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 10/12 p. 19-21
  • Matahotra Vaovao Ratsy ve ny Zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Matahotra Vaovao Ratsy ve ny Zanakao?
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio ny Zanakao mba Tsy Hatahotra Be Rehefa Mahita Vaovao Ratsy
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ahoana no Hitaizana ny Ankizy?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 10/12 p. 19-21

Matahotra Vaovao Ratsy ve ny Zanakao?

[Sary, pejy 19]

“Tsy tia mijery vaovao ratsy ny zanako vavy 11 taona. Matetika izy no manonofy ratsy rehefa avy mijery azy ireny. Nijery vaovao momba ny olona iray nanapaka ny lohan’ny havany izy indray mandeha, ka azony nofy hoe nisy nanapaka koa ny lohany.”—Quinn.

“Manan-janakavavy enin-taona ny rahalahin’ny vadiko ary hitany tamin’ny vaovao hoe nisy rambondanitra tany amin’ny faritra iray. Nihorohoro ilay zaza nandritra ny herinandro maromaro. Nitelefaonina ahy izy ary nilaza fa hopaohin’ny rambondanitra, hono, izy dia ho faty.”—Paige.

LASA matahotra ve ny zanakao rehefa avy mijery vaovao? Efa ho ny 40 isan-jaton’ny ray aman-dreny nanontaniana no nilaza fa mihorohoro ny zanany noho ny vaovao hitany, ka lasa mieritreritra hoe hitranga aminy na amin’ny havany koa ilay zavatra hitany.

Tsy mitovy amin’ny an’ny olon-dehibe mantsy ny fandraisan’ny ankizy ny vaovao hitany. Raha averimberina amin’ny vaovao, ohatra, ny loza iray, dia heverin’ny ankizikely hoe tena miverimberina mitranga ilay izy.

Mampiova ny fahitan’ny ankizy ny fiainana koa ny vaovao mampahatahotra mivoaka isan’andro. Marina fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Lasa mihorohoro anefa ny ankizy rehefa mahita vaovao mampahatahotra foana. Hoy ny Fikambanana Kaiser Misahana ny Fianakaviana: “Raha mijery vaovao amin’ny tele foana ny ankizy, dia lasa mihevitra hoe be loatra ny heloka bevava ka mampidi-doza be ny fiainana, nefa tsy izany akory no tena izy.”

Inona no azonao atao raha matahotra vaovao ratsy ny zanakao? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy:

Olona mitazona telekomandy

Arovy

Arovy izy ireo.

Fero ny vaovao jeren’ny ankizy, arakaraka ny taonany. Jereo koa hoe efa mato-tsaina ve izy na mora mihetsi-po. Be dia be ny vaovao miely amin’izao, ka mety ho fantatry ny zanakao ny zava-mitranga. Mety tsy hampoizinao akory aza ny zavatra ren’ny ankizikely na hitany. Mila manao zavatra haingana àry ianao raha voamarikao hoe lasa saro-tahotra na be fanahiana ny zanakao.

Reny mampianatra ny zanany rehefa avy mijery vaovao

Ampianaro

Ampianaro izy ireo.

Miaraha mijery vaovao amin’ny zanakao rehefa mihalehibe izy, ka hararaoty izany mba hampianarana azy. Asongadino ny lafy tsaran’ilay vaovao, ohatra hoe ny fanampiana an’ireo tra-boina.

Omeo toky izy ireo.

Asaivo miresaka an’izay tsapany ny zanakao, rehefa misy vaovao ratsy amin’ny tele. Hoy i Michael: “Hazavainay mivady amin’i Nathaniel zanakay lahy ny zavatra noresahin’ny tele. Resahinay aminy koa ny zavatra nataonay mba hisorohana ny loza toy ireny. Nahita trano kilan’ny afo tamin’ny tele, ohatra, i Nathaniel indray mandeha ka nanahy sao ho kilan’ny afo koa ny tranonay. Efa nisy fanairana amin’ny hain-trano tao aminay, ka nasehonay azy izany mba tsy hatahotra izy. Amin’izay dia hitany ny toerana misy azy ireny sy ny antony ilana azy, ka tsy mitebiteby izy.”

Ray aman-dreny manome toky ny zanany

Omeo toky

Mahaiza mandanjalanja.

Hitan’ny manam-pahaizana fa mora mieritreritra ny olona hoe mety hitranga aminy ny zavatra iray, arakaraka ny ieritreretany an’ilay izy. Raha renao vao haingana, ohatra, hoe nisy naka an-keriny ny ankizy iray, dia mety hieritreritra ianao hoe hisy haka an-keriny koa ny zanakao. Tsara aloha ny mitandrina. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa ataon’ny vaovao izay hahatonga anao hatahotra zavatra tsy hitranga aminao akory.—Ohabolana 22:3, 13.

Raha tsy mahay mandanjalanja ny ray aman-dreny rehefa mijery vaovao, dia mety hatahotra loatra izy sy ny zanany. Very tany an-tendrombohitr’i Utah, any Etazonia, ohatra ny ankizilahikely 11 taona, tamin’ny 2005. Natahotra mpaka an-keriny izy ka niafina an’ireo olona hamonjy azy, nandritra ny efatra andro. Efa tena reraka sy tsy ampy rano izy, vao hitan’ny mpamonjy azy. Nahalana be tamin’izany vao nisy ankizy nangalarin’olona. Naleon’ilay zaza anefa maty noana toy izay hahazo fanampiana.

“Mora matahotra vaovao miresaka hetraketraky ny natiora sy loza hafa ny ankizy 3 ka hatramin’ny 7 taona, fa ny ankizy 8 ka hatramin’ny 12 taona kosa mora matahotra vaovao miresaka heloka bevava na herisetra.”—Fikambanana Kaiser Misahana ny Fianakaviana

Tokony hahay handanjalanja àry ianao sy ny zanakao rehefa mijery vaovao. Mandeha amin’ny vaovao mantsy ny zavatra iray satria tsy fahita firy, fa tsy hoe mateti-pitranga.

Fahita ankehitriny ny heloka bevava sy ny herisetra ary ny hetraketraky ny natiora. Tsy dia hisy vokany amin’ny zanakao anefa ny vaovao ratsy, raha miaro sy mampianatra ary manome toky azy ianao sady manampy azy hahay handanjalanja.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara