FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/14 p. 7
  • 1 Satria Mbola Miova ny Fiainana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1 Satria Mbola Miova ny Fiainana
  • Mifohaza!—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Maninona moa Aho Raha Maty E?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • 4 | Arovy ny Fanantenanao
    Mifohaza!—2022
  • Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ahoana no Hiatrehana Fiovana?
    Mifohaza!—2016
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 4/14 p. 7

MATOAN-DAHATSORATRA | AZA MAMOY FO!

1 Satria Mbola Miova ny Fiainana

“Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.”—2 KORINTIANINA 4:8.

Na tena hoe lehibe aza ny olana mahazo anao, dia tafahoatra loatra ny mamono tena. Azo oharina amin’ny olona marary andoha izany, ka ny tendany mihitsy no tapahiny mba tsy hiverina intsony ilay aretina. Tadidio fa na ny olana heverinao fa tsy ho voavaha mihitsy aza, tsy voatery hitohy foana. Mety hiova tsy araka ny nieritreretanao azy ilay izy.—Jereo ilay efajoro hoe “Niova ny Fiainan’izy Ireo.”

Ahoana anefa raha mbola tsy miova ny fiainana? Ny androany aloha eritreretina. Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”—Matio 6:34.

Ary ahoana raha tsy azo ovana mihitsy ny zavatra iainanao, ohatra hoe manana aretina mitaiza ianao, na nisara-bady, na maty ny olona tena tianao?

Na izany aza, dia ny toe-tsainao mbola azonao ovana. Miezaha aloha hanaiky hoe efa izay ny zava-misy, ary amboary ny sainao mba hifantoka amin’ny zavatra tsara. (Ohabolana 15:15) Raha manao an’izay ianao dia ho vonona hitady fomba hiatrehana an’ilay izy, fa tsy tonga dia hieritreritra hoe ny fahafatesana no vahaolana. Tsy hahatsiaro loatra ianao amin’izay hoe tsy afa-manoatra.—Joba 2:10.

TADIDIO IZAO: Iakarana tsikelikely ny tendrombohitra fa tsy vita indray mandingana. Azonao vahana tsikelikely koa ny olana mahazo anao, na dia toa ngezabe hoatran’ny tendrombohitra aza.

IZAO ATAO ANDROANY: Miresaha amin’ny namanao akaiky na ny mpianakavinao, ka lazao izay manjo anao. Mety ho afaka hanampy anao mantsy izy mba hahita fa mbola misy azo atao.—Ohabolana 11:14.

NIOVA NY FIAINAN’IZY IREO

Ireto misy olona efatra nanam-pinoana, tantarain’ny Baiboly. Nisy fotoana izy ireo kivy be, ka tsy te ho velona intsony.

  • Rebeka: “Raha izao no izy, nahoana re aho no mbola velona ihany e?”—Genesisy 25:22.

  • Mosesy: ‘Vonoy mihitsy aho, ka aza avela hahita fahoriana.’—Nomery 11:15.

  • Elia: ‘Esory ny aiko, fa tsy tsara noho ny razako aho.’—1 Mpanjaka 19:4.

  • Joba: “Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e?”—Joba 3:11.

Vakio ao amin’ny Baiboly ny tantaran’ireo olona ireo, dia ho hitanao hoe nihatsara ny fiainany fa tsy araka ny nanampoizany azy. Mety mbola hiova koa ny fiainanao. (Mpitoriteny 11:6) Mitrakà fa aza kivy!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara