FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 17
  • Ampio ny Zanakao mba Tsy Hatahotra Be Rehefa Mahita Vaovao Ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Zanakao mba Tsy Hatahotra Be Rehefa Mahita Vaovao Ratsy
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy vokany amin’ny ankizy ve ireny vaovao ratsy ireny?
  • Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba tsy hatahotra be rehefa mahita vaovao ratsy?
  • Matahotra Vaovao Ratsy ve ny Zanakao?
    Mifohaza!—2012
  • “Intỳ Izahay Iraho!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 2
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 17
Fianakaviana miara-mijery tele. Misy vaovao ratsy mandeha eo amin’ny tele, dia hitan’ilay raim-pianakaviana hoe matahotra ny zanany lahy mahita an’ilay izy.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Inona no Azonao Atao Mba Tsy Hatahotra Be ny Zanakao Rehefa Mahita Vaovao Ratsy?

Misy vaovao ratsy foana hitantsika amin’ny tele, amin’ny telefaonina, amin’ny tablette, na amin’ny ordinatera. Matetika izy ireny no ampiarahina amin’ny video misy tsipiriany momba an’ilay zava-nitranga mihitsy.

Ary mijery an’ireny vaovao ireny ny ankizy.

Inona no tokony hataonao raha tsy tianao hitebiteby be ny zanakao rehefa mahita vaovao ratsy?

  • Misy vokany amin’ny ankizy ve ireny vaovao ratsy ireny?

  • Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba tsy hatahotra be rehefa mahita vaovao ratsy?

  • Ahoana no atao raha nahita maso an’ilay zava-nitranga mihitsy ny zanakao?

Misy vokany amin’ny ankizy ve ireny vaovao ratsy ireny?

  • Be dia be ny ankizy lasa mihorohoro rehefa mahita vaovao ratsy. Mety tsy hotenitenenin’ny ankizy amin’ny ray aman-dreniny hoe matahotra izy, rehefa avy mijery vaovao ratsy.a Mety hoe mitebiteby be anefa izy any anatiny any. Vao mainka koa aza izy hatahotra be rehefa mahita hoe manahy be koa ny ray aman-dreniny.

  • Mety ho hafa mihitsy ny fandraisan’ny ankizy an’ireny vaovao ratsy ireny. Rehefa mahita vaovao ratsy, ohatra, ny ankizy sasany dia mety hieritreritra hoe ho tratran’ilay izy koa ny fianakaviany. Rehefa hitan’ny ankizikely miverimberina koa ny video misy vaovao mampatahotra anankiray, dia mety hieritreritra izy hoe miverimberina mitranga ilay izy.

  • Mety tsy ho hain’ny ankizy ny hanavaka hoe manitatra ve ilay mpilaza vaovao sa tsia. Mety tsy ho fantatry ry zareo hoe mahazo vola be ireny mpilaza vaovao ireny rehefa be dia be ny olona mijery ny vaovao alefany. Mety hitarin’izy ireny, ohatra, ny vaovao anankiray mba hanaitra be na hampatahotra be, amin’izay ny olona liana, dia lasa te hijery ny vaovao alefan-dry zareo foana.

Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba tsy hatahotra be rehefa mahita vaovao ratsy?

  • Aza avela hijery vaovao ratsy be loatra ny zanakao. Tsy midika akory izany hoe tsy tokony ho liana amin’ny zava-mitranga eran-tany ny zanakao. Tsy tsara anefa raha henony na hitany miverimberina eo foana ny vaovao ratsy anankiray.

    “Indraindray izahay mivady miresaka vaovao ratsy, sady amin’ny tsipiriany mihitsy. Tsy tsikaritray akory fa hay kay ny zanakay matahotra be rehefa maheno anay miresaka an’ilay izy.”—Maria.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony.”—Ohabolana 12:25.

  • Henoy tsara ny zanakao rehefa miresaka, ary miezaha hahatakatra an’izay mahazo azy. Raha sarotra be amin’ny zanakao ny manazava an’izay tsapany momba ny zava-nitranga iray, dia asaivo ataony sarisary ilay izy. Rehefa miresaka aminy momba an’izay zavatra mampatahotra azy ianao, dia teny mora azo ampiasaina. Raha misy tsipiriany amin’ilay vaovao tsy voatery ho fantany anefa, dia aza resahina.

    “Tsy dia naninona intsony ilay zanakay vavy rehefa avy niresaka taminy izahay, sady nihaino tsara azy. Hitanay hoe tsy tena manampy an’azy ny miteny fotsiny hoe: ‘Efa hoatr’izany mihitsy ny fiainana amin’izao, dia mila mizatra an’izany isika.’”—Sarahi.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ... ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

  • Ampio ny zanakao mba hahay hanavaka hoe manitatra ve ilay mpilaza vaovao sa tsia. Rehefa hoe nisy olona nalaina an-keriny, ohatra, amin’ny vaovao, dia ataon’ilay mpilaza vaovao izay hieritreretan’ny mpijery hoe mety hitranga amin-dry zareo koa ilay izy. Tsy voatery ho marina anefa izany. Hazavao amin’ny zanakao hoe efa misy zavatra ataonareo mba hiarovana azy ireo tsy hisy haka an-keriny. Tadidio koa fa matetika no tsy dia fahita firy ny loza na tranga iray matoa alefa amin’ny vaovao, fa tsy hoe mateti-pitranga.

    “Ampio ny zanakao mba hahay hifehy ny fihetseham-pony. Ny zavatra eritreretina matetika no mahatonga ny fihetseham-po. Raha ampianao hieritreritra zavatra tsara foana ny zanakao, dia hilamin-tsaina ry zareo fa tsy hatahotahotra.”—Lourdes.

    Toro lalan’ny Baiboly: “Ny fon’ny hendry mahatonga azy ho lalin-tsaina sy handanjalanja izay teneniny.”—Ohabolana 16:23.

a Rehefa misy zavatra mampatahotra ny ankizikely, dia mety hiverina hipipỳ am-pandriana izy, na tsy hety handeha hianatra satria tsy te hisaraka amin’ny ray aman-dreniny.

Ahoana no atao raha nahita maso an’ilay zava-nitranga mihitsy ny zanakao?

Nisy ankizilahy roa nitifitra mpianatra tao amin’ny sekoly iray tany Highlands Ranch, any Etazonia, tamin’ny 7 May 2019. Ankizy iray no maty tamin’izay, ary valo no naratra. Nianatra tao amin’io sekoly io i Jack, ary 9 taona izy. Nahita maso an’io zava-nitranga io mihitsy i Jack. Hohazavain’i Ben sy Casey, ray aman-drenin’i Jack, amintsika izao hoe ahoana no nanampian-dry zareo an’i Jack, taorian’iny loza nitranga iny.

Ben sy Casey.

Inona no vokatr’ilay zava-nitranga tamin’ny zanakareo?

Casey: Mbola natahotra be foana izy, na dia efa volana maromaro tatỳ aoriana aza.

Ben: Misy fotoana izy tena tsy maninona mihitsy fa milamin-tsaina be, nefa avy eo tonga dia mamikitra be aminay satria tadidiny tampoka ilay zava-nitranga. Lasa nieritreritra foana izy hoe hisy zavatra ratsy hitranga, ary ara-dalàna be ilay izy rehefa jerena ilay zavatra niainany.

Nijery an’ilay vaovao tamin’ny tele ve ianareo?

Casey: Ie, nijery izahay tamin’ny voalohany. Izahay telo mihitsy no niara-nijery an’ilay vaovao, sady imbetsaka tao anatin’ny herinandro teo ho eo. Tsapanay mivady avy eo hoe vao mainka tsy afaka tao an-tsain’i Jack ilay izy, arakaraka ny nijereny an’ilay vaovao. Vao mainka indray izahay telo mianaka natahotra, nefa tokony hifantoka amin’ny hoe inona no hanampy anay hanadino an’ilay izy.

Inona no tena hitanareo hoe nanampy an’i Jack?

Casey: Niezaka nanokana fotoana izahay isan’andro mba hanaovan’i Jack fanatanjahan-tena, satria izay no nanampy azy tsy dia hatahotra be intsony. Fa ny tena zava-dehibe, dia ny nihaino an’azy rehefa vonona ny hiresaka izy. Hitako hoe rehefa ilay nangingina alohan’ny hatory iny izy no nazoto niresaka an’izay tao am-pony. Indraindray naharitra adiny iray mihitsy ny resakay, nefa tsy nampaninona ilay izy raha izay no tena nilainy. Fantatr’i Jack hoe tsy voatery hiady irery izy.

Inona no mba torohevitra azonareo omena ny ray aman-dreny manana zanaka tratran’ny hoatran’ny nahazo an’i Jack koa?

Ben: Tokony ho tsapan’ny ankizy hoe tsy manana ahiahy izy ao an-trano, na dia tsy mbola misy loza mitranga aza. Ho mora aminao mantsy amin’izay ny hanampy azy, raha sanatria ka misy loza mitranga.

Casey: Tsy mitovy daholo ny ankizy. Ny sasany mety hoe mora mihetsi-po kely, fa ny hafa indray tsy hoatr’izany. Mety hisy hiteny hoe diso mifehifehy be ny zanakao ianao, nefa aza mijery an’izany fa izay hitanao hoe mahasoa ny zanakao atao. Ataovy tsapan’ny ankizy hoe tena mifankatia ianareo ao an-trano. Hahatsiaro tsy hanana ahiahy mantsy izy amin’izay, na dia mampatahotra azy aza ny fiainana any ivelany.

Famerenana: Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba tsy hatahotra be rehefa mahita vaovao ratsy?

  • Aza avela hijery vaovao ratsy be loatra ny zanakao.

  • Henoy tsara ny zanakao rehefa miresaka ary miezaha hahatakatra an’izay mahazo azy.

  • Ampio ny zanakao mba hahay hanavaka hoe manitatra ve ilay mpilaza vaovao sa tsia.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara