FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/12 p. 19-21
  • Manankarena Fiteny i Caucase

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manankarena Fiteny i Caucase
  • Mifohaza!—2012
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahatalanjona ilay fahasamihafana
  • Mandre ny Vaovao Tsara ny Olona avy Amin’ny “Fiteny Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fiteny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Fiteny — Tetezana sy Fefy eo Amin’ny Fampitan-kevitra
    Mifohaza!—2000
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mitoria Amin’ny Olona Mampiasa Fiteny Hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 12/12 p. 19-21

Manankarena Fiteny i Caucase

AOKA hatao hoe eo amin’ny faritra iray midadasika sy be tendrombohitra ianao. Gaga ianao fa samy manana ny fiteniny ireo firenena maromaro ao. Tsy mifankahazo resaka aza ny mponina ao amin’ny tanàna mifanila, any amin’ny toerana sasany! Hoatr’izany mihitsy ny any Caucase. Nisy mpahay jeografia iray nilaza fa manankarena fiteny ilay faritra.

Eo anelanelan’ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Caspienne i Caucase. Efa nisy hatry ny ela izy io ary ahitana kolontsaina maro satria toerana fivezivezen’ny olona. Malaza ho mpanaja zokiolona sy tia mandihy ary tia mandray vahiny ny olona any. Ny habetsahan’ny foko sy ny fiteny any anefa no tena mahavariana ny mpitsidika. Mbola betsaka noho ny an’ny firenena mitovy habe aminy any Eoropa izany.

Mahatalanjona ilay fahasamihafana

Hoy i Hérodote, mpahay tantara grika, tamin’ny taonjato fahadimy T.K.: “Misy firenena be dia be any Caucase.” Nanoratra koa i Strabon, tany am-piandohan’ny taonjato voalohany, fa nisy foko 70 tao amin’io faritra io. Samy nanana ny fiteniny izy ireo ary tonga nanao raharaham-barotra tao Dioscurias (Soukhoumi ankehitriny), any amin’ny Ranomasina Mainty. Nanoratra koa ilay manam-pahaizana romanina atao hoe Pline Zokiny, am-polony taona tatỳ aoriana, fa nila mpandika teny 130 ny Romanina rehefa nanao raharaham-barotra tany Dioscurias.

Misy foko 50 mahery izao any Caucase. Samy manana ny fomba amam-panaony izy ireo, ary manana ny fitafiana sy ny zavakanto ary ny taotrano mampiavaka azy. Fiteny 37, fara fahakeliny, no ampiasain’ny mponina any. Olona an-tapitrisany no mampiasa ny fiteny sasany, fa tanàna vitsivitsy monja no mampiasa ny fiteny hafa. Ao amin’ny Repoblikan’i Daghestan, firenena rosianina, no be fiteny samihafa indrindra, ary misy foko 30 eo ho eo. Mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao ny fiavian’ireny fiteny ireny sy ny fifandraisany.

Vavolombelon’i Jehovah mampianatra Baiboly any Caucase

Tianao ho fantatra ve hoe hoatran’ny ahoana izany fiteny any Caucase izany? Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 400 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah, ao amin’ny tranonkala www.pr2711.com/mg, ary ampiasaina any Caucase ny sasany amin’ireo fiteny ireo.

FEO SY ABIDY SAMIHAFA

Isan-karazany ny fomba fanoratra an’ireo fiteny any Caucase. Samy manana ny abidy ampiasainy, ohatra, i Armenia sy Géorgie. Ny hafa indray mampiasa soratra sirilika na abidy latinina novana.

Ny fiteny ampiasaina any Caucase avaratrandrefana no be renisoratra indrindra eto an-tany, fa tena vitsy zanatsoratra. Milaza ny rakipahalalana iray fa amoronan’izy ireo renisoratra ny “faritra rehetra amin’ny molotra sy tenda.” Misy 80, fara fahakeliny, ny renisoratra amin’ny teny ubykh, ary 2 monja ny zanatsoratra. Maty tamin’ny 1992 ny olona farany nampiasa an’io fiteny io.

Nisy angano nilaza fa naniraka manam-pahaizana tany Caucase ny mpanjaka tiorka mba hianatra teny ubykh. Ahoana no nanazavany tamin’ny mpanjaka ny antony tsy nahaizany an’ilay fiteny? Nankeo anatrehan’ny mpanjaka izy ary naka kitapokely feno vatokely. Nararany teo amin’ny gorodona vita amin’ny marbra izany, sady hoy izy: “Renao ve izany feo izany? Tsy ho hain’ny vahiny mihitsy ny teny ubykh, hoatran’ny tsy ahazoanao ny dikan’izany feom-batokely izany.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara