Manao ahoana ny fahalalanao ny Baiboly?
‘Ny bokin’i Tomasy hoe? Tena ao amin’ny Baiboly izany. Fa ny bokin’i Jona kosa tsy ao. Ny toerana nahaterahan’i Kristy hoe? I Jerosalema ka! — sa Nazareta moa? Tsy dia tena azoko antoka loatra raha toa ny bokin’i Isaia ka ao amin’ny tapany voalohany na ny tapany faharoa amin’ny Baiboly. Ny isan’ireo apostoly hoe? Tena tsy fantatro.’
“METY ho tsy nahagaga ireo vokatry ny famotopotorana ireo raha toa ka nalaina teo anivon’ny tsy kristiana fotsiny ireo filazana nangonina”, hoy ny gazety Christianity Today. “Ny mahagaga — ary mampanahy — dia ny habetsahan’ny tsy fahalalana ny Soratra masina hita teo anivon’ireo kristiana nateraka indray.”
Ohatra, nihevitra ny 22% amin’ny kristiana anarana nanontaniana fa tena misy bokin’i Tomasy tokoa ao amin’ny Baiboly, raha tsy nahazo antoka ny amin’izany ny 13%. Raha ny amin’ny bokin’i Jona, dia nilaza ny 27% fa tsy ao amin’ny Baiboly izy io, ary tsy nahalala ny 12%. Tsy afaka na dia ny naminavina ny toerana nahaterahan’i Kristy aza ny 6%, raha nanonona an’i Jerosalema ny 16%, ary nilaza an’i Nazareta ny 8%. Tsy nahalala hoe aiza no mety hahitana ny bokin’i Isaia ny 13% feno, raha nametraka azy tao amin’ny Soratra grika kristiana (“Testamenta Vaovao”) ny 11%. Ary raha nahafantatra ny ankamaroany fa nisy apostoly 12, ny 12% dia nanome isa hafa, teo amin’ny 2 ka hatramin’ny 20 mahery, ary ny 10% dia tsy nahalala mihitsy.
Ny fanontaniana nanome fahasahiranana indrindra dia ny hoe ao amin’ny Baiboly ve sa tsia ny fitenenana hoe “Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany”. Nahafantatra ny 38% monja tamin’ny “Kristiana” nanontaniana fa tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly izy io, raha nihevitra ny maro kokoa, 42%, fa teny nalaina tao amin’ny Baiboly izy io. Ny sisa dia tsy nahafantatra.
“Nahoana no betsaka aoka izany ny tsy fahalalana ny Baiboly?” hoy ny fanontanian’ny Christianity Today. “Azo inoana fa izany dia avy amin’ny tsy fahampian’ny isan’ny mpamaky ny Baiboly. Tsy mamaky ny Baiboly ny antsasaky ny Amerikana rehetra. Ny ankamaroan’ny kristiana nateraka indray rehetra dia mamaky ny Baiboly indray mandeha na indroa isan-kerinandro, na tsy mamaky mihitsy. Tsy mahagaga raha maro aoka izany ny kristiana tsy mahafanta-javatra firy momba ny Soratra masina!”