FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 6/15 p. 8-9
  • Hajao Foana ny Voadim-panambadianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hajao Foana ny Voadim-panambadianao
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • 1 Aza Mieritreritra ny Hisaraka
    Mifohaza!—2018
  • Ahoana no Hanamafisanao ny Fatoram-panambadianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Torohevitra Faha-2: Aza Mieritreritra ny Hisaraka Mihitsy
    Mifohaza!—2009
  • Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 6/15 p. 8-9
Mpivady falifaly miara-mandehandeha ao anaty lanezy

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Hajao Foana ny Voadim- panambadianao

OLANA

Nanao voady ianao tamin’ianao natao mariazy. Nilaza ianao tamin’izay fa ho tianao foana ny vadinao na inon-kidona na inon-kihatra.

Nifamaly matetika anefa ianareo rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa tsy nifankatia be intsony. Mbola vonona hanaja ny voadim-panambadianao ve ianao?

TSARA HO FANTATRAO

Mpivady mipetraka ao anaty lakana misy vatofantsika

Toy ny vatofantsika ny voadim-panambadiana, satria miaro ny fanambadiana tsy ho rava

Miaro anareo ny voadim-panambadiana. Maro no misalasala raha tena ilaina ny voadim-panambadiana na tsia. Misy mieritreritra hoe toy ny rojo vy mangeja azy izy io. Toy ny vatofantsika anefa izy io, raha ny marina, satria miaro ny fanambadianao tsy ho rava. Hoy ny vehivavy iray atao hoe Megan: “Raha fantatrao hoe tsy mivadika amin’ny voadim-panambadianareo ianareo mivady, dia tsy hanahy mihitsy ianao hoe hisaraka aminao izy, na dia miady aza ianareo.”a Marina aloha fa mety tsy handeha amin’ny laoniny ny zavatra sasany. Hiezaka hamaha olana anefa ianareo raha matoky hoe mafy orina ny fanambadianareo.—Jereo ilay efajoro hoe “Aza Mivadika Amin’ny Vadinao.”

Fehiny: Tokony hiezaka hanaja ny voadim-panambadianao ianao rehefa misy olana ao an-tokantrano. Amin’ny fomba ahoana?

INONA NO AZONAO ATAO?

Diniho hoe ahoana no fiheveranao ny fanambadiana. Mahatsiaro ho voageja ve ianao sa mahatsiaro ho voaro rehefa mieritreritra an’ilay hoe: “Ny fanambadiana toy ny lamban’akoho ka faty no isarahana”? Mieritreritra ny hisaraka ve ianao isaky ny misy olana? Ataovy an-tsaina hoe fiarahana maharitra ny fanambadiana, dia ho vitanao ny hanaja foana ny voadim-panambadianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Matio 19:6.

Fantaro raha misy vokany aminao ny zavatra niainanao. Hoy i Lea: “Nisaraka ny ray aman-dreniko tamin’izaho mbola kely, ka matahotra aho sao tsy ho zava-dehibe amiko koa ny voadim-panambadiana.” Matokia anefa fa tsy voatery hamerina ny fahadisoan’ny ray aman-dreninao ianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Galatianina 6:4, 5.

Avadibadiho impito ny lela. Na mifamaly be aza ianareo dia aza miteny zavatra mety hanenenanao, ohatra hoe: “Izaho angaha tsy hahita olon-kafa!” na “Nanenenako mihitsy ny nanambady anao!” Manao tsinontsinona ny voadim-panambadianao ianao raha miteny toy izany. Tsy vahaolana koa izany, fa vao mainka mahatonga anareo hifanao teny maharary fotsiny. Azo atao kosa ny miteny toy izao: “Samy tezitra be mihitsy aloha isika teo e. Fa maninona raha mba miara-mitady vahaolana?”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 12:18.

Ataovy fantatry ny olona hoe tianao ny vadinao. Asio sarin’ny vadinao ao amin’ny biraonao. Zavatra tsara momba ny tokantranonao koa resahina. Miezaha hiantso ny vadinao amin’ny telefaonina isan’andro, raha tsy eo an-toerana ianao. Ampiasao matetika ny teny toy ny hoe “izahay” na “izahay mivady” rehefa miresaka amin’olona. Ho hitan’ny olona hoe tsy mivadika amin’ny vadinao ianao raha manao an’ireo.

Jereo hoe iza no azonao tahafina. Miresaha amin’ireo mpivady nahavita niatrika olana. Anontanio izy ireo hoe: “Hoatran’ny ahoana izany manaja ny voadim-panambadiana izany? Inona no vokatr’izany teo amin’ny tokantranonareo?” Handray soa ianao raha mangataka torohevitra amin’ireny olona sambatra am-panambadiana ireny. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.”—Ohabolana 27:17.

a Milaza ny Baiboly fa afaka misaraka amin’ny vadiny ny olona iray, raha nijangajanga taminy ny vadiny. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Fanitsakitsaham-bady”, ato amin’ity Mifohaza! ity.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.

  • ‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’—Galatianina 6:5.

  • “Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra, fa ny tenin’ny hendry kosa manasitrana.”—Ohabolana 12:18.

AZA MIVADIKA AMIN’NY VADINAO

“Ho tsapanareo fa haharitra ny fiarahanareo, raha tsy mivadika amin’ny andaniny ny ankilany. [Hoatran’ny hitanao sary an-tsaina hoe mbola miaraka foana ianareo mivady, na dia any aoriana be any aza.] Manamafy orina ny fifandraisanareo izany, satria tsy tonga ao an-tsainareo akory izany hoe hisaraka izany. Hoy ny vehivavy iray manambady: ‘Tsy manahy mihitsy aho hoe hisaraka izahay, na dia tezitra be [amin’ny vadiko] aza aho, sy tezitra noho ny zava-mitranga eo aminay. Ny mampanahy ahy kosa dia hoe ahoana no hifandraisanay tsara toy ny taloha. [Azoko antoka hoe ho hoatran’ny taloha indray ny fifandraisanay.] Tsy fantatro fotsiny amin’io fotoana io hoe ahoana no hatao.’ ”—Avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2003.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara