FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/14 p. 4
  • Raha Misy Loza Tampoka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raha Misy Loza Tampoka
  • Mifohaza!—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Teny Fampidirana
    Mifohaza!—2020
  • Ahoana no Hiatrehako Olana Lehibe?
    Manontany ny Tanora
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fomba Iatrehana Fahoriana Mafy
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 7/14 p. 4

MATOAN-DAHATSORATRA | HATANJAHO NY SAINA RAHA MISY LOZA TAMPOKA

Raha Misy Loza Tampoka

METY hitranga tampoka ny loza, ary mety ho tratran’izany ny olona rehetra, na ho ela na ho haingana. Tsy misy afa-miala amin’izany, na dia ireo manan-katao sy toa manana fiainana milamina aza.

IZAO NO LAZAIN’NY BAIBOLY:

“Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny mahery no mandresy, ary tsy ny hendry no manan-kanina, ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena, ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”—Mpitoriteny 9:11.

Aza variana mieritreritra anefa hoe: ‘Dia hisy loza hanjo ahy tokoa ve?’ Aleo kosa mandinika hoe: ‘Ahoana no hataoko rehefa mitranga izany?’ Saintsaino, ohatra, ireto:

  • Ahoana raha misy loza voajanahary ka fongana tampoka ny fanananao rehetra?

  • Ahoana raha marary tampoka ianao, sady mety hahafaty ilay aretina?

  • Ahoana raha misy maty tampoka amin’ny fianakavianao?

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah, mpamoaka an’ity gazety ity, fa afaka manampy anao ny Baiboly mba tsy ho kivy rehefa misy loza, fa hatoky kosa hoe mbola misy azo antenaina. (Romanina 15:4) Diniho ireto zava-nitranga telo ireto.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara