FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g18 No. 2 p. 4
  • 1 Aza Mieritreritra ny Hisaraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1 Aza Mieritreritra ny Hisaraka
  • Mifohaza!—2018
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA IZANY?
  • NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Torohevitra Faha-2: Aza Mieritreritra ny Hisaraka Mihitsy
    Mifohaza!—2009
  • Hajao Foana ny Voadim-panambadianao
    Mifohaza!—2015
  • Ahoana no Hanamafisanao ny Fatoram-panambadianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—2018
g18 No. 2 p. 4
Vatofantsika mihazona sambo iray tsy ho lasan’ny rivo-mahery

Toy ny hoe hazonin’ny vatofantsika ny fanambadiana, raha samy tsy mieritreritra ny hisaraka ny mpivady rehefa ao anatin’ny sarotra

HO AN’NY MPIVADY

1 Aza Mieritreritra ny Hisaraka

AHOANA IZANY?

Raha samy tapa-kevitra ny hanaja ny voadim-panambadiany ny mpivady, dia tsy hieritreritra hoe fiarahana vetivety fotsiny ny fanambadiana. Samy matoky izy ireo hoe tsy hifandao mihitsy, na dia ao anatin’ny sarotra aza.

Misy mpivady te hisaraka nefa mihafy ao, satria sakanan’ny namany na ny havany na ny mpiara-miasa aminy. Tsy hieritreritra ny hisaraka mihitsy anefa izy ireo raha mifankatia sy mifanaja.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy.”—1 Korintianina 7:11.

“Tsy ho mora sosotra amin’ny vadinao ianao, raha tapa-kevitra ny hanaja an’ilay voady nataonao. Ho mora aminao ny hamela ny fahadisoany sy hiala tsiny aminy. Iezahanareo vahana foana izay olana mitranga, fa tsy ataonareo mampisaraka anareo.”—Micah.a

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Raha tsy tapa-kevitra ny hanaja ny voady nataony ny mpivady, dia mety hitady hirika hisarahana rehefa misy olana. Mety hilaza izy ireo hoe: “Tsy mifanentana mihitsy izahay e!”

“Misy vao manambady dia efa mieritreritra hoe hisaraka raha vao misy olana. Efa tsy tapa-kevitra ny hanaja ny voady nataony mihitsy izy.”—Sonia.

INONA NO AZONAO ATAO?

FANTARO IZAO

Rehefa mifamaly ianareo...

  • Manenina ve ianao nanambady ny vadinao?

  • Manonofinofy miaraka amin’olon-kafa ve ianao?

  • Miteny amin’ny vadinao ve ianao hoe handao azy na hitady olon-kafa?

Mila manao zavatra haingana ianao, raha eny ny valin-teninao amin’izy rehetra ireo na ny sasany aminy.

MIRESAHA AMIN’NY VADINAO

  • Tsy tena tapa-kevitra ny hanaja ny voady nataontsika intsony ve isika? Fa maninona?

  • Inona avy no azontsika atao mba hahatonga antsika hanaja foana ny voadim-panambadiantsika?

SOSO-KEVITRA

  • Anoraty teny mamy tsindraindray ny vadinao

  • Asio sarin’ny vadinao ao amin’ny biraonao

  • Miezaha hiantso azy amin’ny telefaonina isan’andro, rehefa any am-piasana ianao na nandeha lavitra

TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.

a Novana ny anarana sasany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara