FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/14 p. 4-5
  • Manaiky Hahitsy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaiky Hahitsy ve Ianao?
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • Ahoana no fiheveranao ny lalàm-pifehezana?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah ny Famaizany
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Tsy Mora Kivy
    Mifohaza!—2019
  • 6 Mahaiza Mananatra
    Mifohaza!—2018
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 4/14 p. 4-5

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Manaiky Hahitsy ve Ianao?

OLANA

“Matoa misy olona manitsy anao, dia midika izay fa nisy zavatra tsy nety nataonao. Iza anefa moa no ho faly rehefa tenenina hoe nanao zavatra tsy nety?”—Tsiky, 17 taona.a

[Sary, pejy 4]

Hahita loza ny mpitondra fiaramanidina, raha tsy manaiky ny tenin’ireo mpanome toromarika. Hoatr’izany koa no hanjo an’izay tsy manaiky hahitsy.

Sarotra aminao ve ny manaiky rehefa manitsy anao ny ray aman-dreninao, na ny mpampianatra, na ny olon-dehibe hafa? Misy hevitra hanampy anao ato.

TSARA HO FANTATRA

Mila ahitsy daholo ny olona rehetra.

‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’—Jakoba 3:2.

“Tsy mahamenatra mihitsy ny hoe misy manitsy, raha ohatra ianao nanao diso.”—Nomena.

Tsy hoe tsy misy dikany akory ianao raha ahitsy.

“Izay tian’i Jehovahb no anariny, tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.”—Ohabolana 3:12.

“Rehefa misy olona manitsy ahy, dia eritreretiko hoe mafy taminy izao ny niteny an’iny. Tena tia an’ahy izy matoa nanoro hevitra ahy.”—Sariaka.

Ho lasa tsara toetra kokoa ianao raha manaiky hahitsy.

“Mihainoa anatra, ka hendre.”—Ohabolana 8:33.

“Mila ahitsy ianao raha te ho matotra. Mba hitanao amin’izay hoe hoatran’iza ny fiheveran’ny olona anao, dia azonao ovana izay toetra ratsinao. Mety tsy ho tsapanao tsinona ilay izy raha tsy nisy niteny.”—Lovatiana.

INONA NO AZONAO ATAO?

Diniho amin’ny saina tsy miangatra ilay izy. Mety ho sorena ianao rehefa nanao diso ka misy manitsy. Aza mora entim-po anefa. Andramo izao: Eritrereto hoe olon-kafa no nanao an’iny fahadisoana iny, angamba ny zandrinao, dia ianao indray no manitsy azy. Tsy hitanao ve hoe misy mahatsara azy ihany ilay fanitsiana? Izay àry tadidina, dia ho mora aminao ny hanaiky an’ilay izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 7:9.

“Indraindray ianao tezitra rehefa misy manitsy. Hadinonao mantsy fa te hanampy anao hihatsara toetra ilay olona, fa tsy hoe te hankarary ny fonao.”—Seheno.

Miezaha hanetry tena. Raha be hambom-po ianao dia lasa tsy manaiky hahitsy. Aza mora kivy koa anefa, na dia mbola misy toetra tokony hiezahanao aza. Hahay handanjalanja ianao raha manetry tena. Tadidio fa raha ahitsy ianao ka tena mafy aminao ilay izy, dia mety hidika izay hoe tena ilainao iny fanitsiana iny. Matiantoka àry ianao raha tsy nandray an’ilay izy, satria tahaka izay mba nihatsara ny toetranao.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 16:18.

Raha ahitsy ianao ka tena mafy aminao ilay izy, dia mety hidika izay hoe tena ilainao iny fanitsiana iny

“Tokony hanaiky torohevitra ianao raha te ho matotra. Mila miezaka àry ianao mba hahatanty hahitsy, ka manova izay tsy mety. Fa raha tsy izay, dia ianao ihany no ho voa.”—Lanja.

Isaory ilay olona. Na tsy mora aza ilay hoe ahitsy, maninona raha mba isaorana ihany ilay olona? Azo inoana mantsy fa te hanampy anao izy, ka nitady izay hahasoa anao.—Toro lalan’ny Baiboly: Salamo 141:5.

“Tsy mahafaty antoka mihitsy ny misaotra an’ilay olona, indrindra rehefa nilainao ilay torohevitra. Na dia tsy nilainao aza anefa ilay izy, dia ankasitraho ihany izy satria mba niezaka nanampy anao.”—Hasina.

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • “Aoka ianao tsy ho mora tezitra.”—Mpitoriteny 7:9.

  • “Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana.”—Ohabolana 16:18.

  • “Raha mamely [na mananatra] ahy ny olo-marina, dia raisiko ho hatsaram-panahy feno fitiavana izany.”—Salamo 141:5.

“Mahasosotra ilay izy indraindray, kanefa eritreretiko hoe tena te hanampy ahy ho tsara ilay olona matoa miteny. Ataoko hoatran’ny namana mitady izay mahasoa ahy izy.”—JUSTIN

“Fantatro fa tsy maintsy hanao diso aho, ka tiako rehefa mba misy olona manitsy ahy. Amin’izay mba haiko izay tokony hiezahako.”—CHARLETTE

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara