FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/13 p. 16
  • Ny Mason’ny Hala

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Mason’ny Hala
  • Mifohaza!—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Hala, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Misy Ravinkazo eo Amin’ilay Tranon-kala!
    Mifohaza!—2003
  • Ny Ditin’ny Hala
    Mifohaza!—2014
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 3/13 p. 16

NISY NAMORONA VE?

Ny Mason’ny Hala

MIAVAKA ny mason’ny karazana hala iray. Ireo no manampy azy hahita hoe hatraiza izy no tokony hitsambikina. Ahoana no ataony?

Diniho izao: Misy sosona maromaro ny temimaso ao amin’ny masony roa lehibe. Ireo no ampiasainy hikajiana ny elanelan’ny misy azy sy ny zavatra iray. Mandray hazavana maitsomaitso ny sosona iray, fa ny hafa kosa mahita sary manjavozavo. Akaiky kokoa an’ilay hala ny zavatra iray, rehefa manjavozavo ny fahitany azy. Izany no ahafahan’ilay hala mahafantatra hoe hatraiza izy no tokony hitsambikina mba hisamborana ny hazany.

Te haka tahaka ny ataon’io hala io ny mpikaroka mba hanamboarana kamerà tena arifomba sy robot mahay mikajy ny elanelany amin’ny zavatra iray. Mahavariana tokoa hoe “mahavita zavatra sarotra mifanaraka amin’ny zavatra hitany ny bibikely iray, nefa tsy mirefy afa-tsy antsasaka santimetatra ary kely noho ny an’ny lalitra ny atidohany”, hoy ny vaovao iray momba ny siansa tao amin’ny Internet.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny hala mampiasa ny masony, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara