FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/13 p. 14-15
  • Nandrahonana Olona ny Anaran’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nandrahonana Olona ny Anaran’Andriamanitra
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Noterena hiova ho Katolika
  • “Tena tsy rariny, manala baraka an’Andriamanitra, mahatsiravina”
  • Didy Nampizara Roa An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—2015
  • Ady ho An’ny Fahaveloman’ny Baiboly Espaniola
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny Tantaran’ny Baiboly Tany Espaina Fahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina Amin’ny Teny Espaniola
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 6/13 p. 14-15
[Sary, pejy 14]

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA | ILAY ZAVATRA TAKINA

Nandrahonana Olona ny Anaran’Andriamanitra

‘Raha tsy manao an’izao ianareo, dia homen’Andriamanitra fahefana hiditra ao an-tanànanareo aho, ary hiady aminareo araka izay fara heriko, sy hanery anareo hanaiky ny fahefan’ny Eglizy sy ny papa ary ny mpanjakan’i Espaina. Dia hataoko andevo ny vady aman-janakareo, ary halaiko ny fanananareo ka hampihariko aminareo izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Raha maty ianareo na iharan-doza dia ianareo ihany no diso, fa tsy ny papa na ny mpanjakan’i Espaina na izahay.’

IRAY amin’ny didim-panjakana hafahafa indrindra angamba io. Nalaina tao amin’ilay fanambarana antsoina hoe Zavatra Takina ireo teny ireo. Tsy maintsy namaky mafy azy io ny mpanjana-tany espaniola tamin’ny taonjato faha-16, rehefa tonga tany amin’ireo tanin’i Amerika mba hanjana-tany.

Fa inona no tena tian’ireo mpanjanaka holazaina tamin’ireo tompon-tany, ary inona no tanjon’izy ireo?

Noterena hiova ho Katolika

Samy nilaza ho nanan-jo hitondra an’ireo tanin’i Amerika ny Espaniola sy ny Portogey, taoriana kelin’ny nahatongavan’i Christophe Colomb tany, tamin’ny 1492. Samy nihevitra ireo firenena ireo fa solontenan’i Kristy ny papa, ka izy no nasainy nandamina an’ilay olana. Nasain’ny papa nozarain’ny Eglizy tamin’ireo firenena roa ireo ny tanin’i Amerika, raha neken’izy ireo ny handefa misionera hampiova finoana an’ireo teratany.

Nanampatra ny fahefany ireo mpanjana-tany espaniola, ary tian’izy ireo ho ara-dalàna izany rehefa nihanitombo ny tany azony. Nihevitra izy ireo fa afaka nanao izay tiany tamin’ireo teratany sy ny fananany sady afaka nanandevo azy ireo. Solontenan’Andriamanitra mantsy, hono, ny papa, izay nanome azy ireo an’ilay tany.

Nanoratra taratasy ho an’ny tompon-tany ny Espaniola mba hampahafantarana azy ireo ny fanapahan-kevitry ny papa. Nasaina niova ho Kristianina sy nanaiky ny fahefan’ny mpanjakan’i Espaina ireo teratany. Raha nanda izy ireo, dia voatery hiady aminy, amin’ny anaran’Andriamanitra, ny Espaniola. Ady ara-drariny, hono, izany.

“Nisy nihevitra fa azo alan-tsiny ny herisetra raha atao noho ny antony ara-drariny. Voatery namorona antony ara-drariny àry i Espaina.”—Francis Sullivan, Zezoita mpampianatra teolojia.

“Tena tsy rariny, manala baraka an’Andriamanitra, mahatsiravina”

Te hampandry saina ny Fanjakana Espaniola sady te hampiseho hoe mety ny nataony, ka nasainy novakina ilay fanambarana. Matetika ireo mpanjanaka no namaky azy io teny ambony sambo, talohan’ny hanafihany, na rehefa tonga teny an-tanety. Tsy nahay ny fitenin’izy ireo akory anefa ny mponina. Tanàna aolo indraindray no namakiana an’ilay fanambarana. Efa nandositra mantsy ireo teratany satria natahotra.

Ra mandriaka no vokatr’ilay fanerena olona hiova finoana. Olona 2 000 teo ho eo avy tamin’ny foko araucan, ohatra, no ripaka tamin’ilay ady tany Silia tamin’ny 1550. Niresaka tamin’ny mpanjaka momba an’ireo tsy maty tamin’izany i Pedro de Valdivia, mpanjana-tany. Hoy izy: “Nisy olona 200 niseho ho mafy loha ka notapahina ny tanany sy ny orony. Efa imbetsaka mantsy aho no nandefa iraka tany aminy mba hampita an’ilay didy [Zavatra Takina], araka ny nasain’ny mpanjakan’ny Espaina sy ny papa natao.”a

Nety ho nampandry ny eritreritr’ireo mpanjana-tany ny namaky an’ilay fanambarana. Tsy tena nampiroborobo ny fivavahan’ny Espaniola anefa izy io. Nahita ny vokatr’ilay fanambarana i Bartolomé de las Casas, misionera katolika tamin’ny taonjato faha-16. Hoy izy: “Tena tsy rariny, manala baraka an’Andriamanitra, mahatsiravina, feno hadalana, ary hafahafa ilay didy. Manginy fotsiny ny fahafaham-baraka naterak’izy io teo amin’ny Fivavahana Kristianina.” Nitaraina i Gonzalo Fernández de Oviedo, mpanoratra, fa noho ny habibiana natao tamin’ny mponina tany amin’ireo tanin’i Amerika, dia zavatra ratsy no tonga tao an-tsain’izy ireo raha vao nandre hoe Kristianina.

Ny anaran’Andriamanitra no nampiasain’ireo mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana mba hanaovan-javatra feno habibiana. Andriamanitra àry ve no diso? Hoy ny Baiboly: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!”—Joba 34:10.

a Nofoanana tamin’ny 1573 ilay Zavatra Takina, araka ny voalazan’ny boky sasany.

TAONA NANAN-TANTARA

  • 1492▸ Tonga tany amin’ireo tanin’i Amerika i Christophe Colomb

  • 1493 tany ho any▸ Nomen’ny Papa Aleksandra Faha-6 fahefana hanjanaka an’ireo tanin’i Amerika ny Espaniola sy ny Portogey

  • 1513▸ Nanan-kery ilay Zavatra Takina

  • 1550▸ Olona 2 000 teo ho eo avy amin’ny foko araucan no ripaka tany Silia

  • 1573▸ Nofoanan’ny Fanjakana Espaniola ilay Zavatra Takina

MOMBAMOMBA AZY

  • Ilay Zavatra Takina dia fandrahonana nataon’ireo mpanjana-tany espaniola, rehefa tonga tany amin’ireo tanin’i Amerika izy ireo, tamin’ny taonjato faha-16.

  • Noterena hanaiky ny fahefan’ny Eglizy Katolika ny teratany.

  • Novakina mafy tamin’ny teny espaniola na teny latinina ilay fandrahonana. Tsy hain’ireo tompon-tany akory anefa ireo fiteny ireo.

  • Io no iray tamin’ireo fanambarana nampikorontan-tsaina indrindra teo amin’ny tantaran’ireo tanin’i Amerika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara