Teny Fampidirana
Tsy maintsy miatrika olana lehibe daholo ny olona rehetra eo amin’ny fiainana. Mety harary, ohatra, isika, ho tratran’ny loza, na hiharan’ny herisetra.
Betsaka àry no manontany hoe maninona isika no mijaly.
Misy milaza fa ny lahatra no mahatonga antsika hijaly. Ny hafa indray mieritreritra hoe efa izay, hono, ny fiainana, dia tsy misy na inona na inona azo atao.
Ny sasany indray mino hoe mijaly ny olona iray satria nanao zavatra ratsy izy tamin’ny fiainany teo aloha.
Vao mainka betsaka ny fanontaniana tsy voavaly rehefa misy loza.