William Whiston — Mpanohitra ny Foto-pinoana sa Manam-pahaizana Manokana Nilaza ny Marina?
HANAO sorona ny asa ataonao eo amin’ny fiainana noho ny zavatra inoanao ve ianao? Nanao izany i William Whiston.
Nanjary olona niavaka teo amin’ny ady hevitra ara-pivavahana izy teo am-piandohan’ny taonjato faha-18, rehefa tsy nifanaraka tamin’ny Eglizy Anglikanina mikasika ireo fampianaran’ny Baiboly. Vokatr’izany, dia nopetahina anarana nanala baraka hoe mpanohitra ny foto-pinoana izy. Ny fiainany àry dia nahatonga azy hizaka teny fanesoana, kanefa koa nahatonga azy hahazo fanajana.
Iza moa i William Whiston? Ary inona no notontosainy?
Manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly
I William Whiston dia mpiara-miasa mahira-tsaina tamin’i Sir Isaac Newton tao amin’ny Oniversiten’i Cambridge. Raha dinihinao ny dikan-teny anglisin’ireo asa soratra nataon’i Flavius Josephus, Jiosy mpanoratra tantara tamin’ny taonjato voalohany, dia azo inoana fa hamaky ny fandikan-teny nataon’i Whiston tamin’ny 1736 ianao. Na dia misy aza ny fandikan-teny hafa, dia mbola tsy misy afa-mitaha amin’ny fandikan-teniny mendrika ny avara-pianarana, miaraka amin’ireo soratra fitadidiana sy famoaboasana nataony. Ary mbola azo raisina avy any amin’ny mpampanonta ihany izany. Maro no mihevitra io asany io ho ny fara tampony amin’ireo zava-bitan’i Whiston.
Tsy azo odian-tsy hita anefa ny Primitive New Testament, izay fandikana ny Soratra Grika Kristiana nataon’i Whiston. Navoaka tamin’ny 1745 izy io, teo amin’ny faha-78 taonan’i Whiston. Nandika ireo Filazantsara efatra sy ny Asan’ny Apostoly avy tamin’ny Kodeksa Bezae i Whiston, ireo taratasin’i Paoly avy tamin’ny Kodeksa Clermont, ary ny tapany sisa, anisan’izany ny Apokalypsy, dia avy tamin’ilay Sora-tanana Alexandrine. Navelany tamim-pitandremana ilay tapany namboamboarina amin’ny 1 Jaona 5:7. Nifidy ireo boky fakan-teny grika telo tranainy ireo ho ny tsara indrindra azo noraisina tamin’izany fotoana izany, i Whiston.
Ny fitiavana ny Baiboly no niharihary fa antony nanosika teo amin’izay nataon’i Whiston. Nanjaka tamin’ny androny ny déisme, dia ilay fampianarana hoe ny fisainana ihany no fototra ampy ho an’ny finoana an’Andriamanitra. Araka ny voalazan’ilay boky hoe William Whiston — Honest Newtonian, dia notohanany mafy “ilay fiheverana mitana ny mahazatra hoe ny Baiboly dia boky fakan-teny iray tsy mety diso ho an’ny tantara fahiny”. Ilay fitenenana hoe “Newtonian” eto dia manondro an’i Isaac Newton, izay fanta-daza noho ny Principia nataony, ka tao izy dia nanazava hatramin’ny tsipiriany madinika ny amin’ny lalàn’ny fifanintonana eo amin’izao rehetra izao. Nisy vokany lalina teo amin’i William Whiston ny fiheveran’i Newton. Tamin’ny fomba ahoana?
Toetra maha-izy azy mifanohitra
I William Whiston dia teraka tamin’ny 1667, zanaka mpitondra fivavahana tao amin’ny Eglizy Anglikanina. Taorian’ny nanokanana azy ho pretra tamin’ny 1693, dia niverina tany amin’ny Oniversiten’i Cambridge izy mba hianatra matematika ary tonga mpanampy an’i Newton. Nisy fifandraisana akaiky nitombo teo amin’izy ireo. Rehefa niala tamin’ny toerany tamin’ny naha-Profesora Lucasien Momba ny Matematika azy i Newton, telo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nataony izay hahavoatendry an’i Whiston ho eo amin’ilay toerany. Tamin’ny fanohizana ilay asany, dia nampianatra astronomia sy matematika i Whiston, kanefa ny fitaoman’i Newton dia nanosika azy koa ho liana lalindalina kokoa amin’ny fandaharan-taona sy ny foto-pampianarana araka ny Baiboly.
Lehilahy tia fivavahana i Newton. Tamin’ny naha-mpino nafana fo azy ny amin’ny Arivo Taona Araka ny Baiboly, dia nanoratra tamin’ny fomba niitatra ny amin’ireo faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy izy. Tsy nisy mihitsy anefa tamin’ireny asa soratra ireny, navoaka fony fahavelony. Nanda ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite izy. Rehefa tonga teo amin’ny famoahana ireo porofo hitany fa nanohitra ny Trinite anefa, dia “nitakemotra i Newton sao dia hanjary ho fantatra ny fiheverany nanohitra ny Trinite”, hoy ny fanamarihan’ny The New Encyclopædia Britannica. Nilaza izany toy izao i F. E. Manuel ao amin’ny Isaac Newton, Historian: “Ny antokon’i Newton dia, na nitana ny heviny ho tsiambaratelo, na nifehy ny hafanam-pony. (...) Izay nafinafenin’i Newton, no nodradradradrain’i Whiston teny an-tsena.” Araka izany, dia nanana toetra naha-izy azy nifanohitra izy roa lahy.
Fandroahana
Tamin’ny Jolay 1708, i Whiston dia nanoratra tany amin’ireo arsevekan’i Canterbury sy York, nampirisika ny hanavaozana ny foto-pampianaran’ny Eglizy Anglikanina, noho ny fampianaran-diso momba ny Trinite hita taratra ao amin’ny Fanekem-pinoan’i Athanase. Mazava ho azy fa notoroana hevitra mba hitandrina izy. Nikiry anefa i Whiston. “Namotopototra ireo hevitra ireo hatramin’ny farany aho”, hoy izy, “ary miaiky tanteraka fa ny fiangonana kristiana dia voafitaka be hatramin’ny ela mikasika izany; ary, noho ny fitahian’Andriamanitra, raha manana hery ho amin’izany aho, dia tsy ho voafitaka intsony izy io [ny fiangonana].”
Natahotra ny amin’ny toerany ara-tsosialy sy ny naha-avara-pianarana azy, i Newton. I Whiston kosa anefa tetsy an-danin’izany, dia tsy mba toy izany. Rehefa avy nilaza tamin’ny fomba tsara lahatra ireo zavatra ninoany nanohitra ny Trinite, i Whiston dia nanoratra bokikely iray nampiseho ny heviny. Tamin’ny Aogositra 1708 anefa, dia nolavin’ny Oniversiten’i Cambridge ny hanome an’i Whiston fahazoan-dalana hanao pirinty ilay bokikely, noho izy io noheverina fa tsy araka ny fampianarana nekena hatramin’izay.
Tamin’ny 1710 i Whiston dia nampangaina ho nampianatra foto-pampianarana nifanohitra tamin’ny zavatra ninoan’ny Eglizy Anglikanina. Voaheloka izy, nesorina taminy ny naha-profesora azy, ary noroahina tao Cambridge. Na dia teo aza anefa ireo dingana ara-pitsarana namely azy, izay nitohy efa ho dimy taona tatỳ aoriana, dia tsy voaporofo mihitsy hoe meloka ho nanohitra ny foto-pinoana i Whiston.
Na dia nitovy tamin’ny an’i Whiston aza ny fiheverany nanohitra ny Trinite, dia tsy mba nomba ilay namany i Newton, ary farany dia nandroaka azy. Tamin’ny 1754, dia navoaka tamin’ny farany ilay tahirim-pahalalana araka ny Baiboly nampiharihary ny Trinite nataon’i Newton — 27 taona taorian’ny nahafatesany. Diso aoriana loatra izany ka tsy afaka nanampy an’i Whiston izay maty roa taona talohan’izay.
Noheverina koa fa i Newton dia tompon’andraikitra tamin’ny fanakanana an’i Whiston tsy ho anisan’ny Royal Society malaza. Tsy kivy anefa i Whiston. Nifindra nankany Londres izy sy ny fianakaviany, ary nanorina Fikambanana iray ho Fampandrosoana ny Kristianisma Tany Am-boalohany. Ny heriny rehetra dia natontony tao amin’ny fanoratana ilay bokiny lehibe indrindra tamin’izany fotoana izany, dia ireo boky efatra hoe Primitive Christianity Revived.
Nahatonga ady hevitra hatramin’ny farany
Tamin’ny naha-mpahay siansa an’i Whiston, dia niasa tamin’ny fomba samy hafa ho an’ny tantsambo izy mba hamaritana laharan-jarahasina (longitude) tany an-dranomasina. Na dia tsy noraisina aza ireo heviny, ny fikirizany tamin’ny farany dia nitarika ho amin’ny fampandrosoana ny famantaranandro an-dranomasina. Na dia tsy araka ny marina aza ny maro tamin’ireo hevitr’i Whiston momba ny faminanian’ny Baiboly, toy ny an’ireo niara-belona taminy, dia nanao izay tratrany izy teo amin’ny fikarohany ny fahamarinana. Ireo trakitra nataony momba ny lalana falehan’ireo kintana manan-drambo sy ireo tombantombana nataony mikasika ny vokatry ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa dia anisan’ireo zavatra maro nosoratany mba hiarovana ny fahamarinana sady ara-tsiansa no ara-baiboly. Nihoatra ireo asa soratra hafa nataony anefa ireo izay nampiharihary ho tsy araka ny Soratra Masina ny foto-pampianarana momba ny Trinite.
Araka ny fanaony, dia nandao ny Eglizy Anglikanina i Whiston tamin’ny 1747. Nanao izany sady ara-bakiteny no ara-panoharana izy, rehefa nivoaka ny trano fiangonana, raha nanomboka namaky ny Fanekem-pinoan’i Athanase ny mpitondra fivavahana iray. Niteny toy izao momba an’i Whiston ny A Religious Encyclopædia: “Tsy maintsy deraina ny toetrany tsy niolakolaka sy vonona hilaza ny marina nampiseho tanjaka, ny fiainany tsy niovaova, ary ny fahitsian’ny fitondran-tenany.”
Tamin’i William Whiston, ny fahamarinana dia tsy azo nampileferina, ary ny fieken’ny tena manokana dia sarobidy kokoa noho ny fankasitrahana sy ny fideran’ny olona. Na dia nahatonga ady hevitra aza izy, i Whiston dia manam-pahaizana manokana nilaza ny marina, izay niaro tsy tamin-tahotra ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:16, 17.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Copyright British Museum