FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/13 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-misy Eran-tany
  • Tendrontany Atsimo
  • Irlandy
  • Afrika Atsimon’i Sahara sy Azia Atsimoatsinanana
  • Salvadaoro
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2014
  • El
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manao ahoana ny fahalalanao ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny Tanora sy ny Zava-mahadomelina
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 6/13 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Zava-misy Eran-tany

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “atahorana ho voan’ny kanseran’ny havokavoka” ny olona tratran’ny setroka avoakan’ny fiara mandeha gazoalina, ary mety ho voan’ny kanseran’ny tatavia.

Tendrontany Atsimo

Hita fa nisy palmie tany fahiny, sady nisy hazo fahita any amin’ny tany mafana, rehefa nodinihina ireo vovobony sy sela bitika niangona tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Maro no mino fa nitovitovy tamin’ny hafanana tany amin’ny ekoatera ihany ny hafanana tany amin’ny tendrontany, fahiny ela be. Tsy nangatsiaka be ny ririnina sady “tsy dia nisy ranomandry.”

Irlandy

Nisy tatitra navoakan’ny Fikambanan’ny Pretra Katolika any Irlandy, tamin’ny 2012. Ny 87 isan-jaton’ny Katolika nanontaniana no nilaza fa tokony havela hanambady ny pretra. Ny 77 isan-jatony kosa nilaza fa tokony havela hanao pretra ny vehivavy.

Afrika Atsimon’i Sahara sy Azia Atsimoatsinanana

Nodinihina tsara ny fanafody tazo tany amin’ny faritra sasany. Matetika izy ireny no fanafody ratsy karazana na tsy tena izy, ka tsy mahasitrana akory. Hita fa hosoka ny 36 isan-jaton’ireo fanafody nodinihina tany Azia Atsimoatsinanana sy ny 20 isan-jaton’ireo fanafody nodinihina tany Afrika atsimon’i Sahara.

Salvadaoro

Nanambara ny fitondrana tamin’ny tapatapaky ny Aprily 2012 fa tamin’izay vao nisy andro tsy nahitana vonoan’olona tany, tao anatin’ny telo taona. Tany no be vonoan’olona indrindra eran-tany, tamin’ny 2011, satria olona 69 isaky ny iray hetsy no nisy namono. Tia zava-mahadomelina ny olona any ka mahery setra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara