FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 3/15 p. 10-11
  • Didy Nampizara Roa An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Didy Nampizara Roa An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY PAPA SY NY MPANJAKA NO NIZARA NY TANY
  • NAMBOARINA ILAY FIZARANA
  • Nandrahonana Olona ny Anaran’Andriamanitra
    Mifohaza!—2013
  • Aleksandra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Avy teo Amin’ny Fahantrana Faraidiny Nankeo Amin’ny Harena Lehibe Indrindra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fizarana 5: Grisia: Herim-panjakana Fahadimy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 3/15 p. 10-11

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Didy Nampizara Roa An’izao Tontolo Izao

Papa Aleksandra Faha-6

Niverina i Christophe Colomb tamin’ny taona 1493, rehefa avy nahita voalohany an’ireo tanin’i Amerika. Samy te hanjanaka sy hanao raharaham-barotra tany amin’ireo tany ireo ny mpanjakan’i Espaina sy Portogaly. Tsy nitovy hevitra anefa izy ireo hoe ahoana no hizarana azy. Nangatahin’i Espaina àry ny Papa Aleksandra Faha-6, mba hizara an’ilay faritra.

NY PAPA SY NY MPANJAKA NO NIZARA NY TANY

Efa nifanaraka i Espaina sy Portogaly ary ireo papa, hoe ahoana no hizarana an’ireo tany vao hita. Tamin’ny 1455, ohatra, dia namoaka didy ny Papa Nicolas Faha-5 hoe ananan’ny Portogey fahefana feno ireo tany sy nosy rehetra any amin’ny morontsiraka andrefan’i Afrika, ka azony alaina daholo izay hitany any. Tamin’ny 1479 indray, dia lasan’i Ferdinand sy Isabelle mpanjakan’i Espaina ny Nosy Canaries. Nomen’i Afonso Faha-5 mpanjakan’i Portogaly sy ny Printsy Jean zanany ho azy ireo mantsy izany, araka ilay Fifanarahana tao Alcáçovas. Ho takalon’izany kosa, dia navelan’i Espaina tanteraka ho an’i Portogaly ny nosy Açores sy Cap-Vert ary Madère. Toy izany koa ny raharaham-barotra tany Afrika. Nanamafy an’io fifanarahana io ny Papa Sixte Faha-4, roa taona tatỳ aoriana, ka nilaza fa ho an’i Portogaly avokoa izay tany vaovao hita any atsimo sy any atsinanan’ny Nosy Canaries.

Rehefa nahita an’ireo tanin’i Amerika anefa i Christophe Colomb, dia nilaza ny Printsy Jean, izay lasa Mpanjaka Jean II, hoe an’i Portogaly ilay izy. Tsy nanaiky an’izany mihitsy ny mpitondra tany Espaina. Nangatahin’izy ireo àry i Aleksandra Faha-6, izay papa vaovao tamin’izany, mba hanome azy ireo ny zo hanjanaka an’ireo tany vao hita sy hampiova ny olona any ho lasa Kristianina.

Ny didy navoakan’ny Papa Aleksandra Faha-6 no nampizara roa an’izao tontolo izao

Namoaka didy anankitelo i Aleksandra ho valin’izany. Voalohany, nilaza izy hoe: ‘Amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha’, dia omena fahefana feno amin’ireo tany vaovao i Espaina, sady tsy azo ovana izany. Faharoa, nofaritany hoe ny ilany andrefana manontolo, manomboka eo amin’ny 560 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Cap-Vert, dia lasan’i Espaina daholo. Eo ambany fahefan’izy ireo àry izay tany vaovao amin’iny faritra iny. Io didy navoakan’ny papa io no nampizara roa an’izao tontolo izao! Fahatelo, mbola nitariny niantsinanana hatrany Inde koa ny faritra homena an’i Espaina. Mazava ho azy fa tezitra be ny Mpanjaka Jean. Vao tsy ela talohan’izay mantsy ny Portogey no nihodina an’i Afrika mba haka an’ireo tany manodidina ny Oseana Indianina.

NAMBOARINA ILAY FIZARANA

Tsy te hifampiraharaha tamin’i Aleksandraa intsony i Jean, ka lasa nifandamina tamin’i Ferdinand sy Isabelle. Hoy i William Bernstein, mpanoratra: “Natahotra an’ireo Portogey ny Espaniola, ka nanaiky hifandamina. Efa betsaka rahateo ny faritra vao azon’i Espaina tany amin’ireo tanin’i Amerika.” Nanao fifanarahana àry ny roa tonta tamin’ny 1494 tao an-tanànan’i Tordesillas, any Espaina, ary nantsoina hoe Fifanarahana tao Tordesillas ilay izy.

Araka an’io fifanarahana io, dia nohajaina ihany ilay didy nataon’i Aleksandra, saingy nasiana fanovana. Raha ny tokony ho izy, dia i Afrika manontolo sy Azia no anjaran’i Portogaly, ary ireo tanin’i Amerika kosa no an’i Espaina. Nakisaka tany amin’ny 1 480 kilaometatra andrefan’i Cap-Vert anefa ny faritra ho an’ny Espaniola. Niampy àry ny faritra azon’ny Portogey, ka lasan’izy ireo ny ampahany lehibe tamin’ilay tany nantsoina hoe Brezila tatỳ aoriana.

Be dia be ny ra nandriaka vokatr’ireo didy navoakan’ny papa, izay nanome fahefana an’i Espaina sy Portogaly mba hanjana-tany. Tsy vitan’ny hoe voahitsakitsaka ny zon’ny olona tany amin’ireny faritra ireny, fa nampijalina koa izy ireo ary nalaina ny fananany. Ankoatra izany, dia naharitra taonjato maro ny adin’ireo firenena, satria samy te hanjanaka an’ireo tany vaovao sy hifehy ny ranomasina.

a Miresaka ny tantaran’io papa nalaza ratsy io ilay lahatsoratra hoe “Tsy Hadinon’i Roma Mihitsy ny Papa Alexandre VI”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2003, pejy 26-29.

ZAVA-NISY ARA-TANTARA

  • Nanome toromarika ho an’i Espaina sy Portogaly ireo papa nifandimby, hoe asaina miova ho Kristianina ny mpanompo sampy any amin’izay tany vaovao hitan’izy ireo.

  • Namoaka didy ny Papa Aleksandra Faha-6 tamin’ny 1493, hoe izay tany rehetra any andrefan’ny Oseana Atlantika dia eo ambany fahefan’i Espaina.

  • Nohararaotin’i Espaina iny didy navoakan’i Aleksandra iny, sy ireo didy hafa nataon’ny papa, mba hakana an’ireo tany vaovao.

  • Firenena eoropeanina maro no lasa niady nandritra ny an-jatony taona, satria nisy tsy nanaiky an’ireo didy navoakan’ny papa, fa nisy kosa te hampihatra an’ilay izy.

‘Miseho Azy ho Ambony ny Tandrefana’

Sarintanin’izao tontolo izao nozaraina roa

Hoy ilay mpanoratra atao hoe Barnaby Rogerson: ‘Hoatran’ny sarotra inoana ilay izy amin’ny androntsika, hoe papa romanina no nizara an’izao tontolo izao ho eo ambany fahefan’ny fanjakana kely roa tany Eoropa. Tena hita mihitsy hoe miseho azy ho ambony noho ny firenena rehetra ny Tandrefana. Vao nivoaka iny didy avy amin’ny papa iny, dia nanomboka amin’izay ny habibiana nahatsiravina tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara