FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/14 p. 12-13
  • William Whiston

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • William Whiston
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY ZAVATRA NINOAN’I WILLIAM WHISTON
  • OLO-MALAZA LASA HALAN’NY OLONA
  • William Whiston — Mpanohitra ny Foto-pinoana sa Manam-pahaizana Manokana Nilaza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Tadidinao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2014
  • I Josèphe Tokoa ve no Nanoratra Azy Io?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 8/14 p. 12-13
William Whiston

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

William Whiston

Manam-pahaizana momba ny siansa sy matematika i William Whiston, sady mpitoriteny. Nanoratra boky be dia be koa izy, ary niara-niasa tamin’Atoa Isaac Newton, Anglisy mpahay fizika sy matematika. Marihina fa omena toerana ambony na andraikitra manokana izay mpahay siansa miavaka indrindra ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge, any Angletera. Antsoina hoe Profesora Lucasien izay manam-pahaizana mahazo an’io andraikitra io. I Newton no nomena an’io toerana io, ary nandimby azy i William Whiston tamin’ny 1702.

FANTATRY ny mpianatra ny Baiboly tsara i William Whiston, satria nadikany tamin’ny teny anglisy ny boky nosoratan’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Asa Soratr’i Josèphe no lohatenin’ilay boky, izay manazava ny tantaran’ny Jiosy sy ny fiainan’ny Kristianina voalohany.

NY ZAVATRA NINOAN’I WILLIAM WHISTON

Nanam-pahaizana be i William, ary nandalina momba ny siansa sy ny fivavahana. Tena nino izy fa marina ny famoronana tantarain’ny Baiboly. Niaiky koa izy hoe misy ny Mpamorona, matoa kanto sy mirindra ny natiora, ary ahitana endri-javatra isan-karazany.

Nilaza i Whiston fa niala tamin’ny fampianaran’ny Baiboly ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, matoa nizarazara ho antokom-pivavahana maro be. Naleon’izy ireo nanaraka lovantsofina sy fampianarana avy amin’ireo antsoina hoe Rain’ny Eglizy.

Ny Baiboly ihany no neken’i Whiston fa marina, ka nilaza izy fa tsy mitombina ny fampianarana momba ny afobe. Manendrikendrika an’Andriamanitra ho ratsy fanahy be, hoy izy, izay mampianatra an’izany. Ny tena nahatezitra an’ireo lohandohany tao amin’ny Eglizy anefa dia izy tsy nino ny Trinite. Heverin’izy ireo mantsy fa mitovy ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady samy mandrakizay. Tokana ihany anefa, hono, Andriamanitra fa tsy telo.

OLO-MALAZA LASA HALAN’NY OLONA

Rehefa avy nanao fikarohana lalina i Whiston, dia nilaza fa tsy nampianatra momba ny Andriamanitra Telo Izay Iray ny Kristianina voalohany.a Filozofian’ny mpanompo sampy izany, hoy izy, ary lasa nifangaro tamin’ny fampianaran’ny Fivavahana Kristianina. Efa nampitandrina azy ny namany mba tsy hanaparitaka an’izany hevitra izany, fa tsy nanaiky izy. Nino mantsy izy fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, sady noforonina, ka tsy nekeny izay nampianatra zavatra nifanohitra tamin’izany.

Nesorin’ny Oniversiten’i Cambridge tamin’ny toerany izay nanohitra ny fampianaran’ny Anglikanina. Midika izany fa mety hesorina amin’ny asany i Whiston. Tsy nampangina azy anefa izany. Hoy izy: ‘Tsy misy afaka hampiova hevitra ahy, na tombontsoa eto amin’ity tontolo ity, na inona na inona.’ I Newton koa mba niaiky hoe tsy telo izay iray Andriamanitra, fa tsy sahy naneho ny heviny.

‘Manam-pahaizana nalaza be i Whiston nefa lasa halan’ny fiaraha-monina’, satria tsy nety nampandefitra ny finoany

Voaroaka tao amin’ny Oniversiten’i Cambridge i Whiston, tamin’ny 1710. “Manam-pahaizana nalaza be izy nefa lasa halan’ny fiaraha-monina”, satria tsy nety nampandefitra ny finoany. Tsy nampihontsina azy anefa izany. Na dia nampangaina ho nivadika tamin’ny Eglizy aza izy, dia mbola namoaka lahatsoratra hoe Andao Averina ny Fivavahana Kristianina Tany Am-boalohany (anglisy), izay nanazava ny finoan’ny mpianatr’i Jesosy tany am-boalohany. Nanangana ny Fikambanana Mpanaraka ny Fivavahana Kristianina Tany Am-boalohany i Whiston, tatỳ aoriana, ary tao an-tranony tany Londres izy ireo no nivory.

Mbola namoaka lahatsoratra sy nitory teny foana i Whiston, tany Londres, na dia very asa sy sahirana ara-bola aza. Tamin’ny 1737 izy no namoaka an’ilay asa soratr’i Josèphe tamin’ny teny anglisy. Tiany ho fantatry ny olona mantsy ny fiainana tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany. Mbola atao pirinty io boky io hatramin’izao.

Nilaza i James Force, mpanoratra, hoe: “Heverin’ny olona ankehitriny fa ‘adaladala’ i Whiston.” Tsy tian’ny olona mantsy izy, na dia be herim-po aza. Misy kosa mihevitra azy ho manam-pahaizana momba ny Baiboly, izay nitady ny tena marina sady tsy nety nampandefitra ny finoany.

a Mazava ny fampianaran’ny Baiboly momba an’Andriamanitra. Azonao jerena ny www.pr2711.com/mg, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.

MOMBAMOMBA AZY

  • Niaraka akaiky tamin’Atoa Isaac Newton i William Whiston (1667-1752). Betsaka ny hevitra nitovizan’izy ireo teo amin’ny resaka fivavahana.

  • Nanampy an’i Whiston tamin’ny asany foana i Newton, tamin’ny voalohany. Nivadika taminy anefa izy tatỳ aoriana.

  • Nampangaina ho nivadika tamin’ny Eglizy i Whiston, kanefa tsy nosazina mihitsy.

  • “Anisan’ny toetra tena nampiavaka an’i Whiston ny hoe milaza ny marina foana.”—Ireo Baiboly Dikan-teny Anglisy.

Nahay Nandinika fa Tsy Nanara-drenirano Fotsiny

Asa soratr’i Josèphe nadikan’i William Whiston tamin’ny teny anglisy

‘Nanome tsiny an’i Whiston ny olona tamin’ny androny, hoe resaka finoana ve dia hamoizana ny asa. Nanome tsiny azy ireo kosa i Whiston, hoe resaka tombontsoa ve dia hamoizana tanteraka ny finoana.’—William Whiston: Ilay Mpanara-dia An’i Newton Tsy Nety Niala Tamin’ny Fahamarinana (anglisy).

“Ny fahaizan’i Whiston tamin’ny siansa no nampiasainy rehefa nikaroka sy nandinika momba ny fivavahana izy. Namaky boky be dia be sy nisaintsaina lalina izy, vao nanatsoaka hevitra hoe diso ilay fampianarana momba ny Andriamanitra Telo Izay Iray, fa ny zavatra nampianarin’ny Kristianina voalohany no tena marina.”—Robert Bruen.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara