FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/13 p. 16
  • Te ‘Hanao Fety Foana’ ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Te ‘Hanao Fety Foana’ ve Ianao?
  • Mifohaza!—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Matio 6:34: “Aza Manahy ny Amin’ny Ampitso”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Tsinjovy ny Hoavy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • 4 | Arovy ny Fanantenanao
    Mifohaza!—2022
  • Manampy Anao Hahita Fifaliana ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 11/13 p. 16
[Sary, pejy 16]

Te ‘Hanao Fety Foana’ ve Ianao?

“Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.”—Ohabolana 15:15.

INONA no dikan’izany? Ny olona mifantoka loatra amin’ny lafy ratsin’ny fiainana no lazaina hoe “ory” eo. Lasa “manjombona foana” àry ny androny, izany hoe kivy foana izy. Ilay hoe “manana fo falifaly” kosa dia olona mifantoka amin’ny lafy tsaran’ny fiainana, ka toy ny “manao fety foana” izy satria finaritra lalandava.

Marina fa manana olana daholo isika, ka tsy voatery ho falifaly be foana. Na izany aza, dia ireto misy torohevitra hanampy antsika ho faly na dia misy zava-manahirana aza:

  • Atreho aloha ny androany, fa aza miady saina be amin’izay olana mety hitranga amin’ny hoavy. Hoy mantsy i Jesosy Kristy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”—Matio 6:34.

  • Rehefa kivikivy ianao dia soraty amin’ny taratasy izay zavatra nahafaly anao, ka ireny ifantohana. Ankoatra izany, dia aza eritreretina be izay tsy nety nataonao taloha. Ataovy anatra ho amin’ny sisa fotsiny ireny ka tohizo ny fiainanao. Manaova hoatran’ny olona mitondra fiara: Manopy maso kely fotsiny an’ilay fitaratra ahitana ny any aoriana izy, fa tsy hoe mifantoka be any. Tadidio koa fa ‘tena mamela heloka Andriamanitra.’—Salamo 130:4.

  • Raha misy olana mampiady saina anao, dia aza misalasala miresaka amin’izay olona mahay mampahery anao. Milaza mantsy ny Ohabolana 12:25 fa raha mitebiteby isika ka kivy, dia ‘ny teny soa no mahafaly ny fontsika.’ Mety ho avy amin’ny mpianakavy izany “teny soa” izany, na koa avy amin’ny namana azo itokisana, izay tsy mpanakiana lava fa “tia amin’ny fotoana rehetra.”—Ohabolana 17:17.

Tena nanampy olona maro ho faly ny torohevitry ny Baiboly, na dia niatrika olana aza izy ireo. Enga anie ka hanampy anao koa ireo torohevitra ireo!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara