FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/15 p. 16
  • Maresaka momba ny Fivavahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maresaka momba ny Fivavahana
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-misy Eran-tany
  • Angletera
  • Aostralia
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Fijerena akaiky ny fivavahana
    Mifohaza!—1990
  • Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Fivavahana?
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 1/15 p. 16
Lakroa eny an-tampon’ny eglizy iray

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka momba ny Fivavahana

Tokony hampiray saina ny fivavahana, kanefa matetika no mampiady sy mahatonga ny olona tsy hifampatoky.

Zava-misy Eran-tany

Tany boribory nozaraina ka ny ampahatelony no natao miavaka

Voafehifehy sady iharan’ny tsy rariny ny mpivavaka vitsy an’isa, any amin’ny firenena maro. Ny lalàna eo an-toerana no mety hoe mahatonga an’ilay izy, na koa ny fiaraha-monina no efa tsy tia azy ireo. Maherin’ny 75 isan-jaton’ny mponina eran-tany no mipetraka any amin’ny tany toy izany. Nitombo efa ho avo roa heny ny isan’ireny firenena ireny, tato anatin’ny dimy taona.

ERITRERETO IZAO: Inona avy no mahatonga ny olona tsy ho tia fivavahana?—Matio 23:27, 28; Jaona 15:19.

Angletera

Nanoratra tao amin’ny gazety Observer i Tony Blair, praiminisitra britanika taloha, hoe “lasa nampiasaina mba hanaovana zavatra ratsy ny fivavahana”, ka manaporofo an’izany ireo asa fampihorohoroana tato ho ato. Hoy koa izy: “Hevitra ara-politika tsy mitovy no nahatonga ny ady taloha, ohatra hoe ireo ady tamin’ny taonjato faha-20. Tsy mba toy izany kosa tamin’ity taonjato ity. Kolontsaina na fivavahana tsy mitovy fotsiny dia efa miteraka ady.”

ERITRERETO IZAO: Nahoana ny fivavahana no lasa mampiady ny olona?—Marka 7:6-8.

Aostralia

Sariolona kely dimy, ka ny iray voatsipika ary ny efatra manandra-tanana

Nanao tatitra ny Birao Aostralianina Mpamoaka Antontan’isa fa Aostralianina 1 ao anatin’ny 5 no milaza hoe tsy mpivavaka. ‘Na ireo milaza fa mpivavaka aza anefa tsy voatery hoe mazoto miangona na mafana fo amin’ny fivavahany.’ Ny 15 isan-jaton’ny lehilahy sy ny 22 isan-jaton’ny vehivavy milaza fa mpivavaka ihany mantsy no mafana fo amin’ny fivavahany.

ERITRERETO IZAO: Inona no toetra ratsy asehon’ny olona maro, na dia milaza aza izy fa mpivavaka?—Matio 7:15-20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara